Psalms 34

Nataon'i Davida tamin'izy nody adala teo anatrehan'i Abimeleka, dia noroahiny ka lasa nandeha. Hisaotra an'i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy.
(大卫在亚比米勒面前装疯,被他赶出去,就作这诗。)我要时时称颂耶和华;讚美他的话必常在我口中。
Jehovah no reharehan'ny fanahiko; hahare izany ny mpandefitra ka ho fay.
我的心必因耶和华夸耀;谦卑人听见就要喜乐。
Miaraha mankalaza an'i Jehovah amiko; ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika.
你们和我当称耶和华为大,一同高举他的名。
Mitady an'i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy ka manafaka ahy amin'ny tahotro rehetra.
我曾寻求耶和华,他就应允我,救我脱离了一切的恐惧。
Mijery Azy ireo ka miramirana, sady tsy mangaihay ny tavany.
凡仰望他的,便有光荣;他们的脸必不蒙羞。
Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah ka namonjy azy tamin'ny fahoriany rehetra.
我这困苦人呼求,耶和华便垂听,救我脱离一切患难。
Ny Anjelin'i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy.
耶和华的使者在敬畏他的人四围安营,搭救他们。
Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy.
你们要尝尝主恩的滋味,便知道他是美善;投靠他的人有福了!
Matahora an'i Jehovah, ianareo olony masina;fa tsy hanan-java-mahory izay matahotra Azy.
耶和华的圣民哪,你们当敬畏他,因敬畏他的一无所缺。
Na dia ny liona tanora aza tsy ampy hanina ka noana. Fa izay mitady an'i Jehovah kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory.
少壮狮子还缺食忍饿,但寻求耶和华的什么好处都不缺。
Avia, anaka, mihainoa ahy; ny fahatahorana an'i Jehovah no hampianariko anareo.
众弟子啊,你们当来听我的话!我要将敬畏耶和华的道教训你们。
Na iza na iza ianao no maniry fiainana ka tia andro maro hahitana ny soa,
有何人喜好存活,爱慕长寿,得享美福,
Dia arovy ny lelanao amin'ny ratsy ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka.
就要禁止舌头不出恶言,嘴唇不说诡诈的话。
Halaviro ny ratsy, manaova soa; mitadiava fihavanana, ka araho izany.
要离恶行善,寻求和睦,一心追赶。
Ny mason'i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.
耶和华的眼目看顾义人;他的耳朵听他们的呼求。
Ny tavan'i Jehovah tezitra amin'ny mpanao ratsy kosa, mba hofongorany tsy ho eo amin'ny tany ny fahatsiarovana azy.
耶和华向行恶的人变脸,要从世上除灭他们的名号。
Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin'ny fahoriany rehetra.
义人呼求,耶和华听见了,便救他们脱离一切患难。
Akaikin'izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy.
耶和华靠近伤心的人,拯救灵性痛悔的人。
Maro ny fahorian'ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin'izany rehetra izany.
义人多有苦难,但耶和华救他脱离这一切,
Miaro ny taolany rehetra izy; tsy hisy ho tapaka ireny na dia iray akory aza.
又保全他一身的骨头,连一根也不折断。
Hahafaty ny ratsy fanahy ny fahoriana; ary ny mankahala ny olo-marina hohelohina.
恶必害死恶人;恨恶义人的,必被定罪。
Fa Jehovah manavotra ny fanahin'ny mpanompony, ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy.
耶和华救赎他仆人的灵魂;凡投靠他的,必不致定罪。