Proverbs 2

我儿,你若领受我的言语,存记我的命令,
Anaka, raha raisinao ny teniko, Ary raketinao ao am-ponao ny didiko,
侧耳听智慧,专心求聪明,
Ka atongilanao amin'ny fahendrena ny sofinao, Ary ampitandremanao fahalalana ny fonao;
呼求明哲,扬声求聪明,
Eny, raha miantso ny fahalalana ianao Ary manandratra ny feonao hahazo saina,
寻找它,如寻找银子,搜求它,如搜求隐藏的珍宝,
Raha mitady azy toy ny fitady volafotsy ianao Ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina:
你就明白敬畏耶和华,得以认识 神。
Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an'i Jehovah, Ary ho hitanao ny fahalalana an'Andriamanitra.
因为,耶和华赐人智慧;知识和聪明都由他口而出。
Fa Jehovah no manome fahendrena; Avy amin'ny vavany no ihavian'ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina.
他给正直人存留真智慧,给行为纯正的人作盾牌,
Izy mitahiry fanambinana ho an'ny mahitsy Sady ampingan'izay mandeha tsy misy tsiny;
为要保守公平人的路,护庇虔敬人的道。
Ka dia mitandrina ny lalan'ny fahamarinana Izy Ary miambina ny lalan'ny olony masina.
你也必明白仁义、公平、正直、一切的善道。
Ary amin'izay dia ho fantatrao ny fahamarinana sy ny rariny Ary ny hitsiny, dia ny lalana tsara rehetra.
智慧必入你心;你的灵要以知识为美。
Raha latsaka ao am-ponao ny fahendrena, Ary mamin'ny fanahinao ny fahalalana,
谋略必护卫你;聪明必保守你,
Dia hiaro anao ny fisainana mazava, Ary hiambina anao ny fahalalana,
要救你脱离恶道(或译:恶人的道),脱离说乖谬话的人。
Ka hamonjy anao amin'ny lalan-dratsy Sy amin'ny lehilahy izay miteny fitaka,
那等人舍弃正直的路,行走黑暗的道,
Izay mahafoy ny lalan'ny fahamarinana Mba hizorany amin'ny lalan'ny fahamaizinana,
欢喜作恶,喜爱恶人的乖僻,
Dia izay faly hanao ratsy Sy finaritra amin'ny fitaky ny ratsy,
在他们的道中弯曲,在他们的路上偏僻。
Dia izay melo-dalana Sy maniasia amin'ny alehany;
智慧要救你脱离淫妇,就是那油嘴滑舌的外女。
Ary hamonjy anao amin'ny vehivavy jejo koa izany, Dia amin'ny vahiny janga izay mandrobo amin'ny teniny,
她离弃幼年的配偶,忘了 神的盟约。
Izay mahafoy ny vadin'ny fahatanorany Sy manadino ny fanekeny teo amin'Andriamaniny.
她的家陷入死地;她的路偏向阴间。
Fa ny tranony milentika ho amin'ny fahafatesana, Ary ny alehany mankany amin'ny maty.
凡到她那里去的,不得转回,也得不著生命的路。
Tsy misy afa-miverina izay mankany aminy, Na mihazo amin'ny lalan'aina,
智慧必使你行善人的道,守义人的路。
Handehananao amin'ny lalan'ny tsara fanahy Sy hitandremanao ny alehan'ny marina.
正直人必在世上居住;完全人必在地上存留。
Fa ny olona mahitsy no honina amin'ny tany, Ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao;
惟有恶人必然剪除;奸诈的,必然拔出。
Fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin'ny tany, Ary ny mpivadika hongotana.