Mark 4

Ary nampianatra teo amoron'ny ranomasina indray Jesosy; ary nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia niditra teo an-tsambokely Izy ka nipetraka teo amin'ny ranomasina; ary ny vahoaka rehetra dia teny an-tanety amoron-dranomasina.
And he began again to teach by the sea side: and there was gathered unto him a great multitude, so that he entered into a ship, and sat in the sea; and the whole multitude was by the sea on the land.
Ary nampianatra azy zavatra maro tamin'ny fanoharana Izy ka nilaza tamin'ny fampianarany azy hoe:
And he taught them many things by parables, and said unto them in his doctrine,
Mihainoa: Indro, nivoaka ny mpamafy mba hamafy.
Hearken; Behold, there went out a sower to sow:
Ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana, dia avy ny vorona ka nandany izany.
And it came to pass, as he sowed, some fell by the way side, and the fowls of the air came and devoured it up.
Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy; dia nalaky nitrebona ireny, satria tsy nisy tany lalina.
And some fell on stony ground, where it had not much earth; and immediately it sprang up, because it had no depth of earth:
Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo ireny; ary satria tsy nanam-paka, dia maty izy.
But when the sun was up, it was scorched; and because it had no root, it withered away.
Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tsilo; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy, dia tsy namoa izy.
And some fell among thorns, and the thorns grew up, and choked it, and it yielded no fruit.
Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany tsara, ary raha naniry sy namoa, dia vokatra, fa namoa: ny sasany avy telo-polo heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny.
And other fell on good ground, and did yield fruit that sprang up and increased; and brought forth, some thirty, and some sixty, and some an hundred.
Ary hoy Izy: Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
And he said unto them, He that hath ears to hear, let him hear.
Ary raha tao amin'ny mangingina Izy, dia nanontany Azy ny amin'ny fanoharana ireo nomba Azy mbamin'ny roa ambin'ny folo lahy.
And when he was alone, they that were about him with the twelve asked of him the parable.
Ary hoy Izy taminy: Hianareo no efa nomena ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; fa amin'ireny izay any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia atao amin'ny fanoharana;
And he said unto them, Unto you it is given to know the mystery of the kingdom of God: but unto them that are without, all these things are done in parables:
mba hijery mandrakariva ihany izy, fa tsy hahita; ary mba handre mandrakariva ihany izy, fa tsy hahafantatra; fandrao hibebaka izy, ka havela ny helony (Isa. 6. 9, 10).
That seeing they may see, and not perceive; and hearing they may hear, and not understand; lest at any time they should be converted, and their sins should be forgiven them.
Ary hoy Izy taminy: Tsy azonareo va ilay fanoharana teo? koa hataonareo ahoana no fahafantatra ny fanoharana rehetra?
And he said unto them, Know ye not this parable? and how then will ye know all parables?
Ny mpamafy dia mamafy ny teny.
The sower soweth the word.
Ary ireto no ilay teo amoron-dalana, dia izay amafazana ny teny, fa rehefa nandre izy, dia avy miaraka amin'izay Satana ka manaisotra ny teny izay nafafy tao aminy.
And these are they by the way side, where the word is sown; but when they have heard, Satan cometh immediately, and taketh away the word that was sown in their hearts.
Ary tahaka izany koa, ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy, dia izay mandre ny teny ka malaky mandray izany amin'ny hafaliana;
And these are they likewise which are sown on stony ground; who, when they have heard the word, immediately receive it with gladness;
nefa tsy manam-paka ao anatiny ireny, fa maharitra vetivety foana; koa rehefa afaka izany, ka tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin'izay izy.
And have no root in themselves, and so endure but for a time: afterward, when affliction or persecution ariseth for the word's sake, immediately they are offended.
Ary misy hafa koa izay voafafy teny amin'ny tsilo, dia ireo no ilay nandre ny teny,
And these are they which are sown among thorns; such as hear the word,
fa ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filàna ny zavatra hafa miditra, dia mangeja ny teny, ka tsy mamoa izy.
And the cares of this world, and the deceitfulness of riches, and the lusts of other things entering in, choke the word, and it becometh unfruitful.
Ary ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany tsara, dia izay mandre ny teny ka mandray azy dia mamoa: ny sasany avy telo-polo heny, ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny.
And these are they which are sown on good ground; such as hear the word, and receive it, and bring forth fruit, some thirtyfold, some sixty, and some an hundred.
Ary hoy Izy taminy: Moa entina va ny jiro mba hosaronan'ny vata famarana, na hatao ao ambanin'ny farafara? Tsy hatao amin'ny fanaovan-jiro va izy?
And he said unto them, Is a candle brought to be put under a bushel, or under a bed? and not to be set on a candlestick?
Fa tsy misy takona izay tsy ho hita, na miafina izay tsy haseho.
For there is nothing hid, which shall not be manifested; neither was any thing kept secret, but that it should come abroad.
Raha misy olona manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
If any man have ears to hear, let him hear.
Ary hoy Izy taminy: Diniho izay teny renareo; araka ny ohatra anoharanareo ihany no hanoharana ho anareo, ary homena mihoatra aza ianareo.
And he said unto them, Take heed what ye hear: with what measure ye mete, it shall be measured to you: and unto you that hear shall more be given.
Fa izay manana no homena; ary ny amin'ny tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.
For he that hath, to him shall be given: and he that hath not, from him shall be taken even that which he hath.
Ary hoy Izy: Toy izao ny fanjakan'Andriamanitra: tahaka ny lehilahy mamafy voa amin'ny tany
And he said, So is the kingdom of God, as if a man should cast seed into the ground;
ka matory sy mahatsiaro isan'alina sy isan'andro; ary ny voa dia mitsimoka ka maniry, nefa tsy fantany ny faniriny
And should sleep, and rise night and day, and the seed should spring and grow up, he knoweth not how.
Fa ny tany mahavokatra ho azy: voalohany misy tahony, dia teraka, ary rehefa izany, dia feno voa.
For the earth bringeth forth fruit of herself; first the blade, then the ear, after that the full corn in the ear.
Fa rehefa azo jinjana izy, dia jinjany miaraka amin'izay, fa efa tonga ny fararano.
But when the fruit is brought forth, immediately he putteth in the sickle, because the harvest is come.
Ary hoy Izy: Ahoana no hanoharantsika ny fanjakan'Andriamanitra, ary inona no fanoharana hanoharantsika azy?
And he said, Whereunto shall we liken the kingdom of God? or with what comparison shall we compare it?
Tahaka ny voantsinapy izy, izay kely noho ny voa rehetra, raha vao afafy amin'ny tany;
It is like a grain of mustard seed, which, when it is sown in the earth, is less than all the seeds that be in the earth:
Fa rehefa voafafy kosa izy, dia maniry ka tonga lehibe noho ny anana rehetra, ary mandrantsana vaventy, ka azon'ny voro-manidina itoerana ny alokalony.
But when it is sown, it groweth up, and becometh greater than all herbs, and shooteth out great branches; so that the fowls of the air may lodge under the shadow of it.
Ary fanoharana maro toy izany no nanambarany ny teny taminy, araka izay hainy hohenoina.
And with many such parables spake he the word unto them, as they were able to hear it.
Ary raha tsy tamin'ny fanoharana dia tsy niteny taminy Izy; ary tamin'ny mangingina no nilazany tamin'ny mpianany ny hevitr'ireo rehetra ireo.
But without a parable spake he not unto them: and when they were alone, he expounded all things to his disciples.
Ary androtrizay ihany, rehefa hariva ny andro, dia hoy Izy taminy: Andeha isika hita ho eny am-pita.
And the same day, when the even was come, he saith unto them, Let us pass over unto the other side.
Ary rehefa nampodin'ny mpianany ny vahoaka, dia nentiny tamin'io sambokely io tamin'izao ihany Jesosy. Ary nisy sambokely sasany koa niaraka taminy.
And when they had sent away the multitude, they took him even as he was in the ship. And there were also with him other little ships.
Ary nisy tafio-drivotra mahery, ary nianjerazeran'ny alondrano ny sambokely ka nila ho feno rano.
And there arose a great storm of wind, and the waves beat into the ship, so that it was now full.
Ary Jesosy natory teo am-bodin'ny sambokely tambonin'ny ondana; ary namoha Azy izy ireo ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao?
And he was in the hinder part of the ship, asleep on a pillow: and they awake him, and say unto him, Master, carest thou not that we perish?
Ary nifoha Izy, dia niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin'ny ranomasina hoe: Mangina, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro.
And he arose, and rebuked the wind, and said unto the sea, Peace, be still. And the wind ceased, and there was a great calm.
Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana va ianareo?
And he said unto them, Why are ye so fearful? how is it that ye have no faith?
Ary natahotra indrindra izy ireo ka niresaka hoe: Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy?
And they feared exceedingly, and said one to another, What manner of man is this, that even the wind and the sea obey him?