Psalms 91

Ko te tangata kei te wahi ngaro o te Runga Rawa tona kainga, ka noho ia i raro i te taumarumarutanga o te Kaha Rawa.
Ny mitoetra ao amin'ny fierena izay an'ny Avo Indrindra Dia monina eo ambanin'ny aloky ny Tsitoha.
Ka kiia e ahau a Ihowa, Ko ia toku piringa, toku pa, toku Atua, ka whakawhirinaki ahau ki a ia.
Izaho hilaza an'i Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy Ary Andriamanitro, Izay hitokiako.
Mana hoki koe e whakaora i te mahanga a te kaihopu manu, i te mate nanakia.
Fa Izy no hanafaka anao amin'ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandoza.
Ka hipokina koe e ia ki ona hou, a ka piri koe ki raro i ona pakau: ko tona pono hei whakangungu rakau, hei puapua mou.
Ny volon'elany no anaronany anao, Ary ao ambanin'ny elany no hialofanao; Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany.
E kore koe e wehi i te mea whakamataku i te po: i te pere e rere ana i te awatea.
Tsy hatahotra ny horohoro nony alina ianao, Na ny zana-tsipìka manidina nony andro,
I te mate uruta e rere ana i te pouri: i te whakangaromanga e whakangaro ana i te poutumarotanga.
Na ny areti-mandringana mandeha amin'ny maizina, Na ny fandringanana mandripaka amin'ny mitataovovonana.
He mano te hinga ki tou taha, tekau hoki nga mano ki tou matau; otiia e kore e tata ki a koe.
Na dia hisy arivo aza lavo eo anilanao sy iray alina eo an-kavananao, Dia tsy hihatra aminao izany
Ka titiro kau ou kanohi, ka matakitaki ki te utu mo te hunga kino.
Hijery maso fotsiny ianao,Ka ho hitanao ny hamaliana ny ratsy fanahy.
Ko koe hoki, e Ihowa, toku piranga! kua waiho e koe te Runga Rawa hei nohoanga mou:
Satria hoy ianao: Jehovah ô, Hianao no aroko, Sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra,
Kahore he kino e pa ki a koe, kahore ano he whiu e tata ki tou teneti.
Dia tsy hisy loza hanjo anao, Na aretina hanakaiky ny lainao.
Ka korerotia iho hoki koe e ia ki ana anahera kia tiakina koe i ou ara katoa.
Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao Mba hiaro anao eny amin'izay rehetra halehanao.
Ma ratou koe e hiki ake ki o ratou ringa, kei tutuki tou waewae ki te kohatu.
Eny an-tànany no hitondran'ireo anao, Fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao.
Ka haere koe i runga i te raiona, i te neke: ka takahia e koe ki raro te kuao raiona me te nakahi.
Ny liona masiaka sy ny vipera hodiavinao; Ny liona tanora sy ny menarana no hohitsahinao.
Ka whakaora ahau i a ia, mona i aroha ki ahau; maku ia e whakateitei ake, mona i matau ki toku ingoa.
Satria Izaho no niraiketan'ny fitiavany, Dia hamonjy azy Aho, Hanandratra azy ho any amin'ny avo Aho, satria mahalala ny anarako izy
Ka karanga ia ki ahau, a ka whakahoki kupu ahau ki a ia: ka tata ahau ki a ia i te wa o te he; maku ia e whakaora, maku ano ia e whakahonore.
Hiantso Ahy izy, dia hamaly azy Aho; Ho eo aminy Aho, raha ory izy; Hamonjy sy hanome voninahitra azy Aho.
Ka whakaroaina e ahau ona ra, a na noa ia: ka whakakitea hoki taku whakaoranga ki a ia.
Hovokisako fahela-velona izy Ary hasehoko azy ny famonjeko.