Toggle navigation
Bibleglot
Home
Paired
Single
Quotes
Home
Pair
KJV
Mal1865
Ps.147
Previous
Next
Psalms 147
147:1
Praise ye the LORD: for it is good to sing praises unto our God; for it is pleasant; and praise is comely.
Haleloia; Fa tsara ny mihira ho an'Andriamanitsika; Eny, mamy sady mendrika ny fiderana.
147:2
The LORD doth build up Jerusalem: he gathereth together the outcasts of Israel.
Manangana an'i Jerosalema Jehovah; Mamory ny Isiraely voaroaka Izy.
147:3
He healeth the broken in heart, and bindeth up their wounds.
Mahasitrana ny torotoro fo Izy Sy mamehy ny feriny.
147:4
He telleth the number of the stars; he calleth them all by their names.
Milaza ny isan'ny kintana Izy: Samy tononiny amin'ny anarany ireny rehetra ireny.
147:5
Great is our Lord, and of great power: his understanding is infinite.
Lehibe ny Tompontsika sady be hery; Tsy hita lany ny fahalalany.
147:6
The LORD lifteth up the meek: he casteth the wicked down to the ground.
Manandratra ny mpandefitra Jehovah, Fa mampietry ny ratsy fanahy hatramin'ny tany.
147:7
Sing unto the LORD with thanksgiving; sing praise upon the harp unto our God:
Mihirà fiderana ho an'i Jehovah; Mankalazà an'Andriamanitsika amin'ny lokanga,
147:8
Who covereth the heaven with clouds, who prepareth rain for the earth, who maketh grass to grow upon the mountains.
Izay manaron-drahona ny lanitra, Izay mamboatra ranonorana ho amin'ny tany, Izay mampaniry ahitra ny tendrombohitra,
147:9
He giveth to the beast his food, and to the young ravens which cry.
Manome hanina ho an'ny biby Izy Sy ho an'ny zana-goaika izay mitaraina.
147:10
He delighteth not in the strength of the horse: he taketh not pleasure in the legs of a man.
Tsy ny herin'ny soavaly no mahafinaritra Azy, Ary tsy ny tongotry ny olona no sitrany.
147:11
The LORD taketh pleasure in them that fear him, in those that hope in his mercy.
Jehovah mankasitraka izay matahotra Azy, Dia izay manantena ny famindram-pony.
147:12
Praise the LORD, O Jerusalem; praise thy God, O Zion.
Mankalazà an'i Jehovah, ry Jerosalema ô; Miderà an'Andriamanitrao, ry Ziona ô.
147:13
For he hath strengthened the bars of thy gates; he hath blessed thy children within thee.
Fa manamafy ny hidim-bavahadinao Izy, Sady mitahy ny zanakao eo afovoanao.
147:14
He maketh peace in thy borders, and filleth thee with the finest of the wheat.
Mahatonga ny fari-taninao ho fiadanana Izy; Vokisany vary tsara indrindra ianao.
147:15
He sendeth forth his commandment upon earth: his word runneth very swiftly.
Mampandeha ny didiny ho amin'ny tany Izy; Miely faingana dia faingana ny teniny.
147:16
He giveth snow like wool: he scattereth the hoarfrost like ashes.
Mandatsaka oram-panala tahaka ny landihazo Izy; Mampiely fanala tahaka ny lavenona Izy.
147:17
He casteth forth his ice like morsels: who can stand before his cold?
Mandatsaka ny havandrany ta-haka ny sombintsombin-javatra Izy; Iza no maharitra ny hatsiakany?
147:18
He sendeth out his word, and melteth them: he causeth his wind to blow, and the waters flow.
Mamoaka ny teniny Izy ka mampiempo ireny; Mampifofofofo ny rivony Izy, dia mandriaka ny rano.
147:19
He sheweth his word unto Jacob, his statutes and his judgments unto Israel.
Milaza ny teniny amin'i Jakoba Izy Ary ny didiny sy ny fitsipiny amin'Isiraely.
147:20
He hath not dealt so with any nation: and as for his judgments, they have not known them. Praise ye the LORD.
Tsy nanao toy izany tamin'izay firenena hafa Izy; Ary ny fitsipiny tsy mba fantatr'ireny. Haleloia.
Previous
Next