koa niangona hiodina amin'i Mosesy sy Arona ireo ka nanao taminy hoe: Aoka izay ianareo! fa masina avokoa ny fiangonana rehetra, sady Jehovah no eo aminy; koa nahoana no dia manandra-tena ho ambonin'ny fiangonan'i Jehovah ianareo?
ka niteny tamin'i Kora sy ny namany rehetra nanao hoe: Rahampitso dia hasehon'i Jehovah izay Azy sy izay masina ka hampanakekeny Azy; dia izay fidiny no hampanakekeny Azy.
dia asio afo eo anatiny ka asio ditin-kazo manitra eo aminy eo anatrehan'i Jehovah; ary ny lehilahy izay fidin'i Jehovah, dia izy no ho masina; fa aoka izay ianareo, ry taranak'i Levy!
Moa ataonareo ho zavatra kely va ny nampisarahan'Andriamanitry ny Isiraely anareo tamin'ny fiangonan'ny Isiraely hitondrany anareo ho akaiky Azy, hanaovanareo ny fanompoam-pivavahana momba ny tabernakelin'i Jehovah sy hitoeranareo eo anatrehan'ny fiangonana hanompo azy?
Moa zavatra kely va ny nitondranao anay niakatra niala tany amin'izay tany tondra-dronono sy tantely hahafaty anay atỳ an-efitra, no dia manao anao ho lehibenay koa ianao?
Ary koa, ianao tsy nitondra anay ho any amin'izay tany tondra-dronono sy tantely tsinona, na nanome anay saha sy tanim-boaloboka ho fanananay; hopotsirinao va ny mason'ireto lehilahy ireto? Tsy hiakatra izahay.
Ary samia maka ny fitondrana fony avy ianareo rehetra, ka asio ditin-kazo manitra eo anatiny, ary samia mitondra ny fitondran'afony avy ianareo rehetra ho eo anatrehan'i Jehovah, dia fitondran'afo dimam-polo amby roan-jato; dia ianao sy Arona samy hitondra ny fitondran'afony avy.
Ary Kora nanangona ny namany rehetra ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana hanohitra azy roa lahy; dia niseho tamin'ny fiangonana rehetra ny voninahitr'i Jehovah.
Dia niankohoka izy roa lahy ka nanao hoe: Andriamanitra ô, Andriamanitry ny fanahin'ny nofo rehetra, olona iray no nanota, ka ho tezitra amin'ny fiangonana rehetra va Hianao?
Dia nihataka ny olona mba tsy ho eo akaikin'ny lain'i Kora sy Datana ary Abìrama; ary Datana sy Abìrama nivoaka ka nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny lainy mbamin'ny vadiny sy ny zananilahy ary ny zanany madinika.
Fa raha hanao zavatra vaovao kosa Jehovah, ka hisokatra ny tany ary hitelina azy mbamin'izay azy rehetra, ka ho latsaka velona any amin'ny fiainan-tsi-hita'izy, dia ho fantatrareo fa efa nandà an'i Jehovah ireo lehilahy ireo.
Dia latsaka velona ho any amin'ny fiainan-tsi-hita izy mbamin'izay azy rehetra; ary ny tany dia nikatona taminy, ka fongotra tsy ho amin'ny fiangonana intsony izy.