Luke 18

Na ka korero ia i tetahi kupu whakarite ki a ratou mo tenei, kia inoi ratou i nga wa katoa, kia kaua e ngoikore;
Ary Jesosy nilaza fanoharana taminy, fa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy reraka,
I mea ia, I tetahi pa tera tetahi kaiwhakawa, he tangata kihai nei i wehi ki te Atua, kihai ano i hopohopo ki te tangata:
dia nanao hoe: Nisy mpitsara tao an-tanàna anankiray, izay tsy natahotra an'Andriamanitra, na mena-maso olona.
I taua pa ano tetahi pouaru; a ka haere mai tera ki a ia, ka mea, Takitakina toku mate i toku hoa tauwhainga.
Ary nisy mpitondratena tao amin'izany tanàna izany, izay nankao aminy matetika ka nanao hoe: Omeo rariny aho amin'ilay manana ady amiko.
A he roa kihai ia i pai: muri iho ka mea ia i roto i a ia, Ahakoa kahore ahau e wehi ki te Atua, e hopohopo ki te tangata:
Ary tsy nanaiky izy aloha; fa rehefa afaka izany, dia nanao anakampo hoe izy: Na dia tsy matahotra an'Andriamanitra aza aho sady tsy mena-maso olona,
Heoi ka porearea ahau i te pouaru nei, na ka takitakina e ahau tona mate, kei haere tonu mai ka mate ahau i te hoha.
mba homeko rariny ihany io mpitondratena io, fa manahirana ahy izy, fandrao ho avy mandrakariva izy ka hampahasosotra ahy.
Ka mea te Ariki, Whakarongo ki ta te kaiwhakawa kino i mea ra.
Ary hoy ny Tompo: Henoy izay lazain'ilay mpitsara tsy marina.
A e kore ranei te Atua e ngaki i te mate o ana tangata i whiriwhiri ai, e karanga nei ki a ia i te ao, i te po, ahakoa whakaroa noa ia ki a ratou?
Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman'alina, ary moa hitaredretra va Izy?
Ko taku kupu tenei ki a koutou, Ka hohoro ia te takitaki i to ratou mate. Otira ka tae mai te Tama a te tangata, e rokohina mai ranei e ia he whakapono i runga i te whenua?
Lazaiko aminareo fa homeny rariny faingana izy. Kanefa, raha avy ny Zanak'olona, moa hahita finoana etỳ ambonin'ny tany va Izy?
Na ka korero ano ia i tenei kupu whakarite ki etahi, i whakamanawa nei ki a ratou ano he tika, i whakakorekore ki era atu katoa:
Ary Jesosy nanao ity fanoharana ity tamin'ny sasany izay natoky tena ho marina ka namingavinga ny hafa;
Tokorua nga tangata i haere ki te temepara ki te inoi; he Parihi tetahi, ko tetahi he pupirikana.
Nisy roa lahy niakatra teo an-kianjan'ny tempoly hivavaka, ny anankiray Fariseo, ary ny anankiray mpamory hetra.
Tu ana te Parihi ko ia anake, ko tana karakia tenei, E te Atua, ka whakawhetai ahau ki a koe, no te mea kahore ahau e rite ki era atu tangata, ki te hunga hao taonga, kino, puremu, moku hoki te rite ki tenei pupirikana.
Ilay Fariseo nitsangana ka nivavaka nitokana hoe: Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany, izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza.
Takirua aku nohoanga pukutanga i te wiki, e hoatu ana e ahau te wahi whakatekau o aku mea katoa.
Mifady indroa isan-kerinandro aho; mandoa ny fahafolon-karena amin'izay azoko rehetra aho.
Ko te pupirikana ia i tu mai i tawhiti, kihai i mea kia anga ake ona kanohi ki te rangi, heoi patuki ana ki tona uma, ka mea, E te Atua, tohungia ahau, te tangata hara.
Fa ilay mpamory hetra kosa nijanona teny lavitra eny, sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory, fa niteha-tratra ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota.
Ko taku kupu tenei ki a koutou, Nui atu te tika o tenei i to tera i te hokinga ki tona whare: ki te whakanui hoki tetahi i a ia, ka whakaititia; ki te whakaiti tetahi i a ia, ka whakanuia.
Lazaiko aminareo: Izany lehilahy izany nidina tany an-tranony efa nohamarinina noho ny anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra.
Na ka kawea mai e ratou ki a ia a ratou tamariki nonohi, kia pa ai ia ki a ratou: otiia, no te kitenga o ana akonga, ka riria atu ratou.
Ary nisy nitondra zazakely koa ho eo amin'i Jesosy mba hotendreny; fa raha vao nahita izany ny mpianatra, dia nandrara azy.
Otira ka karangatia atu ratou e Ihu ki a ia, ka mea ia, Tukua nga tamariki nonohi kia haere mai ki ahau, kaua hoki ratou e araia atu: no nga penei hoki te rangatiratanga o te Atua.
Fa Jesosy niantso ireo hankeo aminy ka nanao hoe: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an'ny toa azy ny fanjakan'Andriamanitra.
He pono taku e mea nei ki a koutou, Ki te kahore e rite te tango a tetahi i te rangatiratanga o te Atua ki ta te tamaiti nohinohi, e kore rawa ia e tomo ki roto.
Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no ny handray ny fanjakan'Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory.
Na ka ui tetahi rangatira ki a ia, ka mea, E te kaiwhakaako pai, me aha ahau ka whiwhi ai ki te ora tonu?
Ary nisy mpanapaka anankiray nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?
Na ko te meatanga a Ihu ki a ia, he aha ahau i kiia ai e koe he pai? kahore tetahi i pai, kotahi anake, ko te Atua.
Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra.
E matau ana koe ki nga ture, Kaua e puremu, Kaua e patu tangata, Kaua e tahae, Kaua e whakapae teka, Whakahonoretia tou papa me tou whaea.
Fantatrao ny didy hoe: Aza mijangajanga, Aza mamono olona, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20. 12-16).
Na ka mea ia, Kua rite i ahau enei katoa no toku tamarikitanga ake.
Ary hoy kosa izy: Izany rehetra izany dia efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely.
A, i te rongonga Ihu ki tenei, ka mea ki a ia, Kotahi te mea kahore ano i rite i a koe: hokona au mea katoa, ka tuwha atu ma nga mea rawakore, a e whai taonga koe ki te rangi: a haere mai i muri i ahau.
Ary rehefa nandre izany Jesosy, dia hoy Izy taminy: Mbola diso zavatra iray loha ianao: amidio ny fanananao rehetra, ka zarao ho an'ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia, manaraha Ahy.
Na ka rongo ia ki enei mea, ka pouri rawa; he nui hoki ona taonga.
Ary rehefa nandre izany ralehilahy, dia nalahelo loatra; fa nanan-karena dia nanan-karena izy.
A ka kite a Ihu i a ia, ka mea, Ano te whakauaua o te tapoko o te hunga taonga ki te rangatiratanga o te Atua!
Ary Jesosy, raha nijery azy, dia nanao hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra!
Erangi hoki te haere o te kamera ra te kowhao o te ngira e takoto noa ana, he whakauaua rawa ia te tomo o te tangata taonga ki roto ki te rangatiratanga o te Atua.
Fa ho moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra!
Na ka mea nga kaiwhakarongo, Ko wai ra e ora?
Ary izay nandre dia nanao hoe: Iza indray moa no azo hovonjena?
Otira i mea ia, Ko nga mea e kore e taea e te tangata, ka taea e te Atua.
Fa hoy Jesosy: Izay zavatra tsy hain'ny olona dia hain'Andriamanitra.
A ka mea a Pita, Na, kua whakarerea nei e matou a matou nei mea, a kua aru i a koe.
Dia hoy Petera: Indro, izahay efa nahafoy izay nety ho anay ka nanaraka Anao.
Na ka mea ia ki a ratou, He pono taku e mea nei ki a koutou, Kahore he tangata i whakarere, he whare, he wahine, he tuakana, he matua, he tamariki, i te whakaaro ki te rangatiratanga o te Atua,
Ary hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona izay efa nahafoy trano, na vady, na rahalahy, na ray, na reny, na zanaka, noho ny fanjakan'Andriamanitra,
E kore e riro mai i a ia i tenei wa nga mea tini noa atu, a i te ao meake puta ko te ora tonu.
izay tsy handray be lavitra amin'izao andro ankehitriny izao, ary amin'ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.
A ka mau ia ki te tekau ma rua, ka mea ki a ratou, Na e haere ana tenei tatou ki Hiruharama, a ka rite katoa nga mea i tuhituhia e nga poropiti mo te Tama a te tangata.
Ary Jesosy naka ny roa ambin'ny folo lahy ka nanao taminy hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika, dia ho tanteraka ny zavatra rehetra izay voasoratry ny mpaminany ny amin'ny Zanak'olona.
Ka tukua hoki ia ki nga tauiwi, ka tawaia, ka whakatupuria kinotia, ka tuwhaina:
Fa hatolotra ho amin'ny jentilisa Izy, dia hataony fihomehezana sy hisetrasetrany sy hororany
A ka oti ia te whiu, ka whakamatea: a i te toru o nga ra ka ara.
ary hokapohiny sy hovonoiny, ary amin'ny andro fahatelo dia hitsangana Izy.
A kihai ratou i matau ki tetahi o enei mea: he mea huna hoki i a ratou tenei kupu, kihai ratou i mohio ki nga mea i korerotia.
Nefa tsy nisy azony akory izany teny izany, fa nafenina taminy izy ka dia tsy fantany izay nolazainy.
A, i a ia e whakatata ana ki Heriko, tera tetahi matapo e noho ana i te taha o te huarahi e tono mea ana mana:
Ary raha Jesosy nanakaiky an'i Jeriko, dia indro jamba anankiray nipetraka nangataka teo amoron-dalana.
A, i tona rongonga i te mano e haere ana, ka ui atu, He aha tenei?
Ary raha nandre ny vahoaka mandalo izy, dia nanontany hoe: Inona izany?
Ka mea ratou ki a ia, Ko Ihu o Nahareta e haere ana.
Ary hoy ny olona taminy: Jesosy avy any Nazareta no mandalo.
Katahi ia ka karanga, ka mea, E Ihu, e te Tama a Rawiri, kia aroha ki ahau.
Dia niantso mafy ralehilahy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko.
Na ka riria ia e te hunga i haere i mua kia noho puku: heoi rahi noa ake tana karanga, E te Tama a Rawiri, kia aroha ki ahau.
Ary izay nandeha teny aloha dia niteny mafy azy mba hangina, fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko.
Na ka tu a Ihu, ka mea kia arahina mai ki a ia: a, no ka tata, ka ui ki a ia,
Ary Jesosy nijanona, dia nasainy ho entina eo aminy ralehilahy; ary rehefa mby akaiky izy, dia nanontany azy Jesosy
Ka mea, Kia ahatia koe e ahau? Ka mea ia, E te Ariki, kia titiro ahau.
ka nanao hoe: Inona moa no tianao hataoko aminao? Ary hoy izy: Tompoko, ny mba hampahiratina ny masoko.
Ka mea a Ihu ki a ia, Titiro: na tou whakapono koe i whakaora.
Dia hoy Jesosy taminy: Mahirata ny masonao; ny finoanao no efa nahavonjy anao.
A titiro tonu ake ia, a aru ana i a ia, me te whakakororia i te Atua: a, no te kitenga o te iwi katoa, ka whakamoemiti ki te Atua.
Ary niaraka tamin'izay dia nahiratra ny masony, ka nanaraka an'i Jesosy izy sady nankalaza an'Andriamanitra; ary ny vahoaka rehetra, raha nahita, dia nidera an'Andriamanitra.