Psalms 66

(一篇诗歌,交与伶长。)全地都当向 神欢呼!
Ho an'ny mpiventy hira. Tonon-kira. Salamo. Mihobia ho an'Andriamanitra, ry tany rehetra;
歌颂他名的荣耀!用讚美的言语将他的荣耀发明!
Mankalazà ny voninahitry ny anarany; omeo voninahitra Izy ho fiderana Azy.
当对 神说:你的作为何等可畏!因你的大能,仇敌要投降你。
Lazao amin'Andriamanitra hoe: endrey, mahatahotra ny asanao! ny fahalehibiazan'ny herinao no hikoizan'ny fahavalonao Anao.
全地要敬拜你,歌颂你,要歌颂你的名。(细拉)
Ny tany rehetra hiankohoka eo anatrehanao ka hankalaza Anao; eny, hankalaza ny anaranao izy.
你们来看 神所行的,他向世人所做之事是可畏的。
Avia, ka jereo ny asan'Andriamanitra, mahatahotra ny zavatra ataony amin'ny zanak'olombelona.
他将海变成干地,众民步行过河;我们在那里因他欢喜。
Efa nampody ny ranomasina ho tany maina Izy; nandeha an-tongotra nita ny ony ny olona; tao no nifaliantsika tamin'Andriamanitra.
他用权能治理万民,直到永远。他的眼睛鉴察列邦;悖逆的人不可自高。(细拉)
Manjaka mandrakizay amin'ny heriny Izy, ary ny masony mandinika ny firenen-tsamy hafa; aoka tsy hanandra-tena ny maditra.
万民哪,你们当称颂我们的 神,使人得听讚美他的声音。
Misaora an'Andriamanitsika, ry firenena; ary asandrato ny feo fiderana Azy,
他使我们的性命存活,也不叫我们的脚摇动。
Izay mampitoetra ny fanahintsika amin'ny fiainana ka tsy mamela ny tongotsika hangozohozo.
 神啊,你曾试验我们,熬炼我们,如熬炼银子一样。
Fa efa nizaha toetra anay Hianao, Andriamanitra ô; efa nanadio anay Hianao, tahaka ny fanadio volafotsy amin'ny memy.
你使我们进入网罗,把重担放在我们的身上。
Efa nampiditra anay tamin'ny fandrika Hianao; efa nanisy enta-mavesatra teo am-balahanay Hianao.
你使人坐车轧我们的头;我们经过水火,你却使我们到丰富之地。
Efa nampandeha ny olona hanitsaka ny lohanay Hianao; nandeha namaky ny afo sy ny rano izahay; fa nitondra anay nivoaka ho amin'ny fitahiana mahatretrika Hianao.
我要用燔祭进你的殿,向你还我的愿,
Hiditra ao an-tranonao mitondra fanatitra dorana aho; hefaiko aminao ny voadiko,
就是在急难时我嘴唇所发的、口中所许的。
Izay notononin'ny molotro sy naloaky ny vavako, fony aho azom-pahoriana.
我要把肥牛作燔祭,将公羊的香祭献给你,又把公牛和山羊献上。(细拉)
Hateriko aminao ho fanatitra dorana ny matavy mbamin'ny setroky ny ondrilahy; hanatitra omby sy osilahy aho.
凡敬畏 神的人,你们都来听!我要述说他为我所行的事。
Avia, mihainoa ianareo rehetra izay matahotra an'Andriamanitra, fa holazaiko izay nataony ho an'ny fanahiko.
我曾用口求告他;我的舌头也称他为高。
Izy no nantsoin'ny vavako; ary ny fanandratana Azy no teo ambanin'ny lelako.
我若心里注重罪孽,主必不听。
Raha nankasitraka ota tao am-poko aho, dia tsy mba hihaino ny Tompo;
但 神实在听见了;他侧耳听了我祷告的声音。
Kanefa efa nihaino tokoa Andriamanitra; efa nihaino ny feon'ny fivavako Izy.
 神是应当称颂的!他并没有推却我的祷告,也没有叫他的慈爱离开我。
Isorana anie Andriamanitra, izay tsy nandà ny fivavako, na nanaisotra ny famindram-pony tamiko.