Proverbs 1

以色列王大卫儿子所罗门的箴言:
Ny Ohabolan'i Solomona, zanak'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely:
要使人晓得智慧和训诲,分辨通达的言语,
Hahalalana fahendrena sy fananarana, Ary hahafantarana ny tenin'ny fahalalana;
使人处事领受智慧、仁义、公平、正直的训诲,
Hahazoana fananarana mampahahendry, Dia fahamarinana sy rariny ary fahitsiana;
使愚人灵明,使少年人有知识和谋略,
Hanomezam-pahendrena ho an'ny kely saina, Ary fahalalana sy fisainana mazava ho an'ny zatovo.
使智慧人听见,增长学问,使聪明人得著智谋
Aoka ny hendry hihaino ka hitombo saina; Ary aoka ny manam-panahy hahazo fitarihana tsara;
使人明白箴言和譬喻,懂得智慧人的言词和谜语。
Hahafantarana ohabolana sy fanoharana, Ary ny tenin'ny hendry sy ny teny saro-pantarina ataony.
敬畏耶和华是知识的开端;愚妄人藐视智慧和训诲。
Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahalalana; Fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana. Fananarana tsy hikambana amin'ny mpanao ratsy.
我儿,要听你父亲的训诲,不可离弃你母亲的法则(或译:指教);
Anaka, mihainoa ny ana-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao;
因为这要作你头上的华冠,你项上的金鍊。
Fa fehiloha tsara tarehy amin'ny lohanao izany, Ary rado amin'ny vozonao.
我儿,恶人若引诱你,你不可随从。
Anaka, raha taomin'ny mpanota ianao, Aza manaiky.
他们若说:你与我们同去,我们要埋伏流人之血,要蹲伏害无罪之人;
Raha hoy izy: Andeha hiaraka isika, Aoka isika hanotrika handatsa-drà; Andeha hamitsahantsika tsy ahoan-tsy ahoana ny tsy manan-tsiny;
我们好像阴间,把他们活活吞下;他们如同下坑的人,被我们囫囵吞了;
Aoka isika hitelina azy velona tahaka ny fitelin'ny fiainan-tsi-hita Ary hanao azy teli-moka toy ny latsaka any an-davaka;
我们必得各样宝物,将所掳来的,装满房屋;
Dia ho azontsika ny fananana sarobidy rehetra, Ka hofenointsika babo ny tranontsika;
你与我们大家同分,我们共用一个囊袋;
Avia mba hiara-miloka eto aminay; Aoka ho iray ihany ny kitapom-bolantsika rehetra:
我儿,不要与他们同行一道,禁止你脚走他们的路。
Anaka, aza miara-dalana aminy ianao; Arovy ny tongotrao tsy hankamin'ny alehany;
因为,他们的脚奔跑行恶;他们急速流人的血,
Fa ny tongony mihazakazaka ho amin'ny ratsy Sady faingana handatsa-drà.
好像飞鸟,网罗设在眼前仍不躲避。
Fa velarim-poana ny fandrika, Raha hitan'ny vorona.
这些人埋伏,是为自流己血;蹲伏,是为自害己命。
Fa ireny dia manotrika handatsaka ny ran'ny tenany ihany; Mamitsaka hahafaty ny tenany ihany izy.
凡贪恋财利的,所行之路都是如此;这贪恋之心乃夺去得财者之命。
Toy izany no iafaran'izay rehetra fatra-pila harena; Fa hipaoka ny ain'izay fatra-pila azy izany.
智慧在街市上呼喊,在宽阔处发声,
Ny fahendrena miantso mafy eny ivelany; Manandratra ny feony eny an-kalalahana izy;
在热闹街头喊叫,在城门口,在城中发出言语,
Mitory ao amin'izay fivorian'ny maro be mireondreona izy; Eo anoloan'ny vavahady sy ao an-tanàna no ilazany ny teniny hoe:
说:你们愚昧人喜爱愚昧,亵慢人喜欢亵慢,愚顽人恨恶知识,要到几时呢?
Ry kely saina, mandra-pahoviana no hitiavanareo ny fahadalana, Sy hifalian'ny mpaniratsira amin'ny faniratsirana, Ary hankahalan'ny adala ny fahalalana?
你们当因我的责备回转;我要将我的灵浇灌你们,将我的话指示你们。
Miverena ianareo hihaino ny fananarako; Indro, haidiko aminareo ny fanahiko, Ary hampahafantariko anareo ny teniko.
我呼唤,你们不肯听从;我伸手,无人理会;
Satria efa niantso Aho, fa nandà ianareo; Efa naninjitra ny tanako Aho, fa tsy nisy nitandrina;
反轻弃我一切的劝戒,不肯受我的责备。
Fa nolavinareo ny saina rehetra natolotro, Sady tsy nety nanaiky ny anatro ianareo:
你们遭灾难,我就发笑;惊恐临到你们,我必嗤笑。
Izaho kosa hihomehy, raha tonga ny fandringanana anareo; Handatsa Aho, raha tonga ny mahatahotra anareo.
惊恐临到你们,好像狂风;灾难来到,如同暴风;急难痛苦临到你们身上。
Raha tonga ny zava-mahatahotra anareo tahaka ny rivo-doza Ary ny fandringanana anareo toy ny tadio, Ka manjo anareo ny fahoriana sy ny fangirifiriana,
那时,你们必呼求我,我却不答应,恳切地寻找我,却寻不见。
Dia vao hiantso Ahy izy, fa tsy hamaly Aho; Dia vao hitady Ahy fatratra izy, fa tsy ho hitany Aho.
因为,你们恨恶知识,不喜爱敬畏耶和华,
Satria nankahala ny fahalalana izy Ary tsy nifidy ny fahatahorana an'i Jehovah,
不听我的劝戒,藐视我一切的责备,
Tsy nekeny ny saina natolotro, Notsiratsirainy avokoa ny anatro rehetra,
所以必吃自结的果子,充满自设的计谋。
Dia hihinana ny vokatry ny alehany izy Ka ho voky ny fihendreny.
愚昧人背道,必杀己身;愚顽人安逸,必害己命。
Fa ny fihemoran'ny kely saina hahafaty azy, Ary ny fiadanan'ny adala handringana azy.
惟有听从我的,必安然居住,得享安静,不怕灾祸。
Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, Eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy.