Genesis 10

ואלה תולדת בני נח שם חם ויפת ויולדו להם בנים אחר המבול׃
Ary izao no taranaky ny zanakalahin'i Noa, dia Sema sy Hama ary Jafeta: Samy niteraka zazalahy avy izy taorian'ny safo-drano.
בני יפת גמר ומגוג ומדי ויון ותבל ומשך ותירס׃
Ny zanakalahin'i Jafeta dia Gomera sy Magoga sy Maday sy Javana sy Tobala sy Maseka ary Tirasa.
ובני גמר אשכנז וריפת ותגרמה׃
Ary ny zanakalahin'i Gomera dia Askenaza sy Rifata ary Togarma.
ובני יון אלישה ותרשיש כתים ודדנים׃
Ary ny zanakalahin'i Javana dia Elisaha sy Tarsisy sy ny Kitima sy ny Dodanita.
מאלה נפרדו איי הגוים בארצתם איש ללשנו למשפחתם בגויהם׃
Avy tamin'ireo no niavakavahan'ny nosin'ny firenena tany amin'ny taniny, dia samy araka ny fiteniny avy, araka ny mpianakaviny avy, tamin'ny fireneny avy.
ובני חם כוש ומצרים ופוט וכנען׃
Ary ny zanakalahin'i Hama dia Kosy sy Mizraima sy Pota ary Kanana.
ובני כוש סבא וחוילה וסבתה ורעמה וסבתכא ובני רעמה שבא ודדן׃
Ary ny zanakalahin'i Kosy dia Seba sy Havila sy Sabta sy Ragama ary Sabteka; ary ny zanakalahin'i Ragama dia Seba sy Dedana.
וכוש ילד את נמרד הוא החל להיות גבר בארץ׃
Ary Kosy niteraka an'i Nimroda; izy no voalohany izay tonga olona mahery tambonin'ny tany.
הוא היה גבר ציד לפני יהוה על כן יאמר כנמרד גבור ציד לפני יהוה׃
Izy dia mpihaza mahery teo anatrehan'i Jehovah, ka izany no nanaovan'ny olona hoe: Tahaka an'i Nimroda, mpihaza mahery eo anatrehan'i Jehovah.
ותהי ראשית ממלכתו בבל וארך ואכד וכלנה בארץ שנער׃
Ary ny niandohan'ny fanjakany dia Babela sy Ereka sy Akada ary Kalne tany amin'ny tany Sinara.
מן הארץ ההוא יצא אשור ויבן את נינוה ואת רחבת עיר ואת כלח׃
Ary nivoaka avy tamin'izany tany izany izy ka nankany Asyria, dia nanorina an'i Ninive mbamin'i Rehobot-ira sy Kala
ואת רסן בין נינוה ובין כלח הוא העיר הגדלה׃
ary Resena teo anelanelan'i Ninive sy Kala, dia ilay tanàna lehibe izany.
ומצרים ילד את לודים ואת ענמים ואת להבים ואת נפתחים׃
Ary Mizraima niteraka ny Lodita sy ny Anamita sy ny Lehabita sy ny Naftohita
ואת פתרסים ואת כסלחים אשר יצאו משם פלשתים ואת כפתרים׃
sy ny Patrosita sy ny Kaslohita izay nihavian'ny Filistina ary ny Kaftorita.
וכנען ילד את צידן בכרו ואת חת׃
Ary Kanana niteraka an'i Sidona lahimatoany sy Heta,
ואת היבוסי ואת האמרי ואת הגרגשי׃
ary ny Jebosita , sy ny Amorita sy ny Girgasita
ואת החוי ואת הערקי ואת הסיני׃
sy ny Hivita sy ny Arkita sy ny Sinita
ואת הארודי ואת הצמרי ואת החמתי ואחר נפצו משפחות הכנעני׃
sy ny Arvadita sy ny Zemarita ary ny Hamatita; ary nony taoriana dia niely ny firenen'ny Kananita.
ויהי גבול הכנעני מצידן באכה גררה עד עזה באכה סדמה ועמרה ואדמה וצבים עד לשע׃
Ary ny fari-tanin'ny Kananita dia hatrany Sidona ka hatrany Gaza ao akaikin'i Gerara, ka hatrany Lesa ao akaikin'i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboima.
אלה בני חם למשפחתם ללשנתם בארצתם בגויהם׃
Ireo no zanak'i Hama, araka ny mpianakaviny, araka ny fiteniny, amin'ny taniny, amin'ny fireneny.
ולשם ילד גם הוא אבי כל בני עבר אחי יפת הגדול׃
Dia niteraka koa Sema, rain'ny zanak'i Ebera rehetra rahalahin'i Jafeta, izay zokiny.
בני שם עילם ואשור וארפכשד ולוד וארם׃
Ny zanakalahin'i Sema dia Elama sy Asyra sy Arpaksada sy Loda ary Arama.
ובני ארם עוץ וחול וגתר ומש׃
Ary ny zanakalahin'i Arama dia Oza sy Hola sy Gatera ary Masy.
וארפכשד ילד את שלח ושלח ילד את עבר׃
Ary Arpaksada niteraka an'i Sela; ary Sela niteraka an'i Ebera.
ולעבר ילד שני בנים שם האחד פלג כי בימיו נפלגה הארץ ושם אחיו יקטן׃
Ary Ebera niteraka roa lahy: ny anaran'ny iray natao hoe Palega, satria tamin'ny androny no nizarana ny tany; ary Joktana no anaran'ny rahalahiny.
ויקטן ילד את אלמודד ואת שלף ואת חצרמות ואת ירח׃
Ary Joktana niteraka an'i Almodada sy Salefa sy Hazarmaveta sy Jera
ואת הדורם ואת אוזל ואת דקלה׃
sy Hadorama sy Ozala sy Dikla
ואת עובל ואת אבימאל ואת שבא׃
sy Obala sy Abimaela sy Sheba
ואת אופר ואת חוילה ואת יובב כל אלה בני יקטן׃
sy Ofira sy Havila ary Jobaba; ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Joktana.
ויהי מושבם ממשא באכה ספרה הר הקדם׃
Ary ny fonenan'ireo dia hatrany Mesa ao akaikin'i Sefara, tendrombohitra atsinanana.
אלה בני שם למשפחתם ללשנתם בארצתם לגויהם׃
Ireo no zanak'i Sema, araka ny mpianakaviny, araka ny fiteniny, amin'ny taniny, araka ny fireneny.
אלה משפחת בני נח לתולדתם בגויהם ומאלה נפרדו הגוים בארץ אחר המבול׃
Ireo no mpianakavin'ny zanak'i Noa, araka ny taranany, amin'ny fireneny; ary avy tamin'ireo no niavakavahan'ny firenena tambonin'ny tany taorian'ny safo-drano.