Numbers 15

耶和华对摩西说:
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
「你晓谕以色列人说:你们到了我所赐给你们居住的地,
Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha tonga any amin'ny tany honenanareo izay omeko anareo ianareo
若愿意从牛群羊群中取牛羊作火祭,献给耶和华,无论是燔祭是平安祭,为要还特许的愿,或是作甘心祭,或是逢你们节期献的,都要奉给耶和华为馨香之祭。
ka manatitra fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia omby na ondry aman'osy hatao fanatitra dorana, na fanatitra hafa alatsa-drà hanalana voady, na amin'ny sitrapo na amin'ny fotoam-pivavahanareo, hanaovana hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah:
那献供物的就要将细面伊法十分之一,并油一欣四分之一,调和作素祭,献给耶和华。
izay manatitra ny fanatiny ho an'i Jehovah dia hanatitra fanatitra hohanina koa, dia koba tsara toto ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ampahefatry ny hina;
无论是燔祭是平安祭,你要为每只绵羊羔,一同预备奠祭的酒一欣四分之一。
ary divay ampahefatry ny hina hatao fanatitra aidina no hampombainao ny fanatitra dorana, na ny fanatitra hafa alatsa-drà, amin'ny isan-janak'ondry iray.
为公绵羊预备细面伊法十分之二,并油一欣三分之一,调和作素祭,
Ary ho fanampin'ny isan-ondrilahy iray dia koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ampahatelon'ny hina no haterinao ho fanatitra hohanina;
又用酒一欣三分之一作奠祭,献给耶和华为馨香之祭。
ary divay ampahatelon'ny hina no haterinao ho fanatitra aidina, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
你预备公牛作燔祭,或是作平安祭,为要还特许的愿,或是作平安祭,献给耶和华,
Ary raha manatitra omby ho fanatitra dorana na ho fanatitra hafa alatsa-drà ianao, hanalana voady, na ho fanati-pihavanana ho an'i Jehovah,
就要把细面伊法十分之三,并油半欣,调和作素祭,和公牛一同献上,
dia fanatitra hohanina koa no haterinao ho fanampin'ny isan-omby iray, dia koba tsara toto telo ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo antsasaky ny hina;
又用酒半欣作奠祭,献给耶和华为馨香的火祭。
ary divay antsasaky ny hina no haterinao ho fanatitra aidina, ho fanatitra atao amin'ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
「献公牛、公绵羊、绵羊羔、山羊羔,每只都要这样办理。
Izany no hatao amin'ny isan-omby iray, na ny isan-ondrilahy iray, na ny isan-janak'ondry iray, na ny isan-janak'osy iray.
照你们所预备的数目,按著只数都要这样办理。
Tahaka izany no hataonareo amin'izy rehetra, araka ny isan'ny zavatra aterinareo.
凡本地人将馨香的火祭献给耶和华,都要这样办理。
Ny tompon-tany rehetra samy hanao ireo zavatra ireo araka izany, raha manatitra fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izy.
若有外人和你们同居,或有人世世代代住在你们中间,愿意将馨香的火祭献给耶和华,你们怎样办理,他也要照样办理。
Ary raha misy vahiny eo aminareo, na olona miara-mitoetra aminareo, hatramin'ny taranakareo fara mandimby, ka manatitra fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izy, dia araka izay ataonareo no hataony.
至于会众,你们和同居的外人都归一例,作为你们世世代代永远的定例,在耶和华面前,你们怎样,寄居的也要怎样。
Ary ny amin'ny fiangonana, dia lalàna iray ihany sy fanao iray ihany no ho aminareo sy izay vahiny eo aminareo koa, dia lalàna mandrakizay hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany: tsy hisy hafa eo anatrehan'i Jehovah na ianareo na ny vahiny.
你们并与你们同居的外人当有一样的条例,一样的典章。
Lalàna iray ihany sy fanao iray ihany no ho aminareo sy izay vahiny eo aminareo.
耶和华对摩西说:
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
「你晓谕以色列人说:你们到了我所领你们进去的那地,
Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha tonga any amin'ny tany izay itondrako anareo ianareo
吃那地的粮食,就要把举祭献给耶和华。
ka hihinana mofo avy amin'ny vokatry ny tany, dia hanokana izay ho an'i Jehovah.
你们要用初熟的麦子磨面,做饼当举祭奉献;你们举上,好像举禾场的举祭一样,
Hanokana mofo iray izay hatao amin'ny voalohan'ny kobanareo voafetafeta ianareo; tahaka izay atokana avy eo amin'ny famoloana no hanokananareo izany.
你们世世代代要用初熟的麦子磨面,当举祭献给耶和华。
Ny voalohan'ny kobanareo voafetafeta dia hanomezanareo ho an'i Jehovah hatramin'ny taranakareo fara mandimby.
「你们有错误的时候,不守耶和华所晓谕摩西的这一切命令,
Ary raha manota tsy nahy ianareo ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo, izay nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy,
就是耶和华借摩西一切所吩咐你们的,自那日以至你们的世世代代,
dia izay rehetra nasain'i Jehovah nandidian'i Mosesy anareo, hatramin'ny andro izay nanaovan'i Jehovah izany didy izany ka hatramin'ny taranakareo fara mandimby,
若有误行,是会众所不知道的,后来全会众就要将一只公牛犊作燔祭,并照典章把素祭和奠祭一同献给耶和华为馨香之祭,又献一只公山羊作赎罪祭。
koa atao tsy nahy izany ka tsy fantatry ny fiangonana; dia hanatitra vantotr'ombilahy iray ny fiangonana rehetra ho fanatitra dorana, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah, mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy, araka ny fanao, ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota.
祭司要为以色列全会众赎罪,他们就必蒙赦免,因为这是错误。他们又因自己的错误,把供物,就是向耶和华献的火祭和赎罪祭,一并奉到耶和华面前。
Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka dia havela ny helony, satria natao tsy nahy izany; ary hitondra ny fanatiny izy, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, ary ny fanatiny noho ny ota, eo anatrehan'i Jehovah, noho ny ota tsy nahy nataony.
以色列全会众和寄居在他们中间的外人就必蒙赦免,因为这罪是百姓误犯的。
Dia havela ny heloky ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, mbamin'izay vahiny eo aminy; fa nahazo ny olona rehetra izany noho ny ota tsy nahy,
「若有一个人误犯了罪,他就要献一岁的母山羊作赎罪祭。
Ary raha olona iray kosa no manota tsy nahy, dia hanatitra osivavy iray izay iray taona izy ho fanatitra noho ny ota.
那误行的人犯罪的时候,祭司要在耶和华面前为他赎罪,他就必蒙赦免。
Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an'ny olona izay nanota tsy nahy eo anatrehan'i Jehovah, ka dia havela ny helony.
以色列中的本地人和寄居在他们中间的外人,若误行了什么事,必归一样的条例,
Lalàna iray ihany no hatao amin'izay manota tsy nahy, na amin'ny Zanak'Isiraely rehetra, na amin'ny vahiny eo aminareo.
但那擅敢行事的,无论是本地人是寄居的,他亵渎了耶和华,必从民中剪除。
Fa ny olona izay manota sahisahy kosa, na tompon-tany, na vahiny, dia manamavo an'i Jehovah, ka dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
因他藐视耶和华的言语,违背耶和华的命令,那人总要剪除;他的罪孽要归到他身上。」
Fa ny tenin'i Jehovah no nohamavoiny, ary ny lalàny no nodikainy, dia hofongorana tokoa izany olona izany; ny helony dia ho aminy ihany.
以色列人在旷野的时候,遇见一个人在安息日捡柴。
Ary raha tany an-efitra ny Zanak'Isiraely, dia nahita lehilahy anankiray nanangona kitay hazo tamin'ny andro Sabata.
遇见他捡柴的人,就把他带到摩西、亚伦并全会众那里,
Ary izay nahita azy nanangona kitay dia nitondra azy teo amin'i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana rehetra.
将他收在监内;因为当怎样办他,还没有指明。
Dia nambenana ralehilahy, satria tsy mbola fantatra izay hatao aminy.
耶和华吩咐摩西说:「总要把那人治死;全会众要在营外用石头把他打死。」
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Hatao maty tokoa izany lehilahy izany; hitora-bato azy eny ivelan'ny toby ny fiangonana rehetra.
于是全会众将他带到营外,用石头打死他,是照耶和华所吩咐摩西的。
Dia namoaka azy ho eny ivelan'ny toby ny fiangonana rehetra ka nitora-bato azy, ka maty izy, dia araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ihany.
耶和华晓谕摩西说:
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
「你吩咐以色列人,叫他们世世代代在衣服边上做䍁子,又在底边的䍁子上钉一根蓝细带子。
Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely, ka asaovy asiany somotraviavy ny sisin'ny fitafiany hatramin'ny taranany fara mandimby, ary aoka hasiany kofehy manga eo amin'ny somotraviaviny.
你们佩带这䍁子,好叫你们看见就记念遵行耶和华一切的命令,不随从自己的心意、眼目行邪淫,像你们素常一样;
Ary ho somotraviavy ho anareo izany, ka raha jerenareo, dia hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didin'i Jehovah rehetra; ary tsy handeha araka ny fonareo ianareo, na araka ny masonareo, izay andehananareo hijangajangana,
使你们记念遵行我一切的命令,成为圣洁,归与你们的 神。
mba hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didiko rehetra, ka dia ho masina ho an'Andriamanitrareo ianareo.
「我是耶和华─你们的 神,曾把你们从埃及地领出来,要作你们的 神。我是耶和华─你们的 神。」
Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta mba ho Andriamanitrareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.