Psalms 55

למנצח בנגינת משכיל לדוד האזינה אלהים תפלתי ואל תתעלם מתחנתי׃
Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Maskila nataon'i Davida. Mihainoa ny fivavako, Andriamanitra ô, ary aza miery amin'ny fitarainako.
הקשיבה לי וענני אריד בשיחי ואהימה׃
Henoy aho, ka valio; miriorio ny eritreritro, ka mitoloko aho,
מקול אויב מפני עקת רשע כי ימיטו עלי און ובאף ישטמוני׃
Noho ny feon'ny fahavalo sy ny fampahorian'ny ratsy fanahy; fa mampianjera loza amiko ireny, ary amin'ny fahatezerana no ankahalany ahy.
לבי יחיל בקרבי ואימות מות נפלו עלי׃
Mangorohoro ato anatiko ny foko, ary mamely ahy ny tahotra ny fahafatesana.
יראה ורעד יבא בי ותכסני פלצות׃
Tahotra sy hovitra no mahazo ahy, ary manafotra ahy ny horohoro.
ואמר מי יתן לי אבר כיונה אעופה ואשכנה׃
Ka hoy izaho: enga anie ka manana elatra tahaka ny voromailala aho, dia handositra aho ka hahita izay hitoerako;
הנה ארחיק נדד אלין במדבר סלה׃
Eny, handositra lavitra aho ka hitoetra any an-efitra.
אחישה מפלט לי מרוח סעה מסער׃
Handeha faingana aho hamonjy fialofana, mba tsy ho azon'ny tafio-drivotra sy ny ranonoram-baratra.
בלע אדני פלג לשונם כי ראיתי חמס וריב בעיר׃
Aringano izy, ary akoroy ny fiteniny, Tompo ô; fa mahita loza sy ady ao an-tanàna aho.
יומם ולילה יסובבה על חומתיה ואון ועמל בקרבה׃
Hodidininy andro aman'alina eny ambonin ny mandany io; ary heloka sy fampahoriana no ao aminy;
הוות בקרבה ולא ימיש מרחבה תך ומרמה׃
Ratsy no ao anatiny; ary ny fitaka sy ny fanangolena tsy mba miala amin'ny lalàmbeny.
כי לא אויב יחרפני ואשא לא משנאי עלי הגדיל ואסתר ממנו׃
Fa tsy fahavalo no nanaratsy ahy,- fa raha izany, dia niaritra ihany aho; tsy olona nankahala ahy no nanandra-tena namely ahy, fa raha izany, dia niery azy aho;
ואתה אנוש כערכי אלופי ומידעי׃
Fa ianao, lehilahy mitovy saranga amiko, namako sy sakaizako indrindra,
אשר יחדו נמתיק סוד בבית אלהים נהלך ברגש׃
Dia isika izay nifankamamy resaka ka niara-nandeha tamin'ny maro ho ao an-tranon'Andriamanitra.
ישימות עלימו ירדו שאול חיים כי רעות במגורם בקרבם׃
Aoka hanampoka azy ny fahafatesana. Aoka hidina velona any amin'ny fiainan-tsi-hita izy; fa ratsy no ao amin'ny fonenany, dia ao afovoany.
אני אל אלהים אקרא ויהוה יושיעני׃
Raha izaho, dia Andriamanitra no hantsoiko; ary Jehovah no hamonjy ahy.
ערב ובקר וצהרים אשיחה ואהמה וישמע קולי׃
Hariva sy maraina ary mitatao vovonana no hitarainako sy hitolokoako; dia hihaino ny feoko Izy,
פדה בשלום נפשי מקרב לי כי ברבים היו עמדי׃
Ka hanavotra ny fanahiko ho amin'ny fiadanana hahafahako amin'ny adin'ireny amiko, fa maro no miady amiko.
ישמע אל ויענם וישב קדם סלה אשר אין חליפות למו ולא יראו אלהים׃
Hihaino Andriamanitra, Izay mipetraka hatramin'ny taloha, ka hamaly ireo olona tsy miova toetra, sady tsy matahotra an'Andriamanitra.
שלח ידיו בשלמיו חלל בריתו׃
Efa naninjitra ny tànany hamely izay nihavana taminy izy; namadika ny fanekeny izy.
חלקו מחמאת פיו וקרב לבו רכו דבריו משמן והמה פתחות׃
Malambo noho ny rononomandry ny vavany, kanjo ady no ao am-pony; malemy noho ny diloilo ny teniny, kanjo sabatra voatsoaka ireny.
השלך על יהוה יהבך והוא יכלכלך לא יתן לעולם מוט לצדיק׃
Apetraho amin'i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.
ואתה אלהים תורדם לבאר שחת אנשי דמים ומרמה לא יחצו ימיהם ואני אבטח בך׃
Fa Hianao, Andriamanitra ô, no hampidina ireo any an-davaka fanimbana; ny mpandatsa-drà sy mpamitaka tsy hahatratra ny an-tsasaky ny androny; fa izaho kosa dia hatoky Anao.