Mark 4

Ary nampianatra teo amoron'ny ranomasina indray Jesosy; ary nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia niditra teo an-tsambokely Izy ka nipetraka teo amin'ny ranomasina; ary ny vahoaka rehetra dia teny an-tanety amoron-dranomasina.
Na ka timata ano ia te whakaako i te taha o te moana: he nui hoki te tangata i huihui ki a ia, no ka eke ia ki runga ki te kaipuke, ka noho ki te moana; i uta te mano katoa i te taha o te moana.
Ary nampianatra azy zavatra maro tamin'ny fanoharana Izy ka nilaza tamin'ny fampianarany azy hoe:
A he maha ana mea i whakaako ai ki a ratou, he mea whakarite, i mea hoki ki a ratou i a ia e ako ana,
Mihainoa: Indro, nivoaka ny mpamafy mba hamafy.
Whakarongo; Na i haere atu te kairui ki te rui:
Ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana, dia avy ny vorona ka nandany izany.
A, i a ia e rui ana, ka ngahoro etahi ki te taha o te ara, a, ko te rerenga mai o nga manu o te rangi, na kainga ake.
Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy; dia nalaky nitrebona ireny, satria tsy nisy tany lalina.
Ko etahi i ngahoro ki te wahi kamaka, ki te wahi kihai i nui te oneone; a pihi tonu ake, kahore hoki i hohonu te oneone.
Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo ireny; ary satria tsy nanam-paka, dia maty izy.
A, no te whitinga o te ra, ngaua iho; a, no te mea kahore he putake, memenge noa iho.
Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tsilo; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy, dia tsy namoa izy.
Ko etahi i ngahoro ki roto ki nga tataramoa, a, no te tupunga ake o nga tataramoa, kowaowaotia ana nga purapura, a kore ake he hua.
Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany tsara, ary raha naniry sy namoa, dia vokatra, fa namoa: ny sasany avy telo-polo heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny.
Ko etahi i ngahoro ki te oneone pai, a whai hua ana; ka tupu, ka nui, ka ea ake, no etahi e toru tekau, no etahi e ono tekau, no etahi kotahi rau.
Ary hoy Izy: Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
I mea ano ia ki a ratou, Ki te whai taringa tetahi hei whakarongo, kia rongo ia.
Ary raha tao amin'ny mangingina Izy, dia nanontany Azy ny amin'ny fanoharana ireo nomba Azy mbamin'ny roa ambin'ny folo lahy.
Na ka mahue ko ia anake, ka ui ki a ia ona hoa me te tekau ma rua ki taua kupu whakarite.
Ary hoy Izy taminy: Hianareo no efa nomena ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; fa amin'ireny izay any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia atao amin'ny fanoharana;
Ka mea ia ki a ratou, Kua hoatu ki a koutou te matauranga ki te mea ngaro o te rangatiratanga o te Atua: ki te hunga ia o waho e ra rototia ana nga mea katoa i te kupu whakarite:
mba hijery mandrakariva ihany izy, fa tsy hahita; ary mba handre mandrakariva ihany izy, fa tsy hahafantatra; fandrao hibebaka izy, ka havela ny helony (Isa. 6. 9, 10).
Mo te titiro rawa atu ratou, na e kore e kite; rongo rawa, na e kore e matau; kei tahuri, a ka murua o ratou hara.
Ary hoy Izy taminy: Tsy azonareo va ilay fanoharana teo? koa hataonareo ahoana no fahafantatra ny fanoharana rehetra?
I mea ano ia ki a ratou, Kahore ranei koutou e matau ki tenei kupu whakarite? a me pehea ka matau ai koutou ki nga kupu whakarite katoa?
Ny mpamafy dia mamafy ny teny.
Ko te kairui e rui ana i te kupu.
Ary ireto no ilay teo amoron-dalana, dia izay amafazana ny teny, fa rehefa nandre izy, dia avy miaraka amin'izay Satana ka manaisotra ny teny izay nafafy tao aminy.
Ko enei te hunga i te taha o te ara, i te wahi e ruia ana te kupu; i to ratou rongonga, na haere tonu mai a Hatana, kapohia ake te kupu i ruia ki o ratou ngakau.
Ary tahaka izany koa, ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy, dia izay mandre ny teny ka malaky mandray izany amin'ny hafaliana;
Ko enei te hunga i te taha o te purapura i nga wahi kamaka; ko te hunga, i to ratou rongonga ai i te kupu, hohoro tonu te tango, hari tonu;
nefa tsy manam-paka ao anatiny ireny, fa maharitra vetivety foana; koa rehefa afaka izany, ka tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin'izay izy.
Na kahore o ratou pakiaka, ka whakapakari kau noa: heoi, i te panga o te whakapawera, o te whakatoi ranei mo te kupu, he tonu iho.
Ary misy hafa koa izay voafafy teny amin'ny tsilo, dia ireo no ilay nandre ny teny,
Na ko enei te hunga i nga purapura i roto i nga tataramoa; ko nga mea i rongo ki te kupu,
fa ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filàna ny zavatra hafa miditra, dia mangeja ny teny, ka tsy mamoa izy.
A, i te putanga o te whakaaro ki tenei ao, o te hangarau o nga taonga, o nga hiahia ki era atu mea, kowaowaotia iho te kupu, a kore ake he hua.
Ary ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany tsara, dia izay mandre ny teny ka mandray azy dia mamoa: ny sasany avy telo-polo heny, ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny.
Na ko enei te hunga i nga purapura i te oneone pai: ko te hunga e rongo ana ki te kupu, a tango ana, a whai hua ana, o etahi e toru tekau, o etahi e ono tekau, o etahi kotahi rau.
Ary hoy Izy taminy: Moa entina va ny jiro mba hosaronan'ny vata famarana, na hatao ao ambanin'ny farafara? Tsy hatao amin'ny fanaovan-jiro va izy?
I mea ano ia ki a ratou, Ko raro koia i te mehua whakatu ai i te rama, ina mauria mai, ko raro ranei i te moenga? he teka ianei me whakatu ki runga ki te turanga?
Fa tsy misy takona izay tsy ho hita, na miafina izay tsy haseho.
E kore hoki tetahi mea i huna e mahue te whakakite; kahore hoki tetahi mea i huna, engari kia puta ki te maramatanga.
Raha misy olona manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
Ki te mea he taringa o tetahi hei whakarongo, kia rongo ia.
Ary hoy Izy taminy: Diniho izay teny renareo; araka ny ohatra anoharanareo ihany no hanoharana ho anareo, ary homena mihoatra aza ianareo.
I mea ano ia ki a ratou, Kia tupato ki ta koutou e rongo ai: ko te mehua hoki e mehua ai koutou, hei mehua ano tena ki a koutou: a ka tapiritia ano he mea ma koutou, ma nga kaiwhakarongo.
Fa izay manana no homena; ary ny amin'ny tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.
Ki te whai mea hoki tetahi, ka hoatu ano ki a ia: ki te kahore he mea a tetahi, ka tangohia i a ia ana ake.
Ary hoy Izy: Toy izao ny fanjakan'Andriamanitra: tahaka ny lehilahy mamafy voa amin'ny tany
I mea ano ia, I rite hoki te rangatiratanga o te rangi ki te tangata i maka e ia he purapura ki te oneone;
ka matory sy mahatsiaro isan'alina sy isan'andro; ary ny voa dia mitsimoka ka maniry, nefa tsy fantany ny faniriny
A ka moe, ka ara, i te po, i te ao, me te tupu ano tera te purapura, te matau ia na te aha.
Fa ny tany mahavokatra ho azy: voalohany misy tahony, dia teraka, ary rehefa izany, dia feno voa.
E hua ana hoki te whenua i tona kaha ake ano; ko te rau ki mua, ko reira te puku, muri iho ko te witi pakari i roto i te puku.
Fa rehefa azo jinjana izy, dia jinjany miaraka amin'izay, fa efa tonga ny fararano.
Otira ka rite nga hua, hohoro tonu tana tuku atu i tana toronaihi, kua taea hoki te kotinga.
Ary hoy Izy: Ahoana no hanoharantsika ny fanjakan'Andriamanitra, ary inona no fanoharana hanoharantsika azy?
I mea ano ia, Me whakarite e tatou te rangatiratanga o te Atua ki te aha? he aha oti te kupu whakarite hei whakaahua atu ma tatou?
Tahaka ny voantsinapy izy, izay kely noho ny voa rehetra, raha vao afafy amin'ny tany;
E rite ana ki te pua nani, i tona whakatokanga ki te whenua, ko te iti rawa ia o nga purapura katoa i runga i te whenua:
Fa rehefa voafafy kosa izy, dia maniry ka tonga lehibe noho ny anana rehetra, ary mandrantsana vaventy, ka azon'ny voro-manidina itoerana ny alokalony.
Otira, ka oti te whakato, ka tupu, ka nui ake i nga otaota katoa, a ka nunui ona manga: no ka noho nga manu o te rangi i tona taumarumarutanga iho.
Ary fanoharana maro toy izany no nanambarany ny teny taminy, araka izay hainy hohenoina.
Na he maha ana kupu whakarite pera, i korerotia ai e ia te kupu ki a ratou, ko a ratou i ahei ai te whakarongo.
Ary raha tsy tamin'ny fanoharana dia tsy niteny taminy Izy; ary tamin'ny mangingina no nilazany tamin'ny mpianany ny hevitr'ireo rehetra ireo.
A heoi ana kupu ki a ratou he kupu whakarite anake: otiia ka noho ko ratou anake, ka whakaaturia e ia nga mea katoa ki ana akonga.
Ary androtrizay ihany, rehefa hariva ny andro, dia hoy Izy taminy: Andeha isika hita ho eny am-pita.
Na, i taua ra, i te ahiahi, ka mea ia ki a ratou, Tatou ka whakawhiti ki tawahi.
Ary rehefa nampodin'ny mpianany ny vahoaka, dia nentiny tamin'io sambokely io tamin'izao ihany Jesosy. Ary nisy sambokely sasany koa niaraka taminy.
Na, ka mahue iho te mano, ka mauria ia e ratou, i runga tonu ano ia i te kaipuke. I a ia ano etahi atu kaipuke.
Ary nisy tafio-drivotra mahery, ary nianjerazeran'ny alondrano ny sambokely ka nila ho feno rano.
Na ko te putanga o tetahi hau, he tupuhi, a eke ana nga ngaru ki runga ki te kaipuke, a tomo noa.
Ary Jesosy natory teo am-bodin'ny sambokely tambonin'ny ondana; ary namoha Azy izy ireo ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao?
Na ko ia i te kei i runga i te urunga e moe ana: a ka whakaara ratou i a ia, ka mea ki a ia, E te Kaiwhakaako, kahore ou manawapa ki a tatou ka ngaro?
Ary nifoha Izy, dia niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin'ny ranomasina hoe: Mangina, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro.
Na ka ara ia, a riria iho e ia te hau, ka mea ia ki te moana, Kati, whakamutua. Na mariri tonu iho te hau, takoto ana he marino nui.
Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana va ianareo?
Katahi ia ka mea ki a ratou, He aha ta koutou e mataku nei? he aha koutou te whakapono ai?
Ary natahotra indrindra izy ireo ka niresaka hoe: Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy?
Na ka mataku whakaharahara ratou, ka mea tetahi ki tetahi, Ko wai tenei, ina ka rongo rawa te hau me te moana ki a ia?