Genesis 36

Ary izao no taranak'i Esao (Edoma izany):
hae sunt autem generationes Esau ipse est Edom
Esao naka vady tamin'ny zanakavavin'ny Kananita, dia Ada, zanak'i Elona Hetita, sy Oholibama, zanak'i Ana, zanakavavin'i Zibona Hivita,
Esau accepit uxores de filiabus Chanaan Ada filiam Elom Hetthei et Oolibama filiam Anae filiae Sebeon Evei
ary Basemata, zanakavavin'Isimaela sady anabavin'i Nebaiota.
Basemath quoque filiam Ismahel sororem Nabaioth
Ary Ada niteraka an'i Elifaza tamin'i Esao; ary Basemata niteraka an'i Regoela;
peperit autem Ada Eliphaz Basemath genuit Rauhel
ary Oholibama niteraka an'i Jeosy sy Jalama ary Kora. Ireo no zanak'i Esao, izay naterany tany amin'ny tany Kanana.
Oolibama edidit Hieus et Hielom et Core hii filii Esau qui nati sunt ei in terra Chanaan
Dia nentin'i Esao ny vadiny sy ny zananilahy sy ny zananivavy sy ny olona rehetra tao an-tranony sy ny omby aman'ondriny sy ny biby fiompiny rehetra, mbamin'ny fananany rehetra izay efa nohariny tany amin'ny tany Kanana, ka dia lasa nankany amin'izay tany hialana eo anatrehan'i Jakoba rahalahiny.
tulit autem Esau uxores suas et filios et filias et omnem animam domus suae et substantiam et pecora et cuncta quae habere poterat in terra Chanaan et abiit in alteram regionem recessitque a fratre suo Iacob
Fa samy be loatra ny haren'izy mirahalahy, ka tsy mba nahazo niray monina izy; ary tsy omby azy ny tany fivahiniany, noho ny omby aman ondriny.
divites enim erant valde et simul habitare non poterant nec sustinebat eos terra peregrinationis eorum prae multitudine gregum
Koa nonina tany an-tendrombohitra Seira Esao. (Edoma izany).
habitavitque Esau in monte Seir ipse est Edom
Ary izao no taranak'i Esao, rain'ny Edomita any an-tendrombohitra Seira:
hae sunt generationes Esau patris Edom in monte Seir
Ny anaran'ny zanakalahin'i Esao dia izao: Elifaza, zanak'i Ada, vadin'i Esao, sy Regoela, zanak'i Basemata, vadin'i Esao.
et haec nomina filiorum eius Eliphaz filius Ada uxoris Esau Rauhel quoque filius Basemath uxoris eius
Ary ny zanakalahin'i Elifaza dia Temana sy Omara sy Zefo sy Gatama ary Kenaza.
fueruntque filii Eliphaz Theman Omar Sephu et Gatham et Cenez
Ary Timna no vaditsindranon'i Elifaza, zanakalahin'i Esao; ary niteraka an'i Amaleka tamin'i Elifaza izy. Ireo no zanakalahin'i Ada, vadin'i Esao.
erat autem Thamna concubina Eliphaz filii Esau quae peperit ei Amalech hii sunt filii Adae uxoris Esau
Ary izao no zanakalahin'i Regoela: Nahata sy Zera sy Sama ary Miza; ireo no zanakalahin'i Basemata, vadin'i Esao.
filii autem Rauhel Naath et Zara Semma et Meza hii filii Basemath uxoris Esau
Ary izao no zanakalahin'i Oholibama, zanakavavin'i Ana, zanakavavin'i Zibona, vadin'i Esao: niteraka an'i Jeosy sy Jalama ary Kora tamin'i Esao izy.
isti quoque erant filii Oolibama filiae Ana filiae Sebeon uxoris Esau quos genuit ei Hieus et Hielom et Core
Izao no loham-pirenena tamin'ny taranak'i Esao: ny zanakalahin'i Elifaza, lahimatoan'i Esao, dia Temana loham-pireneny sy Omara loham-pireneny sy Zefo loham-pireneny sy Kenaza loham-pireneny
hii duces filiorum Esau filii Eliphaz primogeniti Esau dux Theman dux Omar dux Sephu dux Cenez
sy Kora loham-pireneny sy Gatama loham-pireneny ary Amaleka loham-pireneny. Ireo no loham-pireneny avy tamin'i Elifaza tany amin'ny tany Edoma; ireo no zanak'i Ada.
dux Core dux Gatham dux Amalech hii filii Eliphaz in terra Edom et hii filii Adae
Ary izao no zanakalahin'i Regoela, zanak'i Esao: Nahata loham-pireneny sy Zera loham-pireneny sy Sama loham-pireneny sy Miza loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena avy tamin'i Regoela tany amin'ny tany Edoma; ireo no zanak'i Basemata, vadin'i Esao.
hii quoque filii Rauhel filii Esau dux Naath dux Zara dux Semma dux Meza hii duces Rauhel in terra Edom isti filii Basemath uxoris Esau
Ary izao no zanakalahin'i Oholibama, vadin'i Esao: Jeosy loham-pireneny sy Jalama loham-pireneny sy Kora loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena avy tamin'i Oholibama, zanakavavin'i Ana, vadin'i Esao.
hii autem filii Oolibama uxoris Esau dux Hieus dux Hielom dux Core hii duces Oolibama filiae Ana uxoris Esau
Ireo no zanak'i Esao, izay atao hoe koa Edoma, ary ireo no loham-pireneny.
isti filii Esau et hii duces eorum ipse est Edom
Ary izao no zanakalahin'i Seïra Horita, izay nonina tany amin'ny tany: Lotana sy Sobala sy Zibona sy Ana
isti filii Seir Horrei habitatores terrae Lotham et Sobal et Sebeon et Anan
sy Disona sy Ezera ary Disana. Ireo no loham-pirenena tamin'ny Horita, dia ny taranak'i Seïra, tany amin'ny tany Edoma.
Dison et Eser et Disan hii duces Horrei filii Seir in terra Edom
Ary ny zanakalahin'i Lotana dia Hory sy Hemana; ary Timna no anabavin'i Lotana.
facti sunt autem filii Lotham Horrei et Heman erat autem soror Lotham Thamna
Ary izao no zanakalahin'i Sobala: Alvana sy Manahata sy Ebala sy Sefo ary Onama.
et isti filii Sobal Alvam et Maneeth et Hebal Sephi et Onam
Ary izao no zanakalahin'i Zibona: Aia sy Ana (izany Ana izany ilay nahita ny ranomafana tany an-efitra, raha niandry ny borikin'i Zibona rainy izy).
et hii filii Sebeon Ahaia et Anam iste est Ana qui invenit aquas calidas in solitudine cum pasceret asinos Sebeon patris sui
Ary izao no zanak'i Ana: Disona sy Oholibama, zanakavavin'i Ana.
habuitque filium Disan et filiam Oolibama
Ary izao no zanakalahin'i Disona: Hemdana sy Esbana sy Jitrana ary Kerana.
et isti filii Disan Amdan et Esban et Iethran et Charan
Ary izao no zanak'i Ezera: Bilana sy Zavana ary Akana.
hii quoque filii Eser Balaan et Zevan et Acham
Ary izao no zanak'i Disana: Oza sy Arana.
habuit autem filios Disan Hus et Aran
Ary izao no loham-pirenena tamin'ny Horita: Lotana loham-pireneny sy Sobala loham-pireneny sy Zibona loham-pireneny sy Ana loham-pireneny
isti duces Horreorum dux Lothan dux Sobal dux Sebeon dux Ana
sy Disona loham-pireneny sy Ezera loham-pireneny ary Disana loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena tamin'ny Horita, dia ny loham-pireneny tany amin'ny tany Seïra.
dux Dison dux Eser dux Disan isti duces Horreorum qui imperaverunt in terra Seir
Ary izao no mpanjaka izay nanjaka tany amin'ny tany Edoma, fony tsy mbola nisy mpanjaka nanjaka tamin'ny Zanak'Isiraely:
reges autem qui regnaverunt in terra Edom antequam haberent regem filii Israhel fuerunt hii
Nanjaka tany Edoma Bela, zanak'i Beora; ary Dinaba no anaran'ny tanànany.
Bale filius Beor nomenque urbis eius Denaba
Ary maty Bela, dia nanjaka nandimby azy Jobaba, zanak'i Zera avy tany Bozra.
mortuus est autem Bale et regnavit pro eo Iobab filius Zare de Bosra
Ary maty Jobaba, dia nanjaka nandimby azy Hosama avy tamin'ny tanin'ny Temanita.
cumque mortuus esset Iobab regnavit pro eo Husan de terra Themanorum
Ary maty Hosama, dia nanjaka nandimby azy Hadada, zanak'i Bedada, izay namely ny Midianita tany amin'ny tany Moaba; ary Avita no anaran'ny tanànany.
hoc quoque mortuo regnavit pro eo Adad filius Badadi qui percussit Madian in regione Moab et nomen urbis eius Ahuith
Ary maty Hadada, dia nanjaka nandimby azy Samla avy tany Masreka.
cumque mortuus esset Adad regnavit pro eo Semla de Maserecha
Ary maty Samla, dia nanjaka nandimby azy Saoly avy tany Rehobota eo amoron'ny Ony.
hoc quoque mortuo regnavit pro eo Saul de fluvio Rooboth
Ary maty Saoly, dia nanjaka nandimby azy Bala-hanana, zanak'i Akbora.
cumque et hic obisset successit in regnum Baalanam filius Achobor
Ary maty Bala-hanana, zanak'i Akbora; dia nanjaka nandimby azy Hadara; ary Pao no anaran'ny tanànany; ary ny anaran'ny vadiny dia Mehetabela, zanakavavin'i Matreda, zanakavavin'i Me-zahaba.
isto quoque mortuo regnavit pro eo Adad nomenque urbis eius Phau et appellabatur uxor illius Meezabel filia Matred filiae Mizaab
Ary izao no anaran'ny loham-pirenena tamin'ny taranak'i Esao, araka ny mpianakaviny, araka ny fonenany sy araka ny anarany: Timna loham-pireneny sy Alva loham-pireneny sy Jeteta loham-pireneny
haec ergo nomina Esau in cognationibus et locis et vocabulis suis dux Thamna dux Alva dux Ietheth
sy Oholibama loham-pireneny sy Elaha loham-pireneny sy Pinona loham-pireneny
dux Oolibama dux Ela dux Phinon
sy Kenaza loham-pireneny sy Temana loham-pireneny sy Mibzara loham-pireneny
dux Cenez dux Theman dux Mabsar
sy Magdiela loham-pireneny ary Irama loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena tamin'ny Edomita, araka ny fonenany, tany amin'ny taniny avy. Izany no Esao, rain'ny Edomita.
dux Mabdiel dux Iram hii duces Edom habitantes in terra imperii sui ipse est Esau pater Idumeorum