I Thessalonians 5

Fa ny amin'ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo,
But of the times and the seasons, brethren, ye have no need that I write unto you.
satria ianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin'ny alina ny andron'ny Tompo.
For yourselves know perfectly that the day of the Lord so cometh as a thief in the night.
Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian'ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.
For when they shall say, Peace and safety; then sudden destruction cometh upon them, as travail upon a woman with child; and they shall not escape.
Fa ianareo, ry rahalahy, tsy ao amin'ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany.
But ye, brethren, are not in darkness, that that day should overtake you as a thief.
Fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an'ny alina na an'ny maizina isika.
Ye are all the children of light, and the children of the day: we are not of the night, nor of darkness.
Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina ka hahonon-tena.
Therefore let us not sleep, as do others; but let us watch and be sober.
Fa izay matory dia matory amin'ny alina; ary izay mamo dia mamo amin'ny alina.
For they that sleep sleep in the night; and they that be drunken are drunken in the night.
Fa satria an'ny andro isika, dia aoka hahonon-tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha.
But let us, who are of the day, be sober, putting on the breastplate of faith and love; and for an helmet, the hope of salvation.
Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin'ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika,
For God hath not appointed us to wrath, but to obtain salvation by our Lord Jesus Christ,
Izay maty hamonjy antsika, mba hiara-belona aminy isika, na mahatsiaro na matory.
Who died for us, that, whether we wake or sleep, we should live together with him.
Koa mifananara sy mifampahatanjaha, tahaka ny ataonareo ihany.
Wherefore comfort yourselves together, and edify one another, even as also ye do.
Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin'ny Tompo ary mananatra anareo,
And we beseech you, brethren, to know them which labour among you, and are over you in the Lord, and admonish you;
ary mba hohajainareo indrindra amin'ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavàna tsara.
And to esteem them very highly in love for their work's sake. And be at peace among yourselves.
Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera amin'ny olona rehetra.
Now we exhort you, brethren, warn them that are unruly, comfort the feebleminded, support the weak, be patient toward all men.
Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin'ny namanareo na amin'ny olona rehetra.
See that none render evil for evil unto any man; but ever follow that which is good, both among yourselves, and to all men.
Mifalia mandrakariva.
Rejoice evermore.
Mivavaha, ka aza mitsahatra.
Pray without ceasing.
Misaora amin'ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy ho anareo.
In every thing give thanks: for this is the will of God in Christ Jesus concerning you.
Aza mamono ny Fanahy.
Quench not the Spirit.
Aza manao tsinontsinona ny faminaniana.
Despise not prophesyings.
Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara.
Prove all things; hold fast that which is good.
Fadio ny fanao ratsy rehetra.
Abstain from all appearance of evil.
Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika.
And the very God of peace sanctify you wholly; and I pray God your whole spirit and soul and body be preserved blameless unto the coming of our Lord Jesus Christ.
Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany.
Faithful is he that calleth you, who also will do it.
Ry rahalahy, mivavaha ho anay.
Brethren, pray for us.
Manaova veloma ny rahalahy rehetra amin'ny fanorohana masina.
Greet all the brethren with an holy kiss.
Mampianiana anareo amin'ny Tompo aho mba hovakina amin'ny rahalahy rehetra ity epistily ity.
I charge you by the Lord that this epistle be read unto all the holy brethren.
Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
The grace of our Lord Jesus Christ be with you. Amen. The first epistle unto the Thessalonians was written from Athens.