Psalms 49

למנצח לבני קרח מזמור שמעו זאת כל העמים האזינו כל ישבי חלד׃
Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Salamo. Mandrenesa izao, ry firenena rehetra; mihainoa, ry mponina rehetra amin'izao tontolo izao:
גם בני אדם גם בני איש יחד עשיר ואביון׃
Na ny ambany, na ny ambony, na ny manan-karena, na ny malahelo.
פי ידבר חכמות והגות לבי תבונות׃
Ny vavako hiteny fahendrena; ary ny fieritreretan'ny foko dia fahalalana.
אטה למשל אזני אפתח בכנור חידתי׃
Hanongilana ny sofiko hihaino oha-teny aho, ary hanonona teny saro-pantarina ampiarahiko amin-dokanga.
למה אירא בימי רע עון עקבי יסובני׃
Nahoana no hatahotra amin'ny andro fahoriana aho, nony manodidina ahy ny haratsian'ny mpamingana ahy,
הבטחים על חילם וברב עשרם יתהללו׃
Dia izay matoky ny hareny, Sy mirehareha amin'ny haben'ny fananany?
אח לא פדה יפדה איש לא יתן לאלהים כפרו׃
Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an'Andriamanitra izay avony,
ויקר פדיון נפשם וחדל לעולם׃
(Fa sarotra avotra ny ainy ka tsy azo atao mandrakizay),
ויחי עוד לנצח לא יראה השחת׃
Mba ho velona mandrakizay izy, ka tsy ho latsaka ao amin'ny lavaka.
כי יראה חכמים ימותו יחד כסיל ובער יאבדו ועזבו לאחרים חילם׃
Fa hita fa maty ihany ny olon-kendry; ary ny adala sy ny ketrina samy levona, ka mamela ny fananany ho an'ny hafa.
קרבם בתימו לעולם משכנתם לדר ודר קראו בשמותם עלי אדמות׃
Araka ny heviny dia ataony fa ho mandrakizay ny tranony, ary ny fonenany hahatratra ny taranaka fara mandimby; araka ny anarany no anononany ny taniny.
ואדם ביקר בל ילין נמשל כבהמות נדמו׃
Nefa na dia manana voninahitra aza ny olona, dia tsy maharitra izy; tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty izy.
זה דרכם כסל למו ואחריהם בפיהם ירצו סלה׃
Izany no falehan'ny olona adala; ary ny taranany mandimby azy mankasitraka ny teniny.
כצאן לשאול שתו מות ירעם וירדו בם ישרים לבקר וצירם לבלות שאול מזבל לו׃
Tahaka ny fanangona ondry no fanangona azy any amin'ny fiainan-tsi-hita; ny fahafatesana no mpiandry azy; ary hanapaka azy ny mahitsy nony maraina; ary ny bikany ho levona any amin'ny fiainan-tsi-hita, ka tsy hisy fonenany.
אך אלהים יפדה נפשי מיד שאול כי יקחני סלה׃
Fa Andriamanitra kosa hamonjy ny aiko amin'ny herin'ny fiainan-tsi-hita,3 satria handray ahy Izy.
אל תירא כי יעשר איש כי ירבה כבוד ביתו׃
Aza matahotra ianao, raha misy olona tonga manan-karena, ka mitombo ny voninahitry ny tranony;
כי לא במותו יקח הכל לא ירד אחריו כבודו׃
Fa tsy hitondra na inona na inona izy, raha maty; tsy mba hidina hanaraka azy ny voninahiny.
כי נפשו בחייו יברך ויודך כי תיטיב לך׃
Na dia miarahaba tena aza izy, raha mbola velona - Fa hidera anao ny olona, raha manisy soa ny tenanao ianao -
תבוא עד דור אבותיו עד נצח לא יראו אור׃
Dia hankany amin'ny razany izy, tsy hahita ny mazava intsony mandrakizay ireny.
אדם ביקר ולא יבין נמשל כבהמות נדמו׃
Izay olona manana voninahitra, nefa tsy manan-tsaina, dia tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty.