Psalms 91

住在至高者隐密处的,必住在全能者的荫下。
Ny mitoetra ao amin'ny fierena izay an'ny Avo Indrindra Dia monina eo ambanin'ny aloky ny Tsitoha.
我要论到耶和华说:他是我的避难所,是我的山寨,是我的 神,是我所倚靠的。
Izaho hilaza an'i Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy Ary Andriamanitro, Izay hitokiako.
他必救你脱离捕鸟人的网罗和毒害的瘟疫。
Fa Izy no hanafaka anao amin'ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandoza.
他必用自己的翎毛遮蔽你;你要投靠在他的翅膀底下;他的诚实是大小的盾牌。
Ny volon'elany no anaronany anao, Ary ao ambanin'ny elany no hialofanao; Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany.
你必不怕黑夜的惊骇,或是白日飞的箭,
Tsy hatahotra ny horohoro nony alina ianao, Na ny zana-tsipìka manidina nony andro,
也不怕黑夜行的瘟疫,或是午间灭人的毒病。
Na ny areti-mandringana mandeha amin'ny maizina, Na ny fandringanana mandripaka amin'ny mitataovovonana.
虽有千人仆倒在你旁边,万人仆倒在你右边,这灾却不得临近你。
Na dia hisy arivo aza lavo eo anilanao sy iray alina eo an-kavananao, Dia tsy hihatra aminao izany
你惟亲眼观看,见恶人遭报。
Hijery maso fotsiny ianao,Ka ho hitanao ny hamaliana ny ratsy fanahy.
耶和华是我的避难所;你已将至高者当你的居所,
Satria hoy ianao: Jehovah ô, Hianao no aroko, Sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra,
祸患必不临到你,灾害也不挨近你的帐棚。
Dia tsy hisy loza hanjo anao, Na aretina hanakaiky ny lainao.
因他要为你吩咐他的使者,在你行的一切道路上保护你。
Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao Mba hiaro anao eny amin'izay rehetra halehanao.
他们要用手托著你,免得你的脚碰在石头上。
Eny an-tànany no hitondran'ireo anao, Fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao.
你要踹在狮子和虺蛇的身上,践踏少壮狮子和大蛇。
Ny liona masiaka sy ny vipera hodiavinao; Ny liona tanora sy ny menarana no hohitsahinao.
 神说:因为他专心爱我,我就要搭救他;因为他知道我的名,我要把他安置在高处。
Satria Izaho no niraiketan'ny fitiavany, Dia hamonjy azy Aho, Hanandratra azy ho any amin'ny avo Aho, satria mahalala ny anarako izy
他若求告我,我就应允他;他在急难中,我要与他同在;我要搭救他,使他尊贵。
Hiantso Ahy izy, dia hamaly azy Aho; Ho eo aminy Aho, raha ory izy; Hamonjy sy hanome voninahitra azy Aho.
我要使他足享长寿,将我的救恩显明给他。
Hovokisako fahela-velona izy Ary hasehoko azy ny famonjeko.