Acts 11

使徒和在犹太的众弟兄听说外邦人也领受了 神的道。
Ary ny Apostoly sy ny rahalahy izay tany Jodia dia nahare fa ny jentilisa koa efa nandray ny tenin'Andriamanitra.
及至彼得上了耶路撒冷,那些奉割礼的门徒和他争辩说:
Ary nony tafakatra tany Jerosalema Petera, dia nila ady taminy ny mino izay isan'ny voafora
你进入未受割礼之人的家和他们一同吃饭了。
ka nanao hoe: Efa niantrano tany amin'ny olona tsy voafora ianao sady niara-nihinana taminy.
彼得就开口把这事挨次给他们讲解说:
Ary Petera dia nitantara izany taminy hatramin'ny niandohany ka nanao hoe:
我在约帕城里祷告的时候,魂游象外,看见异象,有一物降下,好像一块大布,系著四角,从天缒下,直来到我跟前。
Tany an-tanàna Jopa aho ka nivavaka, ary azon-tsindrimandry aho, dia nahita fahitana, ka, indro, nisy zavatra nidina avy tany an-danitra toa lamba lehibe nampidinina tamin'ny zorony efatra, dia nankeo amiko izany;
我定睛观看,见内中有地上四足的牲畜和野兽、昆虫,并天上的飞鸟。
ary raha nijery sy nandinika azy aho, dia hitako ny biby etỳ an-tany, izay manan-tongotra efatra, sy ny bibi-dia sy ny zava-mandady sy mikisaka ary ny voro-manidina koa.
我且听见有声音向我说:彼得,起来,宰了吃!
Ary nandre feo koa aho nanao tamiko hoe: Mitsangàna, ry Petera, vonoy, ka hano.
我说:主啊,这是不可的!凡俗而不洁净的物从来没有入过我的口。
Fa hoy izaho: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola niditra tamin'ny vavako izay zava-padina na tsy madio.
第二次,有声音从天上说: 神所洁净的,你不可当作俗物。
Ary nisy feo avy tany an-danitra namaly fanindroany hoe: Izay efa nodiovin'Andriamanitra aza ataonao ho fady.
这样一连三次,就都收回天上去了。
Ary intelo no nanaovana izany, dia nosarihana niakatra tany an-danitra indray izany rehetra izany.
正当那时,有三个人站在我们所住的房门前,是从凯撒利亚差来见我的。
Ary tamin'izay dia, Indreo, nisy telo lahy nijanona teo anoloan'ny trano nitoeranay, izay iraka avy tany Kaisaria hankeo amiko.
圣灵吩咐我和他们同去,不要疑惑(或作:不要分别等类)。同著我去的,还有这六位弟兄;我们都进了那人的家,
Dia nasain'ny Fanahy hiaraka tamin'ireo aho ka tsy hizaha tavan'olona na dia kely akory aza. Ary niaraka tamiko koa ireto rahalahy enina ireto, ka niditra tao an-tranon-dralehilahy izahay.
那人就告诉我们,他如何看见一位天使,站在他屋里,说:你打发人往约帕去,请那称呼彼得的西门来;
Ary nambarany taminay ny nahitany ny anjely nitsangana tao an-tranony ka nanao hoe: Maniraha ho any Jopa, ka ampanalao Simona, izay atao hoe koa Petera;
他有话告诉你,可以叫你和你的全家得救。
izy hilaza teny aminao, izay hamonjena anao sy ny ankohonanao rehetra.
我一开讲,圣灵便降在他们身上,正像当初降在我们身上一样。
Ary raha vao niteny aho, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina tahaka ny tamintsika fahiny.
我就想起主的话说:约翰是用水施洗,但你们要受圣灵的洗。
Dia nahatsiaro ny tenin'ny Tompo aho, izay nolazainy hoe: Jaona nanao batisa tamin'ny rano, fa ianareo kosa dia hatao batisa amin'ny Fanahy Masina.
 神既然给他们恩赐,像在我们信主耶稣基督的时候给了我们一样;我是谁,能拦阻 神呢!
Koa raha mba homen'Andriamanitra azy ny fanomezana, tahaka antsika fony isika vao nino an'i Jesosy Kristy Tompo dia iza moa aho no hahasakana an'Andriamanitra?
众人听见这话,就不言语了,只归荣耀与 神,说:这样看来, 神也赐恩给外邦人,叫他们悔改得生命了。
Ary rehefa nandre izany ireo, dia nangina sady nankalaza an'Andriamanitra ka nanao hoe: Efa nomen'Andriamanitra ny jentilisa koa ny fibebahana hahazoany fiainana.
那些因司提反的事遭患难四散的门徒直走到腓尼基和塞浦路斯,并安提阿;他们不向别人讲道,只向犹太人讲。
Ary izay niely noho ny fanenjehana tamin'i Stefana dia nandeha hatrany, Foinika sy Kyprosy ary Antiokia, nefa tsy nitoriteny tamin'ny olona izy, afa-tsy tamin'ny Jiosy ihany.
但内中有塞浦路斯和古利奈人,他们到了安提阿也向希腊人传讲主耶稣(有古卷作:也向说希腊话的犹太人传讲主耶稣)。
Ary ny sasany tamin'ireny, dia lehilahy avy any Kyprosy sy Kyrena izay tonga tany Antiokia, dia niresaka tamin'ny jentilisa koa ka nitory an'i Jesosy Tompo.
主与他们同在,信而归主的人就很多了。
Ary ny tanan'ny Tompo nomba azy ireo, ka maro no isan'izay nino sy niverina ho amin'ny Tompo.
这风声传到耶路撒冷教会人的耳中,他们就打发巴拿巴出去,走到安提阿为止。
Ary ren'ny sofin'ny fiangonana tany Jerosalema ny amin'ireo, dia naniraka an'i Barnabasy izy handeha hatrany Antiokia.
他到了那里,看见 神所赐的恩就欢喜,劝勉众人,立定心志,恒久靠主。
Ary rehefa tonga izy ka nahita ny fahasoavan'Andriamanitra, dia faly ka nananatra azy rehetra haharitra hiray amin'ny Tompo amin'ny fo minia fatratra.
这巴拿巴原是个好人,被圣灵充满,大有信心。于是有许多人归服了主。
Fa lehilahy tsara fanahy izy sady feno ny Fanahy Masina sy finoana; ary maro be ny olona nanampy ho an'ny Tompo.
他又往大数去找扫罗,
Dia lasa Barnabasy nankany Tarsosy hitady an'i Saoly.
找著了,就带他到安提阿去。他们足有一年的工夫和教会一同聚集,教训了许多人。门徒称为基督徒是从安提阿起首。
Ary rehefa nahita azy izy, dia nitondra azy hankany Antiokia. Ary niara-niasa tao amin'ny fiangonana hatramin'ny herintaona ngarangidina izy roa lahy ka nampianatra olona maro; ary tany Antiokia no voalohany nanaovana ny anaran'ny mpianatra hoe.
当那些日子,有几位先知从耶路撒冷下到安提阿。
Ary tamin'izany andro izany dia nisy mpaminany sasany avy tany Jerosalema nankany Antiokia.
内中有一位,名叫亚迦布,站起来,借著圣灵指明天下将有大饥荒。这事到革老丢年间果然有了。
Ary nitsangana ny anankiray tamin'ireny, izay atao hoe Agabo, fa voatsindrin'ny Fanahy izy ka nilaza fa hisy mosary be eran'ny tany rehetra. Ary dia tonga izany tamin'ny andron'i Klaodio.
于是门徒定意照各人的力量捐钱,送去供给住在犹太的弟兄。
Ary ny mpianatra ninia hampitondra zavatra araka ny ananany hamonjy ny rahalahy izay nonina tany Jodia.
他们就这样行,把捐项托巴拿巴和扫罗送到众长老那里。
Dia nataony izany, ary ny tànan'i Barnabasy sy Saoly no nampitondrainy izany ho any amin'ny loholona.