Luke 13

Ary tamin'izany andro izany nisy ny sasany teo izay nanambara tamin'i Jesosy ny nanjo ny Galiliana, izay naharoharon'i Pilato tamin'ny fanatiny ny ràny.
正当那时,有人将彼拉多使加利利人的血搀杂在他们祭物中的事告诉耶稣。
Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ataonareo va fa ireny Galiliana ireny no mpanota mihoatra noho ny Galiliana rehetra, satria nozoin'izany zavatra izany izy?
耶稣说;你们以为这些加利利人比众加利利人更有罪,所以受这害吗?
Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra.
我告诉你们,不是的!你们若不悔改,都要如此灭亡!
Ary ireny valo ambin'ny folo ireny, izay nianjeran'ny tilikambo tao Siloama ka maty, ataonareo va fa mpanota mihoatra noho ny olona rehetra izay monina ao Jerosalema ireny?
从前西罗亚楼倒塌了,压死十八个人;你们以为那些人比一切住在耶路撒冷的人更有罪吗?
Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra.
我告诉你们,不是的!你们若不悔改,都要如此灭亡!
Ary nanao ity fanoharana ity Izy hoe: Nisy olona nanana aviavy nambolena teo an-tanim-boalobony; dia nankeo izy nitady voa taminy, fa tsy nahita.
于是用比喻说:一个人有一棵无花果树栽在葡萄园里。他来到树前找果子,却找不著。
Ka dia hoy izy tamin'ny mpamboatra ny tanim-boaloboka; Indro, efa telo taona izay aho no tonga nitady voa tamin'ity aviavy ity, fa tsy nahita; kapao io; nahoana io no manimba ny tany?
就对管园的说:看哪,我这三年来到这无花果树前找果子,竟找不著。把它砍了吧,何必白占地土呢!
Fa ny mpamboatra namaly ka nanao taminy hoe: Tompoko, avelao ihany izy amin'ity taona ity mandra-pihadiko manodidina azy, ka hasiako zezika;
管园的说:主啊,今年且留著,等我周围掘开土,加上粪;
angamba mbola hamoa izy; fa raha tsy izany, dia hokapainao ihany.
以后若结果子便罢,不然再把它砍了。
Ary nampianatra tao amin'ny synagoga anankiray Jesosy tamin'ny Sabata.
安息日,耶稣在会堂里教训人。
Ary, indro, nisy vehivavy izay nanana fanahy mahafarofy valo ambin'ny folo taona, ary nanjoko izy ka tsy nahatraka akory.
有一个女人被鬼附著,病了十八年,腰弯得一点直不起来。
Ary rehefa nahita azy Jesosy, dia niantso azy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, afaka amin'ny rofinao ianao.
耶稣看见,便叫过她来,对她说:女人,你脱离这病了!
Dia nametraka ny tànany taminy Izy; ary niaraka tamin'izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza an'Andriamanitra.
于是用两只手按著她;她立刻直起腰来,就归荣耀与 神。
Ary ny mpanapaka ny synagoga dia tezitra, satria Jesosy nahasitrana tamin'ny Sabata, dia namaly ka nanao tamin'ny vahoaka hoe: Henemana no azo anaovan-draharaha; koa avia hositranina amin'izany, fa tsy amin'ny andro Sabata.
管会堂的因为耶稣在安息日治病,就气忿忿的对众人说:有六日应当做工;那六日之内可以来求医,在安息日却不可。
Fa namaly azy ny Tompo ka nanao hoe: Ry mpihatsaravelatsihy, moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny borikiny hiala amin'ny fihinanam-bilona amin'ny Sabata va ianareo ka mitondra azy hisotro rano?
主说:假冒为善的人哪,难道你们各人在安息日不解开槽上的牛、驴,牵去饮吗?
Koa ity vehivavy zanak'i Abrahama ity, izay efa nafatotr'i Satana izao valo ambin'ny folo taona izao, moa tsy tokony hovahana ho afaka amin'izany fatorana izany amin'ny andro Sabata va?
况且这女人本是亚伯拉罕的后裔,被撒但捆绑了这十八年,不当在安息日解开她的绑吗?
Ary raha nilaza izany Izy, dia nangaihay izay rehetra nanohitra Azy; fa ny vahoaka rehetra nifaly noho ny zavatra malaza rehetra nataony.
耶稣说这话,他的敌人都惭愧了;众人因他所行一切荣耀的事,就都欢喜了。
Dia hoy Jesosy: Tahaka ny inona ny fanjakan'Andriamanitra? ary inona no hanoharako azy?
耶稣说: 神的国好像什么?我拿什么来比较呢?
Tahaka ny voan-tsinapy izy, izay nalain'olona ka namboleny tao an-tanimboly, ary naniry ka tonga haro; ary ny voro-manidina nitoetra tao amin'ny rantsany.
好像一粒芥菜种,有人拿去种在园子里,长大成树,天上的飞鸟宿在它的枝上。
Ary hoy koa Jesosy: Inona no hanoharako ny fanjakan'Andriamanitra?
又说:我拿什么来比 神的国呢?
Tahaka ny masirasira izy, izay nalain'ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin'ny koba intelon'ny famarana, mandra-pahazon'ny masirasira azy rehetra.
好比面酵,有妇人拿来藏在三斗面里,直等全团都发起来。
Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna sy ny vohitra nampianatra sady nandroso hankany Jerosalema.
耶稣往耶路撒冷去,在所经过的各城各乡教训人。
Dia hoy ny anankiray taminy; Tompoko, moa vitsy va no hovonjena? Ary hoy Izy tamin'ny olona:
有一个人问他说:主啊,得救的人少吗?
Miseseha hiditra amin'ny varavarana etỳ ianareo; fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka.
耶稣对众人说:你们要努力进窄门。我告诉你们,将来有许多人想要进去,却是不能。
Rehefa mitsangana ny tompon-trano ka manidy ny varavarana, ary ianareo mijanona eo ala-trano mandondòna ny varavarana ka manao hoe: Tompoko, vohay izahay, dia hamaly Izy ka hanao aminareo hoe: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo;
及至家主起来关了门,你们站在外面叩门,说:主啊,给我们开门!他就回答说:我不认识你们,不晓得你们是那里来的!
ary amin'izay ianareo dia hanao hoe: Nihinana sy nisotro teo anatrehanao izahay, ary nampianatra teny an-dalambenay Hianao.
那时,你们要说:我们在你面前吃过喝过,你也在我们的街上教训过人。
Fa Izy hiteny hoe: Lazaiko aminareo: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo; mialà amiko, ianareo rehetra mpanao meloka.
他要说:我告诉你们,我不晓得你们是那里来的。你们这一切作恶的人,离开我去吧!
Any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify, raha mahita an'i Abrahama sy Isaka sy Jakoba ary ny mpaminany rehetra eo amin'ny fanjakan'Andriamanitra ianareo, fa ny tenanareo kosa dia voaroaka any ivelany.
你们要看见亚伯拉罕、以撒、雅各,和众先知都在 神的国里,你们却被赶到外面,在那里必要哀哭切齿了。
Ary ho tonga avy any atsinanana sy avy any andrefana ary avy any avaratra sy avy any atsimo ireny ka hipetraka hihinana eo amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
从东、从西、从南、从北将有人来,在 神的国里坐席。
Ary, indro, misy ny aoriana ho aloha, ary misy ny aloha ho aoriana.
只是有在后的,将要在前;有在前的,将要在后。
Tamin'izany ora izany indrindra dia nisy Fariseo sasany nankeo amin'i Jesosy ka nanao taminy hoe: Mandehana Hianao, ka mialà eto; fa ta-hamono Anao Heroda.
正当那时,有几个法利赛人来对耶稣说:离开这里去吧,因为希律想要杀你。
Fa hoy Izy taminy: Mandehana, lazao amin'izany amboahaolo izany hoe: Indro, mamoaka demonia sy mahasitrana Aho anio sy ampitso, ary raha afaka ampitso dia hotanterahina ny amiko.
耶稣说:你们去告诉那个狐狸说:今天、明天我赶鬼治病,第三天我的事就成全了。
Kanefa tsy maintsy mandeha ihany Aho anio sy ampitso sy raha afaka ampitso; fa ny mpaminany tsy azo vonoina, raha tsy any Jerosalema.
虽然这样,今天、明天、后天,我必须前行,因为先知在耶路撒冷之外丧命是不能的。
Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay nirahina any aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao tahaka ny fanomban'ny akoho ny zanany ao ambanin'ny elany, fa tsy nety ianareo!
耶路撒冷啊!耶路撒冷啊!你常杀害先知,又用石头打死那奉差遣到你这里来的人。我多次愿意聚集你的儿女,好像母鸡把小鸡聚集在翅膀底下,只是你们不愿意。
Indro, avela ho anareo ny tranonareo. ary lazaiko aminareo: Tsy hahita Ahy intsony ianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah (Sal. 118. 26).
看哪,你们的家成为荒场留给你们。我告诉你们,从今以后你们不得再见我,直等到你们说:奉主名来的是应当称颂的。