I Corinthians 10

弟兄们,我不愿意你们不晓得,我们的祖宗从前都在云下,都从海中经过,
Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa ny razantsika rehetra dia tambanin'ny rahona, ary izy rehetra namaky ny ranomasina,
都在云里、海里受洗归了摩西;
ary izy rehetra dia natao batisa ho amin'i Mosesy tao amin'ny rahona sy ny ranomasina,
并且都吃了一样的灵食,
ary izy rehetra nihinana ny fihinam-panahy iray ihany,
也都喝了一样的灵水。所喝的,是出于随著他们的灵磐石;那磐石就是基督。
ary izy rehetra nisotro ny fisotrom-panahy iray ihany; fa nisotro tamin'ny vatolampy fanahy izay nanaraka azy izy, ary Kristy izany vatolampy izany.
但他们中间多半是 神不喜欢的人,所以在旷野倒毙。
Nefa ny ankabiazany dia tsy sitrak'Andriamanitra, fa naringana tany an-efitra.
这些事都是我们的鑑戒,叫我们不要贪恋恶事,像他们那样贪恋的;
Ary izany zavatra izany dia tonga anatra ho antsika, mba tsy ho mpila zava-dratsy isika toy ny nilan'ireny.
也不要拜偶像,像他们有人拜的。如经上所记:百姓坐下吃喝,起来玩耍。
Ary aoka tsy ho mpanompo sampy ianareo tahaka ny sasany amin'ireny, araka ny voasoratra hoe: Ny olona nipetraka hihinana sy hisotro, dia nitsangana hilalao (Eks. 32. 6).
我们也不要行奸淫,像他们有人行的,一天就倒毙了二万三千人;
Ary aoka tsy hijangajanga isika tahaka ny sasany tamin'ireny, ka telo arivo amby roa alina no ringana indray andro.
也不要试探主(有古卷:基督),像他们有人试探的,就被蛇所灭。
Ary aoka tsy haka fanahy ny Tompo isika, tahaka ny nakan'ny sasany tamin'ireny fanahy Azy, ka matin'ny menarana ireny.
你们也不要发怨言,像他们有发怨言的,就被灭命的所灭。
Ary aoka tsy himonomonona ianareo tahaka ny sasany tamin'ireny, izay matin'ny mpandringana.
他们遭遇这些事,都要作为鑑戒;并且写在经上,正是警戒我们这末世的人。
Ary izany dia nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan'ny faran'izao tontolo izao.
所以,自己以为站得稳的,须要谨慎,免得跌倒。
Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo.
你们所遇见的试探,无非是人所能受的。 神是信实的,必不叫你们受试探过于所能受的;在受试探的时候,总要给你们开一条出路,叫你们能忍受得住。
Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan'ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.
我所亲爱的弟兄啊,你们要逃避拜偶像的事。
Koa amin'izany, ry malala, mandosira ny fanompoan-tsampy.
我好像对明白人说的,你们要审察我的话。
Miteny toy ny amin'ny olo-manan-tsaina aho; heveronareo izay lazaiko.
我们所祝福的杯,岂不是同领基督的血吗?我们所擘开的饼,岂不是同领基督的身体吗?
Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin'ny ran'i Kristy va izany? Ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin'ny tenan'i Kristy va izany?
我们虽多,仍是一个饼,一个身体,因为我们都是分受这一个饼。
Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany isika na dia maro aza; fa isika rehetra dia samy mandray amin'izany mofo iray izany avokoa.
你们看属肉体的以色列人,那吃祭物的岂不是在祭坛上有分吗?
Indreo ny Isiraely araka ny nofo; moa izay mihinana ny fanatitra tsy mpiombona amin'ny alitara va?
我是怎么说呢?岂是说祭偶像之物算得什么呢?或说偶像算得什么呢?
Inona ary no holazaiko? Mety ho zavatra va ny hena aterina amin'ny sampy, na mety ho zavatra va ny sampy?
我乃是说,外邦人所献的祭是祭鬼,不是祭 神。我不愿意你们与鬼相交。
Tsia, fa izay zavatra aterin'ny jentilisa ho fanatitra, dia ateriny amin'ny demonia, fa tsy amin'Andriamanitra (Deo. 32. 17); koa tsy tiako ho mpiombona amin'ny demonia ianareo.
你们不能喝主的杯又喝鬼的杯,不能吃主的筵席又吃鬼的筵席。
Tsy mahazo misotro amin'ny kapoaky ny Tompo sy ny kapoaky ny demonia ianareo; tsy mahazo mihinana amin'ny latabatry ny Tompo sy ny latabatry ny demonia ianareo.
我们可惹主的愤恨吗?我们比他还有能力吗?
Mampahasaro-piaro ny Tompo va isika? Mahery noho Izy va isika?
凡事都可行,但不都有益处。凡事都可行,但不都造就人。
Ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa; ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso.
无论何人,不要求自己的益处,乃要求别人的益处。
Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany.
凡市上所卖的,你们只管吃,不要为良心的缘故问什么话,
Izay hena rehetra amidy eny an-tsena dia hano, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana;
因为地和其中所充满的都属乎主。
fa an'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy (Sal. 24. 1).
倘有一个不信的人请你们赴席,你们若愿意去,凡摆在你们面前的,只管吃,不要为良心的缘故问什么话。
Ary raha misy amin'ny tsy mino manasa anareo, ka ta-handeha ianareo, dia hano izay arosony eo anoloanareo, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana.
若有人对你们说:这是献过祭的物,就要为那告诉你们的人,并为良心的缘故不吃。
Fa raha misy manao aminareo hoe: Hena naterina tamin'ny sampy io, dia aza homana noho ny amin'ilay nilaza sy ny fieritreretana.
我说的良心不是你的,乃是他的。我这自由为什么被别人的良心论断呢?
Fieritreretana, hoy izaho, tsy ny an'ny tenanano, fa ny an'ny olon-kafa; fa nahoana ny fahafahako no dia tsarain'ny fieritreretan'ny olon-kafa?
我若谢恩而吃,为什么因我谢恩的物被人毁谤呢?
Fa raha amin'ny fisaorana no andraisako izany, nahoana aho no tenenina ratsy amin'izay anaovako fisaorana?
所以,你们或吃或喝,无论做什么,都要为荣耀 神而行。
Koa amin'izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr'Andriamanitra izany rehetra izany.
不拘是犹太人,是希腊人,是 神的教会,你们都不要使他跌倒;
Aza manao izay hahatafintohina ny Jiosy na ny jentilisa na ny fiangonan'Andriamanitra,
就好像我凡事都叫众人喜欢,不求自己的益处,只求众人的益处,叫他们得救。
dia tahaka ahy koa manao izay hahafinaritra ny olona rehetra amin'ny zavatra rehetra ka tsy mitady ny mahasoa ahy ihany, fa ny mahasoa ny maro mba hovonjena izy.