Job 23

Dia namaly Joba ka nanao hoe:
约伯回答说:
Mbola atao ho fikomianao ihany ny fitarainako; Ny tanana mamely ahy dia mitambesatra amin'ny fisentoako.
如今我的哀告还算为悖逆;我的责罚比我的唉哼还重。
Enga anie ka ho fantatro izay hahitako Azy ka ho tonga any amin'ny fitoerany aza!
惟愿我能知道在哪里可以寻见 神,能到他的台前,
Dia handahatra ny teniko eo anatrehany aho. Ka hofenoiko ny teny alahatro ny vavako;
我就在他面前将我的案件陈明,满口辩白。
Ary hahalala izay teny havaliny ahy aho sy hamantatra izay holazainy amiko.
我必知道他回答我的言语,明白他向我所说的话。
Hery lehibe va no handaharany teny amiko? Tsia, fa Izy indrindra no hihaino ahy
他岂用大能与我争辩吗?必不这样!他必理会我。
Fa amin'izany dia olona marina no ho nifandahatra taminy; Ka dia ho nanan-drariny mihitsy aho tamin'ny Mpitsara ahy.
在他那里正直人可以与他辩论;这样,我必永远脱离那审判我的。
Indro, miantsinanana aho, fa tsy any Izy; Ary miankandrefana aho, fa tsy hitako Izy;
只是,我往前行,他不在那里,往后退,也不能见他。
Mianavaratra amin'izay iasany aho, fa tsy tazako Izy; Mivily any atsimo Izy, ka tsy hitako.
他在左边行事,我却不能看见,在右边隐藏,我也不能见他。
Fa mahalala ny lalana falehako Izy; Raha hizahany toetra aho, dia hivoaka tahaka ny volamena.
然而他知道我所行的路;他试炼我之后,我必如精金。
Ny tongotro nifikitra tamin'ny lalany; Eny, ny lalany no nizorako tsara, ka tsy nivily aho.
我脚追随他的步履;我谨守他的道,并不偏离。
Ny didin'ny molony tsy mba nialako; Ny tenin'ny vavany noraketiko mihoatra noho ny faniriako.
他嘴唇的命令,我未曾背弃;我看重他口中的言语,过于我需用的饮食。
Nefa tsy miova saina Izy, iza no mahasakana Azy? Fa na inona na inona irin'ny fanahiny dia ataony.
只是他心志已定,谁能使他转意呢?他心里所愿的,就行出来。
Eny, manatanteraka izay voatendry ho ahy Izy; Ary zavatra maro toy izany no ao aminy;
他向我所定的,就必做成;这类的事他还有许多。
Roa Izany no mampangovitra ahy eo anatrehany; Raha misaintsaina izany aho, dia matahotra Azy.
所以我在他面前惊惶;我思念这事便惧怕他。
Fa Andriamanitra no mandrerakany foko, ary ny Tsitoha no mampangovitra ahy;
 神使我丧胆;全能者使我惊惶。
Fa tsy ny fahamaizinana no maharesy ahy, na ny maizim-pito izay manarona ny tavako.
我的恐惧不是因为黑暗,也不是因为幽暗蒙蔽我的脸。