Job 15

提幔人以利法回答说:
Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
智慧人岂可用虚空的知识回答,用东风充满肚腹呢?
Tokony handahatra hevi-dravina va ny olon-kendry, ka hameno ny kibony amin'ny rivotra avy any atsinanana va,
他岂可用无益的话和无济于事的言语理论呢?
Ary hamaly amin'ny teny tsy mahasoa sy ny teny tsy mahatsara?
你是废弃敬畏的意,在 神面前阻止敬虔的心。
Eny, foananao ny fahatahorana an'Andriamanitra, ary tampenanao ny fivavahana eo anatrehany;
你的罪孽指教你的口;你选用诡诈人的舌头。
Fa ny helokao no manesika ny vavanao, ary mianatra ny lelan'ny fetsy ianao.
你自己的口定你有罪,并非是我;你自己的嘴见证你的不是。
Ny vavanao ihany no manameloka anao, fa tsy izaho; Ary ny molotrao ihany no mamely anao.
你岂是头一个被生的人吗?你受造在诸山之先吗?
Hianao va no voalohany izay nateraka ho olombelona? Na naloaky ny kibo talohan'ny tendrombohitra va ianao?
你曾听见 神的密旨吗?你还将智慧独自得尽吗?
Isan'ny mpihevitra teo amin'Andriamanitra va ianao, ka voarombakao ho anao irery ny fahendrena?
你知道什么是我们不知道的呢?你明白什么是我们不明白的呢?
Inona no fantatrao, ka tsy mba fantatray koa, na saina azonao, ka tsy ato aminay koa?
我们这里有白发的和年纪老迈的,比你父亲还老。
Ny anti-panahy sy ny fotsy volo dia misy ato aminay, eny, olona ela niainana noho ny rainao aza.
 神用温和的话安慰你,你以为太小吗?
Ataonao ho tsinontsinona va ny fampiononana avy amin'Andriamanitra sy ny teny natao aminao amin'ny fahalemem-panahy?
你的心为何将你逼去?你的眼为何冒出火星,
Nahoana no dia entin'ny fonao ianao? Ary nahoana no mipipy foana ny masonao,
使你的灵反对 神,也任你的口发这言语?
Ka miefonefona amin'Andriamanitra ianao, sady miteniteny foana ny vavanao?
人是什么,竟算为洁净呢?妇人所生的是什么,竟算为义呢?
Inona ny zanak'olombelona no mba hadio izy? Ary izay tera-behivavy no mba ho marina?
 神不信靠他的众圣者;在他眼前,天也不洁净,
Indro, ireo anjeliny aza tsy mahatoky Azy, ary ny lanitra aza tsy madio eo imasony;
何况那污秽可憎、喝罪孽如水的世人呢!
Koa mainka fa izay vetaveta sy tena ratsy, dia ny olona izay misotro heloka toa rano!
我指示你,你要听;我要述说所看见的,
Hanambara aminao aho, ka mihainoa ahy fa izay efa hitako no holazaiko,
就是智慧人从列祖所受,传说而不隐瞒的。
Dia zavatra notorin'ny olon-kendry, fa tsy nafeniny, dia izay azony avy tamin'ny razany;
(这地惟独赐给他们,并没有外人从他们中间经过。)
Ireny ihany no nomena ny tany, ary tsy nisy olona hafa firenena nisisika teo aminy.
恶人一生之日劬劳痛苦;强暴人一生的年数也是如此。
Ny ratsy fanahy mijalijaly amin'ny androny rehetra, dia amin'ny taona rehetra voatendry ho an'ny lozabe.
惊吓的声音常在他耳中;在平安时,抢夺的必临到他那里。
Feo mampitahotra no ren'ny sofiny; Ary na dia miadana aza izy, dia avy hamely azy ihany ny mpandroba.
他不信自己能从黑暗中转回;他被刀剑等候。
Tsy manantena ho afaka amin'ny maizina izy; Andrasan'ny sabatra izy.
他漂流在外求食,说:哪里有食物呢?他知道黑暗的日子在他手边预备好了。
Mirenireny hitady izay hohaniny izy ka manao hoe: Aiza re? Fantany fa antomotra azy ny andro maizina.
急难困苦叫他害怕,而且胜了他,好像君王预备上阵一样。
Fahoriana sy fahaporitana no mampitahotra azy; Mandresy azy ireo tahaka ny mpanjaka efa vonona ho amin'ny ady,
他伸手攻击 神,以骄傲攻击全能者,
Satria naninjitra ny tanany hanohitra an'Andriamanitra izy Ary nirehareha hanohitra ny Tsitoha.
挺著颈项,用盾牌的厚凸面向全能者直闯;
Mimaona amin'ny fahamafian-katoka hamely Azy izy, dia amin'ny foitran'ampingany matevina,
是因他的脸蒙上脂油,腰积成肥肉。
Satria efa matavitavy tarehy izy, ary mivalon-kotraka ny valahany;
他曾住在荒凉城邑,无人居住、将成乱堆的房屋。
Ary monina ao an-tanana rava izy, dia ao an-trano tokony tsy hitoeran'olona, izay efa voatendry ho korontam-bato.
他不得富足,财物不得常存,产业在地上也不加增。
Tsy hanan-karena izy, sady tsy haharitra ny heriny, ka tsy ho vokatra ambonin'ny tany ny fananany.
他不得出离黑暗。火焰要将他的枝子烧干;因 神口中的气,他要灭亡(原文是走去)。
Tsy ho afaka amin'ny maizina izy; ny solofony hikainkona azon'ny lelafo; ho levon'ny fofonain'Andriamanitra izy.
他不用倚靠虚假欺哄自己,因虚假必成为他的报应。
Aoka tsy ho voafitaka hatoky zava-poana izy; fa zava-poana no ho valiny homena azy.
他的日期未到之先,这事必成就;他的枝子不得青绿。
Raha mbola tsy tonga aza ny androny, dia manjo azy izany, ary tsy ho maitso ny sampany.
他必像葡萄树的葡萄,未熟而落;又像橄榄树的花,一开而谢。
Ho tahaka ny voaloboka manintsana ny voany manta izy ary ho tahaka ny hazo oliva mampiraraka ny voniny.
原来不敬虔之辈必无生育;受贿赂之人的帐棚必被火烧。
Fa tsy ho vanona ny ankohonan'ny mpihatsaravelatsihy, ary ho lanin'ny afo ny tranon'ny mpitoroka.
他们所怀的是毒害,所生的是罪孽;心里所预备的是诡诈。
Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana, ary ny kibony mamorom-pitaka.