Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, Na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao, Dia Andriamanitra Hianao hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay.
Fito-polo taona no andron'ny taonanay Ary raha tàhiny mateza aza, dia valo-polo taona, Nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny, Fa mihelina faingana izany, ka lasa manidina izahay.