Joshua 19

为西缅支派的人,按著宗族,拈出第二阄。他们所得的地业是在犹大人地业中间。
Ary ny loka faharoa dia azon'i Simeona, dia ny firenena taranak'i Simeona isam-pokony; ary ny lovany dia tao anatin'ny lovan'ny taranak'i Joda.
他们所得为业之地就是:别是巴(或名示巴)、摩拉大、
Ary izao no azony ho lovany: Beri-sheba, na Seba, sy Molada
哈萨‧书亚、巴拉、以森、
sy Hazara-soala sy Bala sy Azema
伊利多拉、比土力、何珥玛、
sy Eltolada sy Betola sy Horma
洗革拉、伯‧玛加博、哈萨苏撒、
sy Ziklaga sy Beti-markabota sy Hazara-sosa
伯‧利巴勿、沙鲁险,共十三座城,还有属城的村庄;
sy Beti-lebaota ary Sarohena: tanàna telo ambin'ny folo sy ny zana-bohiny;
又有亚因、利门、以帖、亚珊,共四座城,还有属城的村庄;
sy Aina sy Rimona sy Etera sy Asana: tanàna efatra sy ny zana-bohiny;
并有这些城邑四围一切的村庄,直到巴拉‧比珥,就是南地的拉玛。这是西缅支派按著宗族所得的地业。
ary ny zana-bohitra rehetra manodidina ireo tanàna ireo hatrany Baleta-bera sy Rama amin'ny tany atsimo. Izany no lovan'ny firenena taranak'i Simeona araka ny fotony.
西缅人的地业是从犹大人地业中得来的;因为犹大人的分过多,所以西缅人在他们的地业中得了地业。
Avy tamin'ny anjaran'ny taranak'i Joda no nahazoan'ny taranak'i Simeona ny lovany; fa nalalaka loatra taminy ny anjaran'ny taranak'i Joda, ka izany no nahazoan'ny taranak'i Simeona anjara tao anatin'ny azy.
为西布伦人,按著宗族,拈出第三阄。他们地业的境界是到撒立;
Ary ny loka fahatelo dia azon'ny taranak'i Zebolona isam-pokony; ary ny faritanin'ny lovany dia hatrany Sarida,
往西上到玛拉拉,达到大巴设,又达到约念前的河;
dia niakatra niankandrefana hatrany Marala, dia nahazo an'i Dabeseta ka nihatra tamin'ny lohasahan-driaka tandrifin'i Jokneama,
又从撒立往东转向日出之地,到吉斯绿‧他泊的境界,又通到大比拉,上到雅非亚;
dia nitodika niantsinanana hatrany Sarida ka hatramin'ny fari-tanin'i Rislota-tabara, dia nandroso hatrany Daberata ka niakatra hatrany Jafia,
从那里往东,接连到迦特‧希弗,至以特‧加汛,通到临门,临门延到尼亚;
dia nandroso niantsinanana hatrany Gata-hefera sy Ita-kazina ka nandroso hatrany Rimona, izay mipaka an'i Nea,
又绕过尼亚的北边,转到哈拿顿,通到伊弗他‧伊勒谷。
dia niolaka eo avaratr'iny ka nahazo an'i Hanatona, dia nihatra tamin'ny lohasaha Jifta-ela.
还有加他、拿哈拉、伸崙、以大拉、伯利恒,共十二座城,还有属城的村庄。
Ary Katata sy Nahalola sy Simrona sy Idala sy Betlehema, dia tanàna roa ambin'ny folo sy ny zana-bohiny.
这些城并属城的村庄就是西布伦人按著宗族所得的地业。
Izany no lovan'ny taranak'i Zebolona araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
为以萨迦人,按著宗族,拈出第四阄。
Ary ny loka fahefatra dia azon'Isakara, dia ny taranak'Isakara isam-pokony.
他们的境界是到耶斯列、基苏律、书念、
Ary ny fari-taniny dia hatrany Jezirela sy Kesolota sy Sonema
哈弗连、示按、亚拿哈拉、
sy Hafraima sy Siona sy Anaharata
拉璧、基善、亚别、
sy Rabita sy Kisiona sy Abeza
利篾、隐‧干宁、隐哈大、伯帕薛;
sy Rameta sy Enganima sy Enhada ary Beti-pazeza.
又达到他泊、沙哈洗玛、伯‧示麦,直通到约旦河为止,共十六座城,还有属城的村庄。
Ary ny fari-taniny dia nahazo an'i Tabara sy Sahazoma sy Beti-semesy, ka dia nihatra tany Jordana: tanàna enina ambin'ny folo sy ny zana-bohiny.
这些城并属城的村庄就是以萨迦支派按著宗族所得的地业。
Izany no lovan'ny firenena taranak'Isakara araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
为亚设支派,按著宗族,拈出第五阄。
Ary ny loka fahadimy dia azon'ny firenena taranak'i Asera isam-pokony.
他们的境界是黑甲、哈利、比田、押煞、
Ary ny fari-taniny dia Helkata sy Haly sy Batena sy Aksafa
亚拉米勒、亚末、米沙勒;往西达到迦密,又到希曷‧立纳,
sy Alameleka sy Amada sy Misala, dia nihatra any Karmela eo andrefana sy Sihora-libnata,
转向日出之地,到伯‧大衮,达到细步纶往北到伊弗他‧伊勒谷,到伯‧以墨和尼业,也通到迦步勒的左边;
dia nitodika niantsinanana ho any Beti-dagona ka nihatra any Zebolona sy ny lohasaha Jifta-ela any avaratra sy Bet-emeka sy Neiela, ka dia nihatra any Kabola eo ankavia
又到义伯崙、利合、哈们、加拿,直到西顿大城;
ary Ebrona sy Rehoba sy Hamona sy Kana ka hatrany Sidona lehibe,
转到拉玛和坚固城泰尔;又转到何萨,靠近亚革悉一带地方,直通到海;
dia nitodika hatrany Rama sy Tyro, tanàna mimanda, dia nitodika hatrany Hosa, ka dia nihatra tamin'ny ranomasina teo akaikin'ny tany Akziba
又有乌玛、亚弗、利合,共二十二座城,还有属城的村庄。
ary Oma sy Afeka ary Rehoba: tanàna roa amby roa-polo sy ny zana-bohiny.
这些城并属城的村庄就是亚设支派按著宗族所得的地业。
Izany no lovan'ny firenena taranak'i Asera araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
为拿弗他利人,按著宗族,拈出第六阄。
Ary ny loka fahenina dia an'ny taranak'i Naftaly isam-pokony.
他们的境界是从希利弗从撒拿音的橡树,从亚大米‧尼吉和雅比聂,直到拉共,通到约旦河;
Ary ny fari-taniny dia hatrany Halefa ka hatramin'ny hazo terebinta ao Zananima sy hatrany Adami-hanekeba sy Jabniela ka hatrany Lakoma, ka dia nihatra an'i Jordana,
又转向西到亚斯纳‧他泊,从那里通到户割,南边到西布伦,西边到亚设,又向日出之地,达到约旦河那里的犹大。
dia nitodika niankandrefana hatrany Aznota-tabara, dia nandroso hatrany Hokoka ary nihatra an'i Zebolona eo atsimo sy Asera eo andrefana ary Joda amoron'i Jordana eo atsinanana.
坚固的城就是:西丁、侧耳、哈末、拉甲、基尼烈、
Ary ny tanàna mimanda dia Zidima Zera sy Hamata sy Rakata sy Kinereta
亚大玛、拉玛、夏琐、
sy Adama sy Rama sy Hazora
基低斯、以得来、隐‧夏琐、
sy Kadesy sy Edrehy sy En-hazora
以利稳、密大‧伊勒、和琏、伯亚纳、伯‧示麦,共十九座城,还有属城的村庄。
sy Irona sy Migda ela sy Horema sy Bet-anata ary Beti-semesy: tanàna sivy ambin'ny folo sy ny zana-bohiny.
这些城并属城的村庄就是拿弗他利支派按著宗族所得的地业。
Izany no lovan'ny firenena taranak'i Naftaly araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
为但支派,按著宗族,拈出第七阄。
Ary ny loka fahafito dia an'ny firenena taranak'i Dana isam-pokony.
他们地业的境界是琐拉、以实陶、伊珥‧示麦、
Ary ny fari-tanin'ny lovany dia Zora sy Estaola sy Ira-semesy
沙拉宾、亚雅崙、伊提拉、
sy Salabima sy Aialona sy Jitla
以伦、亭拿他、以革伦、
sy Elona sy Timna sy Ekrona
伊利提基、基比顿、巴拉、
sy Elteke sy Gibetona sy Baleta
伊胡得、比尼‧比拉、迦特‧临门、
sy Jehoda sy Bene-beraka sy Gat-rimona
美‧耶昆、拉昆,并约帕对面的地界。
sy Me-jarkona sy Rakona ary ny tany tandrifin'i Jopa.
但人的地界越过原得的地界;因为但人上去攻取利善,用刀击杀城中的人,得了那城,住在其中,以他们先祖但的名将利善改名为但。
Ary ny fari-tanin'ny taranak'i Dana dia nandroso nihoatra ireo; fa niakatra ny taranak'i Dana, dia niady tamin'i Lesema ka nahafaka azy ary namely azy tamin'ny lelan-tsabatra ka nahazo azy, dia nitoetra teo; ary ny anaran'i Lesema nataony hoe Dana araka ny anaran'i Dana rainy.
这些城并属城的村庄就是但支派按著宗族所得的地业。
Izany no lovan'ny firenena taranak'i Dana araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
以色列人按著境界分完了地业,就在他们中间将地给嫩的儿子约书亚为业,
Dia vitany ny nizarana ny tany holovany araka ny fari-taniny, ka dia nomen'ny Zanak'Isiraely lova teo aminy koa Josoa, zanak'i Nona.
是照耶和华的吩咐,将约书亚所求的城,就是以法莲山地的亭拿‧西拉城,给了他。他就修那城,住在其中。
Araka ny tenin'i Jehovah dia nomeny azy ny tanàna izay nangatahiny, dia Timnata-sera any amin'ny tany havoan'i Efraima: dia nanamboatra ny tanàna izy ka nitoetra tao.
这就是祭司以利亚撒和嫩的儿子约书亚,并以色列各支派的族长,在示罗会幕门口,耶和华面前,拈阄所分的地业。这样,他们把地分完了。
Ireo no lova izay nozarain'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely tao Silo teo anatrehan'i Jehovah, dia teo am-baravaran'ny trano-lay fihaonana, araka ny filokana. Dia vitany avokoa ny nizarany ny tany.