Genesis 9

Ary Andriamanitra nitso-drano an'i Noa sy ny zanany hoe; Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany.
And God blessed Noah and his sons, and said unto them, Be fruitful, and multiply, and replenish the earth.
Ary ny tahotra sy horohoro anareo hahazo ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; ireny mbamin'izay rehetra mandady na mikisaka amin'ny tany sy ny hazandrano rehetra ao amin'ny ranomasina dia efa natolotra eo an-tananareo.
And the fear of you and the dread of you shall be upon every beast of the earth, and upon every fowl of the air, upon all that moveth upon the earth, and upon all the fishes of the sea; into your hand are they delivered.
Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinana ho anareo; dia efa nomeko anareo toy ny zava-maitso izy rehetra.
Every moving thing that liveth shall be meat for you; even as the green herb have I given you all things.
Kanefa ny nofo izay mbola misy aina dia ny ràny no aza haninareo.
But flesh with the life thereof, which is the blood thereof, shall ye not eat.
Fa ny ranareo kosa dia hadiniko, satria ainareo izany; eo amin'ny tanan'ny manan'aina rehetra no hanadinako azy; ary eo amin'ny tanan'ny olona, dia eo amin'ny tanan'ny olona avy, no hanadinako ny ain'ny olona.
And surely your blood of your lives will I require; at the hand of every beast will I require it, and at the hand of man; at the hand of every man's brother will I require the life of man.
Izay mandatsaka ny ran'olona, dia mba halatsak'olona kosa ny ràny, satria tahaka ny endrik'Andriamanitra no nanaovany ny olona.
Whoso sheddeth man's blood, by man shall his blood be shed: for in the image of God made he man.
Koa ny aminareo, dia maroa fara sy mihabetsaha; miteraha be eny ambonin'ny tany sy mihabetsaha eny.
And you, be ye fruitful, and multiply; bring forth abundantly in the earth, and multiply therein.
Ary Andriamanitra niteny tamin'i Noa sy tamin'ny zanany, izay niaraka taminy, ka nanao hoe:
And God spake unto Noah, and to his sons with him, saying,
Indro, Izaho efa manorina ny fanekeko aminareo sy amin'ny taranakareo mandimby anareo
And I, behold, I establish my covenant with you, and with your seed after you;
sy amin'ny zava-manan'aina rehetra eo aminareo, na ny vorona, na ny biby fiompy, na ny bibi-dia rehetra eo aminareo: izay rehetra nivoaka avy tao anatin'ny sambo-fiara, dia ny biby samy hafa rehetra.
And with every living creature that is with you, of the fowl, of the cattle, and of every beast of the earth with you; from all that go out of the ark, to every beast of the earth.
Dia aoriko ny fanekeko aminareo, ka tsy haringako amin'ny safo-drano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safo-drano hanimba ny tany intsony.
And I will establish my covenant with you; neither shall all flesh be cut off any more by the waters of a flood; neither shall there any more be a flood to destroy the earth.
Ary hoy Andriamanitra: Izao no famantarana ny fanekena izay ataoko ho amiko sy ho aminareo mbamin'ny zava-manan'aina rehetra eo aminareo hatramin'ny taranaka fara mandimby:
And God said, This is the token of the covenant which I make between me and you and every living creature that is with you, for perpetual generations:
Ny avako efa napetrako eo amin'ny rahona ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho amin'ny tany.
I do set my bow in the cloud, and it shall be for a token of a covenant between me and the earth.
Ary raha mampiangona rahona eo ambonin'ny tany Aho, ka hita eo amin'ny rahona ny avana,
And it shall come to pass, when I bring a cloud over the earth, that the bow shall be seen in the cloud:
dia hotsarovako ny fanekeko izay ho amiko sy ho aminareo mbamin'ny zava-manan'aina, dia ny nofo rehetra; ary tsy hisy safo-drano, handringana ny nofo rehetra intsony.
And I will remember my covenant, which is between me and you and every living creature of all flesh; and the waters shall no more become a flood to destroy all flesh.
Ary ho eo amin'ny rahona ny avana; ary hitsinjo azy Aho hahatsiarovako ny fanekena mandrakizay izay ho amin'Andriamanitra sy ho amin'ny zava-manan'aina rehetra, dia ny nofo rehetra ambonin'ny tany.
And the bow shall be in the cloud; and I will look upon it, that I may remember the everlasting covenant between God and every living creature of all flesh that is upon the earth.
Ary hoy Andriamanitra tamin'i Noa: Izany no famantarana ny fanekena izay naoriko ho amiko sy ho amin'ny nofo rehetra ambonin'ny tany.
And God said unto Noah, This is the token of the covenant, which I have established between me and all flesh that is upon the earth.
Ary ny zanakalahin'i Noa izay izay nivoaka avy tamin'ny sambo-fiara dia Sema sy Hama ary Jafeta; ary i Hama no rain'i Kanana.
And the sons of Noah, that went forth of the ark, were Shem, and Ham, and Japheth: and Ham is the father of Canaan.
Ireo telo lahy ireo no zanak'i Noa; ary avy tamin'ireo no nielezan'ny olona tambonin'ny tany rehetra.
These are the three sons of Noah: and of them was the whole earth overspread.
Ary vao tonga mpiasa tany Noa ka nanao tanim-boaloboka.
And Noah began to be an husbandman, and he planted a vineyard:
Ary nisotro tamin'ny divay izy ka mamo; dia nanary lamba izy ka nitanjaka tao anatin'ny lainy.
And he drank of the wine, and was drunken; and he was uncovered within his tent.
Ary hitan'i Hama, rain'i Kanana ny fitanjahan'ny rainy, dia nambarany tamin'ny rahalahiny roa lahy teo ivelany.
And Ham, the father of Canaan, saw the nakedness of his father, and told his two brethren without.
Ary nalain'i Sema sy Jafeta ny lamba ka nentin'izy mirahalahy teo an-tsorony, dia nanao dia mianotra izy ka nandrakotra ny fitanjahan'ny rainy; ary ny tavany tsy nanatrika, ka dia tsy hitany ny fitanjahan'ny rainy.
And Shem and Japheth took a garment, and laid it upon both their shoulders, and went backward, and covered the nakedness of their father; and their faces were backward, and they saw not their father's nakedness.
Dia nahatsiaro Noa, rehefa afaka ny hamamoany, ka nahafantatra izay efa nataon'ny zanany faralahy taminy.
And Noah awoke from his wine, and knew what his younger son had done unto him.
Dia hoy izy: Ho voaozona anie Kanana; Ho tena andevon'ny rahalahiny izy.
And he said, Cursed be Canaan; a servant of servants shall he be unto his brethren.
Ary hoy koa izy: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr'i Sema; Ary aoka Kanana ho andevony.
And he said, Blessed be the LORD God of Shem; and Canaan shall be his servant.
Hataon'Andriamanitra malalaka anie Jafeta; Ary aoka honina ao an-dain'i Sema izy; Ary aoka Kanana ho andevony.
God shall enlarge Japheth, and he shall dwell in the tents of Shem; and Canaan shall be his servant.
Ary ny andro niainan'i Noa taorian'ny safo-drano dia dimam-polo amby telon-jato taona.
And Noah lived after the flood three hundred and fifty years.
Ary ny andro rehetra niainan'i Noa dia dimam-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
And all the days of Noah were nine hundred and fifty years: and he died.