Job 16

约伯回答说:
Dia namaly Joba ka nanao hoe:
这样的话我听了许多;你们安慰人,反叫人愁烦。
Efa nandre zavatra maro toy izany aho; Mpampionona mahasorisorena foana ianareo rehetra.
虚空的言语有穷尽么?有什么话惹动你回答呢?
Efa tapitra va izay ny bedibedy foana? Sa mbola misy manesika anao hamaly ahy ihany?
我也能说你们那样的话;你们若处在我的境遇,我也会联络言语攻击你们,又能向你们摇头。
Izaho kosa mba mahazo miteny tahaka anareo, raha mba tonga tahaka ahy ianareo; eny, mahazo manamboatra teny ho enti-mamely anareo aho ary mahazo mihifikifi-doha aminareo;
但我必用口坚固你们,用嘴消解你们的忧愁。
Mahazo mampahery anareo amin'ny Vavako aho, ary mahazo mampitony ny alahelonareo ny fampiononana ataon'ny molotro.
我虽说话,忧愁仍不得消解;我虽停住不说,忧愁就离开我吗?
Na dia miteny aza aho, dia tsy mitsahatra ny alaheloko; Ary na dia mangina aza aho, dia tsy misy mihena izany.
但现在 神使我困倦,使亲友远离我,
Fa ankehitriny efa nandreraka ahy Izy; Naringanao ny ankohonako rehetra.
又抓住我,作见证攻击我;我身体的枯瘦也当面见证我的不是。
Ary efa nampifezaka ny tenako Hianao, ka dia vavolombelona amiko izany. Ary mitsangana hiampanga ahy ny fahahiazako, ka dia tondromaso akaiky izany.
主发怒撕裂我,逼迫我,向我切齿;我的敌人怒目看我。
Amin'ny fahatezerany no amiravirany sy andrafiany ahy, mihidy vazana amiko Izy; Eny, miseho ho fahavaloko Izy ka mampivandravandra ny masony amiko;
他们向我开口,打我的脸羞辱我,聚会攻击我。
Nisanasana vava tamiko ny olona; Latsa no nentiny namely ny takolako; Mitambatra hamely ahy izy.
 神把我交给不敬虔的人,把我扔到恶人的手中。
Efa voatolotr'Andriamanitra ho amin'ny ratsy fanahy aho, ary natsipiny ho eo an-tànan'ny mpanota.
我素来安逸,他折断我,掐住我的颈项,把我摔碎,又立我为他的箭靶子。
Tamin'ilay izaho tsy nanana ahiahy iny, dia nanorotoro ahy Izy; Nosamboriny tamin'ny hatoko aho ka nomontsaniny, sady natsangany ho marika hokendreny.
他的弓箭手四面围绕我;他破裂我的肺腑,并不留情,把我的胆倾倒在地上,
Manodidina ahy ny mpandefa zana-tsipìkany; Mamaky ny voako Izy ka tsy miantra ary manidina ny aferoko ho amin'ny tany.
将我破裂又破裂,如同勇士向我直闯。
Bangabangainy lalandava aho, ka miroatra hamely ahy tahaka ny lehilahy mahery Izy.
我缝麻布在我皮肤上,把我的角放在尘土中。
Lamba fisaonana no voazaitrako hanarona ny hoditro, ary nalàko baraka tamin'ny vovoka ny tandroko.
我的脸因哭泣发紫,在我的眼皮上有死荫。
Ny tavako tera-menan'ny fitomaniana, ary eo amin'ny hodi-masoko ny aloky ny fahafatesana;
我的手中却无强暴;我的祈祷也是清洁。
Kanefa tsy misy eto an-tanako izay mba nalaina an-keriny; Ary madio ny fivavako.
地啊,不要遮盖我的血!不要阻挡我的哀求!
Ry tany ô, aza manarona ny rako, ary aoka tsy ho voahazona ny fitarainako!
现今,在天有我的见证,在上有我的中保。
Fa na dia ankehitriny aza, indro, any an-danitra ny Vavolombeloko, eny, ny Vavolombeloko dia any amin'ny avo.
我的朋友讥诮我,我却向 神眼泪汪汪。
Na dia mihomehy ahy aza ny sakaizako, dia mamarin-dranomaso eo anatrehan'Andriamanitra kosa aho,
愿人得与 神辩白,如同人与朋友辩白一样;
Mba hanamarina ahy olombelona eo anatrehany Izy sy hanafa-tsiny ahy zanak'olombelona amin'ny sakaizako.
因为再过几年,我必走那往而不返之路。
Fa rehefa lasa ny taona vitsy, dia handeha any amin'ny lalana izay tsy hiverenako intsony aho.