Dia nisaina araka ny firazanany avy ny Isiraely rehetra; ary, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Isiraely izany. Ary ny Joda dia nentina ho babo tany Babylona noho ny fahotany.
Ary Saloma, zanak'i Kore, zanak'i Abiasafa, zanak'i Kora, sy ny Koraita rahalahiny araka ny fianakaviany avy no mpanao ny fanompoana amin'ny fiandrasana ny varavaran'ny lay; ary ny razany koa dia mpiambina ny vavahady tao amin'ny tobin'i Jehovah.
Ary ny isan'ireo voafidy ho mpiandry varavarana ireo dia roa ambin'ny folo amby roan-jato. Ireo dia voasoratra araka ny firazanany tany amin'ny vohiny avy; ary notendren'i Davida sy Samoela mpahita izy noho ny fahamarinany.
Ary ny sasany aminy koa notendrena hitandrina ny fanaka, dia ny fanaka masina rehetra, sy ny koba tsara toto sy ny divay sy ny diloilo sy ny ditin-kazo manitra ary ny zava-manitra.
Ary Azela nanana zanaka enina mirahalahy ka izao no anarany avy: Azrikama sy Bokero sy Isimaela sy Searia sy Obadia ary Hanana; ireo no zanakalahin'i Azela.