Judges 9

Ary Abimeleka, zanak'i Jerobala, dia nandeha nankany Sekema tany amin'ny anadahin-dreniny ka niresaka taminy sy tamin'izay rehetra isan'ny fianakavian-dreniny nanao hoe:
耶路巴力的儿子亚比米勒到了示剑见他的众母舅,对他们和他外祖全家的人说:
Mba mitenena ianareo eo anatrehan'ny mponina rehetra eto Sekema hoe: Iza no tsara ho anareo: ny hiarahan'izy fito-polo lahy zanak'i Jerobala manjaka aminareo va, sa ny hanjakan'ny lehilahy iray? Koa tsarovy fa taolanareo sy nofonareo aho.
「请你们问示剑的众人说,是耶路巴力的众子七十人都管理你们好呢?还是一人管理你们好呢?你们又要记念我是你们的骨肉。」
Ary ny anadahin-dreniny nilaza azy teo anatrehan'ny mponina rehetra tao Sekema ka nanao izany teny rehetra izany; koa ny fon'ireo dia ta-hanaraka an'i Abimeleka, fa hoy izy: Rahalahintsika izy.
他的众母舅便将这一切话为他说给示剑人听,示剑人的心就归向亚比米勒。他们说:「他原是我们的弟兄」;
Dia nomeny sekely volafotsy fito-polo avy tao an-tranon'i Bala-berita izy, ary nanambazan'i Abimeleka olom-poana sy marivo salosana izany, ka dia nanaraka azy ireo.
就从巴力比利土的庙中取了七十舍客勒银子给亚比米勒;亚比米勒用以雇了些匪徒跟随他。
Dia nankany an-tranon-drainy tany Ofra izy ka namono ny rahalahiny fito-polo lahy, zanak'i Jerobala, teo ambonin'ny vato iray; ary Jotama, faralahin'i Jerobala, no sisa velona. satria niery izy.
他往俄弗拉到他父亲的家,将他弟兄、耶路巴力的众子七十人都杀在一块磐石上;只剩下耶路巴力的小儿子约坦,因为他躲藏了。
Dia nivory ny mponina rehetra tao Sekema sy ny olona rehetra tao Milo ka nandeha nampanjaka an'i Abimeleka teo anilan'ny hazo terebinta, akaikin'ny tsangambato any Sekema.
示剑人和米罗人都一同聚集,往示剑橡树旁的柱子那里,立亚比米勒为王。
Ary nisy nilaza izany tamin'i Jotama, dia nandeha izy ka nitsangana teo an-tampon'ny tendrombohitra Gerizima, ary nanandratra ny feony ka niantso hoe: Mihainoa, ahy ianareo mponina ao Sekema mba hihainoan'Andriamanitra anareo kosa.
有人将这事告诉约坦,他就去站在基利心山顶上,向众人大声喊叫说:「示剑人哪,你们要听我的话, 神也就听你们的话。
Niainga, hono, ny hazo hanosotra mpanjaka hanjaka aminy; ka hoy izy tamin'ny oliva: Manjaka aminay ianao.
有一时树木要膏一树为王,管理他们,就去对橄榄树说:『请你作我们的王。』
Fa hoy ny oliva taminy: Ho foiko va ny diloiloko, izay ankalazan'ireny andriamanitra sy ny olona ahy, ka handeha hitsingevingevina erỳ ambony hazo aho?
橄榄树回答说:『我岂肯止住供奉神和尊重人的油,飘飖在众树之上呢?』
Ary hoy ny hazo tamin'ny aviavy: Avia ianao ka manjakà aminay.
树木对无花果树说:『请你来作我们的王。』
Dia hoy ny aviavy taminy: Ho foiko va ny fahamamiako sy ny vokatro tsara, ka handeha hitsingevingevina erỳ ambony hazo aho?
无花果树回答说:『我岂肯止住所结甜美的果子,飘飖在众树之上呢?』
Dia hoy ny hazo tamin'ny voaloboka: Avia ianao, ka manjakà aminay.
树木对葡萄树说:『请你来作我们的王。』
Fa hoy ny voaloboka taminy: Ho foiko va ny ranoko, izay mahafaly an'Andriamanitra sy ny olona, ka handeha hitsingevingevina erỳ ambony hazo aho?
葡萄树回答说:『我岂肯止住使神和人喜乐的新酒,飘飖在众树之上呢。』
Ary hoy ny hazo rehetra tamin'ny tsilo: Avia ianao, ka manjakà aminay.
众树对荆棘说:『请你来作我们的王。』
Fa hoy ny tsilo tamin'ny hazo: Raha hohosoranareo ho mpanjakanareo tokoa ary aho, dia avia ianareo ka mialofa ato amin'ny alokaloko; fa raha tsy izany, aoka hisy afo hivoaka avy amin'ny tsilo ka handevona ny sederan'i Libanona.
荆棘回答说:『你们若诚诚实实地膏我为王,就要投在我的荫下;不然,愿火从荆棘里出来,烧灭黎巴嫩的香柏树。』
Koa ankehitriny, raha marina sy mahitsy ny nataonareo tamin'ny nampanjakanareo an'i Abimeleka, ary raha soa no nataonareo tamin'i Jerobala sy ny taranany, ka novalianareo araka izay nataon'ny tànany izy
「现在你们立亚比米勒为王,若按诚实正直善待耶路巴力和他的全家,这就是酬他的劳。
(fa ny raiko niady ho anareo sady nanao ny ainy tsy ho zavatra ka namonjy anareo tamin'ny tanan'ny Midiana;
从前我父冒死为你们争战,救了你们脱离米甸人的手。
nefa ianareo kosa niodina tamin'ny taranaky ny raiko androany ka namono ny zanany fito-polo lahy teo ambonin'ny vato iray, ary Abimeleka, zanaky ny ankizivaviny, no nampanjakainareo tamin'ny mponina ao Sekema, satria rahalahinareo izy),
你们如今起来攻击我的父家,将他众子七十人杀在一块磐石上,又立他婢女所生的儿子亚比米勒为示剑人的王;他原是你们的弟兄。
koa raha marina sy mahitsy ny nataonareo androany tamin'i Jerobala sy ny zanany, dia mifalia amin'i Abimeleka ianareo, ary aoka izy kosa hifaly aminareo.
你们如今若按诚实正直待耶路巴力和他的家,就可因亚比米勒得欢乐,他也可因你们得欢乐;
Fa raha tsy izany kosa, dia aoka hisy afo hivoaka avy amin'i Abimeleka ka handevona ny mponina ao Sekema sy ny olona ao Milo; ary aoka koa hisy afo hivoaka avy amin'ny mponina ao Sekema sy ny olona ao Milo ka handevona an'i Abimeleka.
不然,愿火从亚比米勒发出,烧灭示剑人和米罗众人,又愿火从示剑人和米罗人中出来,烧灭亚比米勒。」
Dia riatra nandositra Jotama ka nankany Bera ary nitoetra teo mba hiery an'i Abimeleka rahalahiny.
约坦因怕他弟兄亚比米勒,就逃跑,来到比珥,住在那里。
Ary rehefa nanapaka telo taona tamin'ny Isiraely Abimeleka,
亚比米勒管理以色列人三年。
Andriamanitra dia naniraka fanahy ratsy tamin'i Abimeleka sy ny mponina tao Sekema; ary ny mponina tao Sekema dia nivadika nahafoy an'i Abimeleka,
 神使恶魔降在亚比米勒和示剑人中间,示剑人就以诡诈待亚比米勒。
mba hitsingerenan'ny loza natao tamin'ny namonoana ny zanak'i Jerobala fito-polo lahy ka hanody an'i Abimeleka rahalahiny izay namono azy, sy ny mponina tao Sekema, izay nampahery ny tànany hamono ny rahalahiny.
这是要叫耶路巴力七十个儿子所受的残害归与他们的哥哥亚比米勒,又叫那流他们血的罪归与帮助他杀弟兄的示剑人。
Ary nanaovan'ny mponina tao Sekema otrika tany an-tampon-tendrombohitra izy, dia nobaboin'ny otrika izay rehetra nandalo tamin'izany lalana izany; ary nolazaina tamin'i Abimeleka izany.
示剑人在山顶上设埋伏,等候亚比米勒。凡从他们那里经过的人,他们就抢夺。有人将这事告诉亚比米勒。
Dia tonga tao Gala, zanak'i Ebeda, sy ny rahalahiny ka nankany Sekema, ary ny mponina tao Sekema natoky azy.
以别的儿子迦勒和他的弟兄来到示剑,示剑人都信靠他。
Dia nivoaka ho any an-tsaha izy ka nioty ny voalobony ary nanosihosy azy, dia nanao fanati-piderana ka niditra tao an-tranon'ny andriamaniny izy, dia nihinana sy nisotro ary nanozona an'i Abimeleka.
示剑人出城到田间去,摘下葡萄,踹酒,设摆筵宴,进他们神的庙中吃喝,咒诅亚比米勒。
Ary hoy Gala, zanak'i Ebeda: Iza moa Abimeleka, ary iza moa Sekema, no hotompointsika? Tsy zanak'i Jerobala va izy? ary tsy Zebola va no lefiny? Manompoa ny taranak'i Hamora, rain'i Sekema; fa nahoana no hanompo io isika?
以别的儿子迦勒说:「亚比米勒是谁?示剑是谁?使我们服事他呢?他不是耶路巴力的儿子吗?他的帮手不是西布勒吗?你们可以服事示剑的父亲哈抹的后裔。我们为何服事亚比米勒呢?
Ary enga anie ka ho eo ambanin'ny tanako ireto olona ireto! dia hesoriko Abimeleka. Dia hoy izy tamin'i Abimeleka: Hamaroy ny miaramilanao ka mivoaha.
惟愿这民归我的手下,我就除掉亚比米勒。」迦勒又对亚比米勒说:「增添你的军兵出来吧。」
Ary rehefa ren'i Zebola, komandin'ny tanàna, ny tenin'i Gala, zanak'i Ebeda, dia nirehitra ny fahatezerany.
邑宰西布勒听见以别的儿子迦勒的话,就发怒,
Dia naniraka olona mangingina tany amin'i Abimeleka izy hanao hoe: Indro, Gala, zanak'i Ebeda, sy ny rahalahiny dia tonga ato Sekema; ary, indro, mandrendrika ny ato an-tanàna hiodina aminao izy.
悄悄地打发人去见亚比米勒,说:「以别的儿子迦勒和他的弟兄到了示剑,煽惑城中的民攻击你。
Koa ankehitriny, miaingà alina ianao sy ny vahoaka eo aminao, ka manotreha any an-tsaha.
现在你和跟随你的人今夜起来,在田间埋伏。
Ary raha maraina, raha vao miposaka ny masoandro, dia mifohaza maraina koa ianao, ka miroata hamely ny tanàna; ary, indro, raha mivoaka hiady aminao izy sy ny vahoaka eo aminy, dia ataovy aminy izay zakan'ny tananao.
到早晨太阳一出,你就起来闯城。迦勒和跟随他的人出来攻击你的时候,你便向他们见机而做。」
Dia niainga alina Abimeleka sy ny vahoaka rehetra teo aminy ka nanao otrika efa-toko tandrifin'i Sekema,
于是,亚比米勒和跟随他的众人夜间起来,分作四队,埋伏等候示剑人。
Dia nivoaka Gala, zanak'i Ebeda, ka nijanona teo anoloan'ny vavahadin'ny tanàna; dia niroatra avy tao ampanotrehana Abimeleka sy ny vahoaka teo aminy.
以别的儿子迦勒出去,站在城门口。亚比米勒和跟随他的人从埋伏之处起来。
Ary rehefa hitan'i Gala ny olona, dia hoy izy tamin'i Zebola: Indreo, misy olona midina avy eny an-tampon'ny tendrombohitra. Fa hoy Zebola taminy: Ny aloky ny tendrombohitra no hitanao ka toa olona.
迦勒看见那些人,就对西布勒说:「看哪,有人从山顶上下来了。」西布勒说:「你看见山的影子,以为是人。」
Dia niteny indray Gala ka nanao hoe: Indreo, misy olona eo amin'ny havoana, ary, indreo misy, antokony hafa mandeha amin'ny lalana eo amin'ny hazo terebinta Meonenima.
迦勒又说:「看哪,有人从高处下来,又有一队从米恶尼尼橡树的路上而来。」
Dia hoy Zebola taminy: Aiza ny vavanao izay niteny hoe: Iza moa Abimeleka, no hotompointsika? Tsy ireo va no olona izay nohamavoinao? Mivoaha ankehitriny ka miadia aminy.
西布勒对他说:「你曾说,亚比米勒是谁,叫我们服事他?你所夸的口在哪里呢?这不是你所藐视的民吗?你现在出去,与他们交战吧!」
Dia nivoaka teo anoloan'ny mponina tao Sekema Gala ka niady tamin'i Abimeleka.
于是迦勒率领示剑人出去,与亚比米勒交战。
Dia nanenjika azy Abimeleka, ary nandositra teo anoloany izy, ka maro ny faty niampatrampatra hatreny anoloan'ny vavahady aza.
亚比米勒追赶迦勒;迦勒在他面前逃跑,有许多受伤仆倒的,直到城门。
Ary Abimeleka nonina tany Aroma; ary Zebola nandroaka an'i Gala sy ny rahalahiny mba tsy honina any Sekema intsony.
亚比米勒住在亚鲁玛。西布勒赶出迦勒和他弟兄,不准他们住在示剑。
Ary nony ampitson'iny dia nivoaka ho ratsy any an-tsaha ny olona; ary nolazaina tamin'i Abimeleka izany,
次日,民出到田间,有人告诉亚比米勒;
Dia naka ny vahoaka izy ka nizara azy ho telo toko ary nanotrika tany an-tsaha; dia nijery izy, ka, indreo, ny olona nivoaka avy tao an-tanàna; dia nitsangana hiady aminy izy ka namely azy.
他就把他的人分作三队,埋伏在田间,看见示剑人从城里出来,就起来击杀他们。
Ary Abimeleka sy ny antokony izay teo aminy dia niroatra ka nitsangana teo anoloan'ny vavahadin-tanàna; ary ny roa toko kosa niroatra namely ny vahoaka rehetra tany an-tsaha ka namono azy.
亚比米勒和跟随他的一队向前闯去,站在城门口;那两队直闯到田间,击杀了众人。
Ary Abimeleka namely ny tanàna mandritra izany andro izany, dia nahafaka ny tanàna ka namono ny olona tao; ary noravany ny tanàna sady nofafazany sira.
亚比米勒整天攻打城,将城夺取,杀了其中的居民,将城拆毁,撒上了盐。
Ary nony nandre izany ny olona rehetra tao amin'ny tilikambo tao Sekema, dia niditra tao amin'ny efi-trano fierena tao an-tranon'i Berita andriamaniny izy.
示剑楼的人听见了,就躲入巴力比利土庙的卫所。
Ary nolazaina tamin'i Abimeleka fa tafangona tao amin'ny tilikambo tao Sekema ny olona rehetra.
有人告诉亚比米勒说:「示剑楼的人都聚在一处。」
Ary Abimeleka sy ny vahoaka teo aminy dia niakatra tany an-tendrombohitra Zalmona; ary Abimeleka nitondra famaky teny an-tànany, dia nikapa sampan-kazo, ka nobetainy izany, dia nolanjainy teny an-tsorony, ary hoy izy tamin'ny vahoaka teo aminy: Izay hitanareo ataoko, dia mba manaova faingana toy izany koa ianareo.
亚比米勒和跟随他的人就都上撒们山。亚比米勒手拿斧子,砍下一根树枝,扛在肩上,对跟随他的人说:「你们看我所行的,也当赶紧照样行。」
Koa samy nikapa sampan-kazo avy ny vahoaka rehetra ka nanaraka an'i Abimeleka, dia nametraka izany teo an-trano fiarovana ka nandoro azy tamin'ny afo, raha mbola tao ny olona, ka maty koa ny olona rehetra tao amin'ny tilikambo tao Sekema, na lehilahy na vehivavy, tokony ho arivo no isany.
众人就各砍一枝,跟随亚比米勒,把树枝堆在卫所的四围,放火烧了卫所,以致示剑楼的人都死了,男女约有一千。
Dia nandeha Abimeleka nankany Tebeza ary nitoby tandrifin'i Tebeza ka nahafaka azy.
亚比米勒到提备斯,向提备斯安营,就攻取了那城。
Fa nisy tilikambo mafy tao anatin'ny tanàna, ka nandositra tao ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy ary izay rehetra tao an-tanàna ka nihidy tao, dia niakatra teo an-tampon'ny tilikambo izy.
城中有一座坚固的楼;城里的众人,无论男女,都逃进楼去,关上门,上了楼顶。
Ary Abimeleka nankany amin'ny tilikambo ka namely azy, dia nanatona ny varavaran'ny tilikambo izy handoro azy amin'ny afo.
亚比米勒到了楼前攻打,挨近楼门,要用火焚烧。
Fa nisy vehivavy anankiray, nanjera vato fikosoham-bary tamin'ny lohan'i Abimeleka ka nahavaky ny karan-dohany.
有一个妇人把一块上磨石抛在亚比米勒的头上,打破了他的脑骨。
Dia nantsoin'i Abimeleka faingana ny zatovo, mpitondra ny fiadiany, ka hoy izy taminy: Tsoahy ny sabatrao, ka vonoy aho, mba tsy hanaovan'ny olona ahy hoe: Vehivavy no nahafaty azy. Dia namely azy miboroaka ilay zatovo, ka maty izy.
他就急忙喊叫拿他兵器的少年人,对他说:「拔出你的刀来,杀了我吧!免得人议论我说,他为一个妇人所杀。」于是少年人把他刺透,他就死了。
Ary rehefa hitan'ny lehilahy amin'ny Isiraely fa maty Abimeleka, dia samy lasa nandeha ho any amin'ny fonenany avy izy.
以色列人见亚比米勒死了,便各回自己的地方去了。
Izany no namalian'Andriamanitra ny ratsy nataon'i Abimeleka, izay efa nataony tamin'ny rainy tamin'ny namonoany ny rahalahiny fito-polo lahy.
这样, 神报应亚比米勒向他父亲所行的恶,就是杀了弟兄七十个人的恶。
Ary ny ratsy rehetra nataon'ny mponina tao Sekema dia natsingerin'Andriamanitra tamin'ny lohany avokoa, ka dia nihatra taminy ilay fanozonana nataon'i Jotama, zanak'i Jerobala.
示剑人的一切恶, 神也都报应在他们头上;耶路巴力的儿子约坦的咒诅归到他们身上了。