Job 24

Nahoana no tsy misy fotoan'andro voatendrin'ny Tsitoha, ary nahoana no tsy hitan'ny mahalala Azy izany androny Izany?
全能者既定期罚恶,为何不使认识他的人看见那日子呢?
Misy mamindra fari-tany sy mangalatra omby aman'ondry sady miandry azy.
有人挪移地界,抢夺群畜而牧养。
Mandroaka ny borikin'ny kamboty izy, ary maka ny ombin'ny mpitondratena ho tsatòka.
他们拉去孤儿的驴,强取寡妇的牛为当头。
Manosika ny mahantra hiala amin'ny lalana izy, ka dia miery azy avokoa ny malahelo amin'ny tany.
他们使穷人离开正道;世上的贫民尽都隐藏。
Indro, tahaka ny fivoaky ny boriki-dia any an-efitra no fivoak'ireny ho amin'ny asany hiremby; Ny tani-hay no ahazoany hanina ho an'ny zanany.
这些贫穷人如同野驴出到旷野,殷勤寻找食物;他们靠著野地给儿女糊口,
Any an-tsaha izy maka vilona sy mitsimpontsimpona ny voaloboky ny ratsy fanahy.
收割别人田间的禾稼,摘取恶人余剩的葡萄,
Mandry mitanjaka amin'ny alina izy, satria tsy manan-damba, ka dia tsy manana firakotra amin'ny hatsiaka;
终夜赤身无衣,天气寒冷毫无遮盖,
Kotsan'ny ranonoram-baratra any an-tendrombohitra izy, ka mitampisaka amin'ny vatolampy, fa tsy manam-pialofana.
在山上被大雨淋湿,因没有避身之处就挨近磐石。
Misarika ny kamboty eo am-pinonoana izy ary maka tsatòka amin'ny ory.
又有人从母怀中抢夺孤儿,强取穷人的衣服为当头,
Mandeha mitsaitsaika ireo, fa mitanjaka tsy manan-kitafy, ary noana eo am-pitondrana ny amboaram-bary.
使人赤身无衣,到处流行,且因饥饿扛抬禾捆,
Manao diloilo eo anatin'ny tambohon'ny mpampahory azy izy; Ary manosihosy ny famiazam-boaloboka izy, nefa mangetaheta ihany.
在那些人的围墙内造油,醡酒,自己还口渴。
Mitrona ny lehilahy ao an-tanana, ary mitaraina ny fanahin'ny voalefona; Nefa tsy ahoan'Andriamanitra akory ny ratsy atao.
在多民的城内有人唉哼,受伤的人哀号; 神却不理会那恶人的愚妄。
Ireny no mpikomy amin'ny mazava; Tsy mba mihevitra ny lalany izy, na mitoetra eo amin'ny alehany.
又有人背弃光明,不认识光明的道,不住在光明的路上。
Raha vao mangiran-dratsy, dia mifoha ny mpamono olona; Mamono ny ory sy ny malahelo izy, ary nony alina, dia tahaka ny mpangalatra.
杀人的黎明起来,杀害困苦穷乏人,夜间又作盗贼。
Ny mason'ny mpijangajanga miandry ny maizimaizina, ka hoy izy: Tsy misy hahalala ahy ka dia manao very maso izy.
奸夫等候黄昏,说:必无眼能见我,就把脸蒙蔽。
Misy manamy trano nony maizina; Nefa nony antoandro dia miery izy; Tsy mahalala ny mazava izy;
盗贼黑夜挖窟窿;白日躲藏,并不认识光明。
Fa ny aizim-pito no marainan'ireo rehetra ireo; Satria efa mahazatra azy ny fampahatahoran'ny aizim-pito izy.
他们看早晨如幽暗,因为他们晓得幽暗的惊骇。
Mitsinkafona paohin'ny rano izy; Voaozona ny anjarany eo amin'ny tany; Tsy mivily ho amin'ny lalana mankeny amin'ny tanim-boaloboka izy.
这些恶人犹如浮萍快快飘去。他们所得的分在世上被咒诅;他们不得再走葡萄园的路。
Toy ny andevonan'ny maina sy ny mafana ny ranom-panala no andevonan'ny fiainan-tsi-hita ny mpanota.
干旱炎热消没雪水;阴间也如此消没犯罪之辈。
Manadino azy ny vohoka; manjary hanim-py ho an'ny olitra izy ka tsy tsarovana intsony; Ary tapaka tahaka ny hazo ny ratsy fanahy,
怀他的母(原文是胎)要忘记他;虫子要吃他,觉得甘甜;他不再被人记念。不义的人必如树折断。
Dia ilay nandroba ny momba izay tsy niteraka ary tsy nanisy soa ny mpitondratena.
他恶待(或译:他吞灭)不怀孕不生养的妇人,不善待寡妇。
Kanefa halavain'Andriamanitra amin'ny heriny ny andron'ny olo-mahery; Mitsangana indray ireo, na dia tsy nanampo izay ho velona intsony aza.
然而 神用能力保全有势力的人;那性命难保的人仍然兴起。
Ataony mandry fahizay sy tsara tohana izy, sady tsinjoviny mandrakariva ny lalany.
 神使他们安稳,他们就有所倚靠; 神的眼目也看顾他们的道路。
Nasandratra izy, kanjo vetivety dia tsy ao intsony, dia mihalevona izy ka otazana tahaka ny olona rehetra, ary tangosana tahaka ny salohim-bary.
他们被高举,不过片时就没有了;他们降为卑,被除灭,与众人一样,又如谷穗被割。
Raha tsy izany, dia aoka hisy hamaky lainga ahy ka hampiseho ny teniko ho tsinontsinona.
若不是这样,谁能证实我是说谎的,将我的言语驳为虚空呢?