Psalms 56

למנצח על יונת אלם רחקים לדוד מכתם באחז אתו פלשתים בגת חנני אלהים כי שאפני אנוש כל היום לחם ילחצני׃
Ho an'ny mpiventy hira. Al-jonathelem-rehokim. Miktama nataon'i Davida, fony nisambotra azy tany Gata ny Filistina. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, fa misafoaka manenjika ahy ny olona; miady amiko mandrakariva izy ka mampahory ahy.
שאפו שוררי כל היום כי רבים לחמים לי מרום׃
Misafoaka manenjika mandrakariva ny mpampahory ahy; maro tokoa no mirehareha miady amiko.
יום אירא אני אליך אבטח׃
Amin'ny andro atahorako no itokiako Anao.
באלהים אהלל דברו באלהים בטחתי לא אירא מה יעשה בשר לי׃
Andriamanitra no iderako ny teniny; Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon'ny nofo amiko?
כל היום דברי יעצבו עלי כל מחשבתם לרע׃
Manimba ny raharahako mandra-kariva ireny; ny heviny rehetra dia ny hanisy ratsy ahy ihany.
יגורו יצפינו המה עקבי ישמרו כאשר קוו נפשי׃
Miangona izy, miery izy, mitsongo-dia ahy izy, satria mikendry ny aiko.
על און פלט למו באף עמים הורד אלהים׃
Amin'izany faharatsiany izany moa hisy hahafahany va? Aripaho amin'ny fahatezeranao ny firenena. Andriamanitra ô.
נדי ספרתה אתה שימה דמעתי בנאדך הלא בספרתך׃
Manisa ny firenireneko Hianao; ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko; tsy eo amin'ny bokinao va ireny?
אז ישובו אויבי אחור ביום אקרא זה ידעתי כי אלהים לי׃
Amin'izay dia hiamboho ny fahavaloko amin'ny andro hiantsoako Anao; izao dia fantatro, fa momba ahy Andriamanitra.
באלהים אהלל דבר ביהוה אהלל דבר׃
Andriamanitra no iderako ny teniny; Jehovah no iderako ny teniny.
באלהים בטחתי לא אירא מה יעשה אדם לי׃
Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon'ny olona amiko?
עלי אלהים נדריך אשלם תודת לך׃
Nivoady taminao aho, Andriamanitra ô, dia hanatitra fanati-pisaorana ho Anao.
כי הצלת נפשי ממות הלא רגלי מדחי להתהלך לפני אלהים באור החיים׃
Fa efa nanafaka ny fanahiko tamin'ny fahafatesana Hianao; eny, nanafaka ny tongotro Hianao mba tsy ho solafaka. Handehanako eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny fahazavan'ny velona.