Job 10

Maharikoriko ahy ny aiko; Hamoaka ny fitarainako aho sy hiteny noho ny fangidian'ny fanahiko
נקטה נפשי בחיי אעזבה עלי שיחי אדברה במר נפשי׃
Hanao amin'Andriamanitra hoe aho: Aza manameloka ahy; Mba ampahalalao izay anton'ny iadianao amiko aho.
אמר אל אלוה אל תרשיעני הודיעני על מה תריבני׃
Mahafaly Anao va ny hampahory sy hanary ny efa nisasaranao ka hamirapiratra amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy?
הטוב לך כי תעשק כי תמאס יגיע כפיך ועל עצת רשעים הופעת׃
Manana maso nofo va Hianao? Na mijery tahaka ny fijerin'ny zanak'olombelona?
העיני בשר לך אם כראות אנוש תראה׃
Tahaka ny andron'ny zanak'olombelona va ny andronao? Na tahaka ny taonan'ny olombelona ny taonanao,
הכימי אנוש ימיך אם שנותיך כימי גבר׃
No dia mikaroka izay heloko Hianao sy mikatsaka izay fahotako,
כי תבקש לעוני ולחטאתי תדרוש׃
Na dia fantatrao aza fa tsy mba ratsy fanahy aho, ary tsy misy mahavonjy amin'ny tananao?
על דעתך כי לא ארשע ואין מידך מציל׃
Ny tananao ihany no namorona ahy ka nanisy endrika izao tenako rehetra izao, kanjo levoninao indray aho izao.
ידיך עצבוני ויעשוני יחד סביב ותבלעני׃
Masina Hianao, tsarovy fa notefenao toy ny tanimanga aho, ka hamerina ahy amin'ny vovoka indray Hianao!
זכר נא כי כחמר עשיתני ואל עפר תשיבני׃
Tsy naidinao toy ny ronono va aho ka nampandrinao toy ny ronono-mandry?
הלא כחלב תתיכני וכגבנה תקפיאני׃
Eny, notafianao hoditra sy nofo aho ary norarinao tamin'ny taolana sy ny ozatra.
עור ובשר תלבישני ובעצמות וגידים תסככני׃
Aina sy famindram-po no nomenao ahy; Ary ny fiahianao no niaro ny aiko.
חיים וחסד עשית עמדי ופקדתך שמרה רוחי׃
Saingy izao no nafeninao tao am-ponao, eny, fantatro fa tao aminao izao:
ואלה צפנת בלבבך ידעתי כי זאת עמך׃
Raha manota aho, dia mamantatra ahy Hianao ka tsy manafaka ahy amin'ny heloko.
אם חטאתי ושמרתני ומעוני לא תנקני׃
Raha meloka aho, dia lozako! Ary na dia marina aza aho, dia tsy ho sahy miandrandra, satria feno henatra sady mahatsiaro fahoriana aho.
אם רשעתי אללי לי וצדקתי לא אשא ראשי שבע קלון וראה עניי׃
Fa raha sahy miandrandra aho, dia hihaza ahy tahaka ny liona masiaka Hianao; Ary hiverina indray Hianao, ka ho mahagaga ny famelinao ahy.
ויגאה כשחל תצודני ותשב תתפלא בי׃
Mbola hanangana vavolombelona vaovao mandrakariva hanameloka ahy Hianao sy hampitombo ny fahatezeranao amiko; Fahavalo mifanontona no mamely ahy.
תחדש עדיך נגדי ותרב כעשך עמדי חליפות וצבא עמי׃
Ka nahoana no namoaka ahy foana avy tany am-bohoka Hianao? Fa raha tsy izany, dia ho niala aina aho, ka tsy mba nisy maso nahita ahy akory.
ולמה מרחם הצאתני אגוע ועין לא תראני׃
Ary efa toy ny tsy ary aho. Ka nentina avy tany an-kibo ho any am-pasana.
כאשר לא הייתי אהיה מבטן לקבר אובל׃
Tsy vitsy va ny androko? Koa mitsahara Hianao, mihataha mba hakako aina kely,
הלא מעט ימי יחדל ישית ממני ואבליגה מעט׃
Dieny tsy mbola lasa tsy hiverina aho, dia ho any amin'ny tanin'ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana,
בטרם אלך ולא אשוב אל ארץ חשך וצלמות׃
Ho any amin'ny tany maizim-pito, dia ny an'ny aloky ny fahafatesana sy ny fikorontanana, sady maizim-pito ny famirapiratana any.
ארץ עפתה כמו אפל צלמות ולא סדרים ותפע כמו אפל׃