Job 8

Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe:
书亚人比勒达回答说:
Mandra-pahoviana no hiteny toy izany ianao, ka ho rivotra mahery ny teny aloaky ny vavanao?
这些话你要说到几时?口中的言语如狂风要到几时呢?
Andriamanitra va hamadika ny fitsarana, na ny Tsitoha hamadika ny rariny?
 神岂能偏离公平?全能者岂能偏离公义?
Raha nanota taminy ny zanakao, dia efa nampanodiaviny azy ny fahadisoany.
或者你的儿女得罪了他;他使他们受报应。
Fa raha ianao kosa mandroso mitady an'Andriamanitra ka mifona amin'ny Tsitoha.
你若殷勤地寻求 神,向全能者恳求;
Ary raha madio sy mahitsy ianao, dia hifoha hamonjy anao tokoa Izy ary hampiadana indray ny fonenan'ny fahamarinanao,
你若清洁正直,他必定为你起来,使你公义的居所兴旺。
Ka na dia kely aza no niandohanao, dia ho lehibe indrindra no hiafaranao.
你起初虽然微小,终久必甚发达。
Fa masìna ianao, anontanio ange ny ntaolo, ka fantaro ny hevitra hitan'ny razany
请你考问前代,追念他们的列祖所查究的。
(Fa vao omaly isika ka tsy mba mahalala, fa aloka ihany ny androntsika etỳ ambonin'ny tany);
我们不过从昨日才有,一无所知;我们在世的日子好像影儿。
Tsy ireny va no hampianatra anao ka hilaza aminao ary hamoaka teny avy ao am-pony?
他们岂不指教你,告诉你,从心里发出言语来呢?
Haniry va ny zozoro, raha tsy eny amin'ny fotaka? Hitrebona va ny harefo, raha tsy misy rano?
蒲草没有泥岂能发长?芦荻没有水岂能生发?
Mbola maitso izy sady tsy voajinja, kanefa malazo alohan'ny zava-maitso rehetra.
尚青的时候,还没有割下,比百样的草先枯槁。
Toy izany no lalan'izay rehetra manadino an'Andriamanitra; Ary ho very ny fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy,
凡忘记 神的人,景况也是这样;不虔敬人的指望要灭没。
Fa ho maito ny fanantenany, eny, ho tranon-kala ny tokiny.
他所仰赖的必折断;他所倚靠的是蜘蛛网。
Miankina amin'ny tranony izy, kanjo tsy maharitra iny; Mihazona azy mafy izy, kanjo tsy mahazaka azy iny.
他要倚靠房屋,房屋却站立不住;他要抓住房屋,房屋却不能存留。
Mitsimoka tsara tandrifin'ny masoandro izy, ary ny rantsany misandrahaka eo amin'ny tanimboliny;
他在日光之下发青,蔓子爬满了园子;
Mifelipelika mifaniditra eo amin'ny korontam-bato ny fakany ary mahazo any anelanelany;
他的根盘绕石堆,扎入石地。
Kanjo nony fongorany hiala amin'ny fitoerany izy, dia handà azy izany ka hanao hoe: Tsy mbola nahita anao akory aho.
他若从本地被拔出,那地就不认识他,说:我没有见过你。
Indro, izany ihany no fifalian'ny lalan-kalehany; ary hisy hafa indray mitrebona avy amin'ny vovoka.
看哪,这就是他道中之乐;以后必另有人从地而生。
Indro, Andriamanitra tsy hanary ny olona tsy manan-tsiny ary tsy hitantana ny mpanao ratsy;
 神必不丢弃完全人,也不扶助邪恶人。
Mbola hofenoiny hehy ny vavanao sy hoby ny molotrao.
他还要以喜笑充满你的口,以欢呼充满你的嘴。
Izay mankahala anao hitafy henatra; Ary tsy hisy intsony ny lain'ny ratsy fanahy.
恨恶你的要披戴惭愧;恶人的帐棚必归于无有。