Joshua 18

以色列的全会众都聚集在示罗,把会幕设立在那里,那地已经被他们制伏了。
Dia nivory tao Silo ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka nanangana ny trano-lay fihaonana tao. Ary ny tany dia resy teo anoloany.
以色列人中其余的七个支派还没有分给他们地业。
Ary nisy firenena fito tamin'ny Zanak'Isiraely tsy mbola nahazo ny lovany.
约书亚对以色列人说:「耶和华─你们列祖的 神所赐给你们的地,你们耽延不去得,要到几时呢?
Dia hoy Josoa tamin'ny Zanak'Isiraely: Mandra-pahoviana no hiahotrahoranareo tsy hiditra handova ny tany, izay omen'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anareo ?
你们每支派当选举三个人,我要打发他们去,他们就要起身走遍那地,按著各支派应得的地业写明(或作:画图),就回到我这里来。
Mandoava telo lahy avy isam-pirenena, dia haniraka azy aho, ary hiainga izy ka handeha hitety ny tany ka hanoratra azy araka ny ho lovany, dia hiverina atỳ amiko.
他们要将地分做七分;犹大仍在南方,住在他的境内。约瑟家仍在北方,住在他的境内。
Ary hizafa azy ho fito toko izy; ny Joda hitoetra any amin'ny taniny ao atsimo, ary ny taranak'i Josefa hitoetra any amin'ny taniny ao avaratra.
你们要将地分做七分,写明了拿到我这里来。我要在耶和华─我们 神面前,为你们拈阄。
Ary soratinareo ny tany ka ataovy fito toko; ary ento atỳ amiko ny soratra, dia hanao filokana ho anareo eto anatrehan'i Jehovah Andriamanitsika aho.
利未人在你们中间没有分,因为供耶和华祭司的职任就是他们的产业。迦得支派、流便支派,和玛拿西半支派已经在约旦河东得了地业,就是耶和华仆人摩西所给他们的。」
Fa tsy mba manana anjara eo aminareo ny Levita; fa ny fisoronana amin'i Jehovah no lovany; ary Gada sy Robena sy ny antsasaky ny firenen'i Manase efa nahazo ny lovany any an-dafy atsinanan'i Jordana, izay nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, azy.
划地势的人起身去的时候,约书亚嘱咐他们说:「你们去走遍那地,划明地势,就回到我这里来。我要在示罗这里,耶和华面前,为你们拈阄。」
Dia niainga ireo lehilahy ireo ka nandeha; ary Josoa nandidy izay nandeha hanoratra ny tany ka nanao hoe: Mandehana nitety ny tany, ka soraty izy, dia miverena atỳ amiko, ka eto Silo no hanaovako filokana ho anareo eo anatrehan'i Jehovah.
他们就去了,走遍那地,按著城邑分做七分,写在册子上,回到示罗营中见约书亚。
Dia lasa ireo lehilahy ireo ka nandeha nitety ny tany, dia nanoratra azy tamin'ny taratasy, ka nataony fito toko, araka ny tanàna, ary dia tafaverina tany amin'i Josoa tao an-toby tao Silo izy.
约书亚就在示罗,耶和华面前,为他们拈阄。约书亚在那里,按著以色列人的支派,将地分给他们。
Ary Josoa dia nanao filokana ho azy tao Silo teo anatrehan'i Jehovah; ary tao no nizaran'i Josoa ny tany ho an'ny Zanak'Isiraely araka ny fizarany.
便雅悯支派,按著宗族拈阄所得之地,是在犹大、约瑟子孙中间。
Dia nahazo ny loka ny firenena taranak'i Benjamina isam-pokony; ary ny faritry ny tany azony dia teo anelanelan'ny taranak'i Joda sy ny taranak'i Josefa.
他们的北界是从约旦河起,往上贴近耶利哥的北边;又往西通过山地,直到伯‧亚文的旷野;
Ary ny fari-taniny amin'ny lafiny avaratra dia hatrany Jordana ka niakatra hatramin'ny ilan'i Jeriko amin'ny avaratra, dia niakatra niankandrefana nahazo ny tany havoana, ka dia nihatra tamin'ny efitr'i Betavena,
从那里往南接连到路斯,贴近路斯(路斯就是伯特利),又下到亚他绿‧亚达,靠近下伯‧和崙南边的山;
hatreo dia nandroso hatrany Lozy, hatramin'ny ilany atsimon'i Lozy (Betela izany), dia nidina hatrany Atarot-adara ao amin'ny tendrombohitra atsimon'i Beti-horona ambany,
从那里往西,又转向南,从伯‧和崙南对面的山,直达到犹大人的城基列‧巴力(基列‧巴力就是基列‧耶琳);这是西界。
dia niolaka tamin'ny lafiny andrefana ka nianatsimo hatramin'ny tendrombohitra izay eo anoloan'i Beti-horona eo atsimo, ka dia nihatra any Kiriata-bala (Kiriata-jearima izany), tanànan'ny taranak'i Joda; izany no lafiny andrefana.
南界是从基列‧耶琳的尽边起,往西达到尼弗多亚的水源;
Ary ny lafiny atsimo dia hatramin'ny faran'i Kiriata-jearima; ary ny fari-tany dia nandroso niankandrefana ka nihatra tamin'ny loharanon'i Neftoa,
又下到欣嫩子谷对面山的尽边,就是利乏音谷北边的山;又下到欣嫩谷,贴近耶布斯的南边;又下到隐‧罗结;
dia nidina hatramin'ny faran'ny tendrombohitra, izay tandrifin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinoma, eo amin'ny Lohasahan'ny Refaita eo avaratra, ka nidina hatramin'ny lohasahan'i Hinoma, hatramin'ny ilany atsimon'ny Jebosita, ka nidina hatrany En-rogela,
又往北通到隐‧示麦,达到亚都冥坡对面的基利绿;又下到流便之子波罕的磐石;
dia nizotra avy any avaratra ka nandroso hatrany En-semesy sy Gelilota, izay tandrifin'ny fiakarana Adomima, ka nidina hatramin'ny vaton'i Bohana, zanak'i Robena,
又接连到亚拉巴对面,往北下到亚拉巴;
dia nandroso hatramin'ny ilany avaratra tandrifin'ny tani-hay ka nidina hatrany amin'ny tani-hay.
又接连到伯‧曷拉的北边,直通到盐海的北汊,就是约旦河的南头;这是南界。
dia nandroso hatramin'ny ilany avaratr'i Beti-hogla, ka dia nihatra tamin'ny helo-drano avaratra amin'ny Ranomasin-tsira, eo amin'ny farany atsimo amin'i Jordana; izany no lafiny atsimo.
东界是约旦河。这是便雅悯人按著宗族,照他们四围的交界所得的地业。
Ary Jordana no fari-taniny atsinanana. Izany no lovan'ny taranak'i Benjamina amin'ny fari-taniny manodidina araka ny fokony.
便雅悯支派按著宗族所得的城邑就是:耶利哥、伯‧曷拉、伊麦‧基悉、
Ary ny tanànan'ny firenena taranak'i Benjamina araka ny fokony dia Jeriko sy Beti-hogla ary ny lohasahan'i Keziza
伯‧亚拉巴、洗玛脸、伯特利、
sy Bet-arabà sy Zemaraima sy Betela
亚文、巴拉、俄弗拉、
sy Avima sy Para sy Ofra
基法‧阿摩尼、俄弗尼、迦巴,共十二座城,还有属城的村庄;
sy Kefara-hamony sy Ofny sy Geba: tanàna roa ambin'ny folo sy ny zana-bohiny;
又有基遍、拉玛、比录、
sy Gibeona sy Rama sy Berota
米斯巴、基非拉、摩撒、
sy Mizpa sy Kefira sy Moza
利坚、伊利毘勒、他拉拉、
sy Rekema sy Iripela sy Tarala
洗拉、以利弗、耶布斯(耶布斯就是耶路撒冷)、基比亚、基列,共十四座城,还有属城的村庄。这是便雅悯人按著宗族所得的地业。
sy Zela sy Elefa sy ny Jebosita (Jerosalema izany) sy Gibea sy Kiriata: tanàna efatra ambin'ny folo sy ny zana-bohiny. Izany no lovan'ny taranak'i Benjamina araka ny fokony.