Acts 10

在凯撒利亚有一个人,名叫哥尼流,是意大利营的百夫长。
Ary nisy lehilahy anankiray tany Kaisaria, atao hoe Kornelio, kapiteny tamin'ny antokon'ny miaramila atao hoe Italiana;
他是个虔诚人,他和全家都敬畏 神,多多赒济百姓,常常祷告 神。
ary mpivavaka tsara sady natahotra an'Andriamanitra izy mbamin'ny ankohonany rehetra ka nanao fiantrana be tanin'ny olona sady nivavaka tamin'Andriamanitra mandrakariva.
有一天,约在申初,他在异象中明明看见 神的一个使者进去,到他那里,说:哥尼流。
Ary izy nahita miharihary tamin'ny fahitana, rehefa tokony ho tamin'ny ora fahasivy antoandro, fa, indro, nisy anjelin'Andriamanitra niditra tao aminy ka nanao taminy hoe: Ry Kornelio.
哥尼流定睛看他,惊怕说:主啊,什么事呢?天使说:你的祷告和你的赒济达到 神面前,已蒙记念了。
Ary nony nibanjina azy izy, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Ahoana, Tompoko? Ary izy nanao taminy hoe: Ny fivavakao sy ny fiantranao dia efa tafakatra ho fampahatsiarovana eo anatrehan'Andriamanitra.
现在你当打发人往约帕去,请那称呼彼得的西门来。
Koa ankehitriny maniraha olona hankany Jopa, ka ampanalao Simona anankiray, izay atao hoe koa Petera;
他住在海边一个硝皮匠西门的家里,房子在海边上。
mitoetra ao amin'i Simona mpandon-koditra izy, eo amoron-dranomasina ny tranony.
向他说话的天使去后,哥尼流叫了两个家人和常伺候他的一个虔诚兵来,
Ary rehefa lasa ny anjely izay niteny tamin'i Kornelio, dia niantso roa lahy tamin'ny mpanompony izy sy miaramila mpivavaka anankiray isan'izay nanaraka azy isan'andro.
把这事都述说给他们听,就打发他们往约帕去。
Ary rehefa nambarany taminy izany rehetra izany, dia naniraka azy hankany Jopa izy.
第二天,他们行路将近那城。彼得约在午正,上房顶去祷告,
Ary nony ampitso, raha mbola nandeha teny an-dalana izy ireo ka mby teo akaikin'ny tanàna, dia niakatra teo ambonin'ny tampon-trano Petera mba hivavaka, rehefa tokony ho tamin'ny ora fahenina.
觉得饿了,想要吃。那家的人正预备饭的时候,彼得魂游象外,
Dia noana loatra izy ka te-hihinana; fa raha mbola natao ny nahandro, dia azon-tsindrimandry izy
看见天开了,有一物降下,好像一块大布,系著四角,缒在地上,
ka nahita ny lanitra misokatra, sady nisy zavatra midina toa lamba lehibe nampidinina tamin'ny zorony efatra ho amin'ny tany;
里面有地上各样四足的走兽和昆虫,并天上的飞鸟;
ary tao anatiny nisy ny biby rehetra izay manan-tongotra efatra sy ny zava-mandady sy mikisaka etỳ an-tany ary ny voro-manidina.
又有声音向他说:彼得,起来,宰了吃!
Ary nisy feo nanao taminy hoe: Mitsangàna, ry Petera; vonoy, ka hano.
彼得却说:主啊,这是不可的!凡俗物和不洁净的物,我从来没有吃过。
Fa hoy Petera: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola nihinana zava-padina na tsy madio aho.
第二次有声音向他说: 神所洁净的,你不可当作俗物。
Fa hoy ilay feo taminy fanindroany: Izay efa nodiovin'Andriamanitra dia aza ataonao ho fady.
这样一连三次,那物随即收回天上去了。
Ary intelo no nanaovana izany; dia nakarina tany an-danitra niaraka tamin'izay ilay zavatra.
彼得心里正在猜疑之间,不知所看见的异象是什么意思。哥尼流所差来的人已经访问到西门的家,站在门外,
Ary raha mbola nieritreritra tao am-pony Petera ny amin'izay anton'ny fahitana efa hitany, dia, indreo, ny olona izay nirahin'i Kornelio nanontany ny tranon'i Simona ka nijanona teo am-bavahady,
喊著问:有称呼彼得的西门住在这里没有?
dia niantso ka nanontany na mitoetra ao Simona, izay atao hoe koa Petera, na tsia.
彼得还思想那异象的时候,圣灵向他说:有三个人来找你。
Fa raha mbola nieritreritra ny fahitana Petera, dia hoy ny Fanahy taminy: Indreo, misy telo lahy mitady anao;
起来,下去,和他们同往,不要疑惑,因为是我差他们来的。
fa mitsangàna ianao, dia midina, ary mandehana miaraka aminy, ka aza misalasala, fa Izaho no naniraka azy.
于是彼得下去见那些人,说:我就是你们所找的人。你们来是为什么缘故?
Ary Petera nidina tany amin'ireo olona ireo ka nanao hoe: Inty aho izay tadiavinareo; inona no anton'ny ahatongavanareo atỳ?
他们说:百夫长哥尼流是个义人,敬畏 神,为犹太通国所称讚。他蒙一位圣天使指示,叫他请你到他家里去,听你的话。
Dia hoy ireo: Kornelio kapiteny, lehilahy marina sady matahotra an'Andriamanitra ka tsara laza amin'ny firenen'ny Jiosy rehetra, dia efa notoroan'anjely masina hevitra hampaka anao ho any an-tranony sy hihaino teny avy aminao.
彼得就请他们进去,住了一宿。次日,起身和他们同去,还有约帕的几个弟兄同著他去;
Ary Petera nampiantrano azy handry tao. Ary nony ampitso dia niainga Petera ka nandeha niaraka taminy, ary ny rahalahy sasany avy tany Jopa niaraka taminy koa.
又次日,他们进入凯撒利亚,哥尼流已经请了他的亲属密友等候他们。
Ary nony ampitso indray dia tonga tany Kaisaria izy. Ary Kornelio niandry azy sady efa nampiangona ny havany sy ny tena sakaizany.
彼得一进去,哥尼流就迎接他,俯伏在他脚前拜他。
Ary raha vao niditra Petera, dia nitsena azy Kornelio ka niankohoka teo amin'ny tongony sady nitsaoka azy.
彼得拉他,说:你起来,我也是人。
Fa Petera nampitsangana azy ka nanao hoe: Mitsangàna; fa izaho dia olona ihany.
彼得和他说著话进去,见有好些人在那里聚集,
Ary nony niresaka taminy izy, dia niditra tao an-trano ka nahita ny olona maro tafangona tao.
就对他们说:你们知道,犹太人和别国的人亲近来往本是不合例的,但 神已经指示我,无论什么人都不可看作俗而不洁净的。
Dia hoy izy taminy: Hianareo mahalala fa fady amin'ny Jiosy ny hanan-draharaha na hiantrano amin'ny olona hafa firenena; nefa izaho efa nampahafantarin'Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio.
所以我被请的时候,就不推辞而来。现在请问:你们叫我来有什么意思呢?
Ary amin'izany dia tsy nandà tsy hankatỳ aho, raha nampanalaina; koa manontany aho: Ahoana moa no nampanalanareo ahy?
哥尼流说:前四天,这个时候,我在家中守著申初的祷告,忽然有一个人穿著光明的衣裳,站在我面前,
Dia hoy Kornelio: Loak'andro afak'omaly, mandra-paha-toy izao ny andro, raha nivavaka teto an-tranoko aho mandritra ny ora fahasivy, dia, indro, nisy lehilahy niakanjo akanjo mamirapiratra nitsangana teto anatrehako
说:哥尼流,你的祷告已蒙垂听,你的赒济达到 神面前已蒙记念了。
ka nanao hoe: Ry Kornelio, efa re ny fivavakao, ary efa tsarovana eo anatrehan'Andriamanitra ny fiantranao.
你当打发人往约帕去,请那称呼彼得的西门来,他住在海边一个硝皮匠西门的家里。
Koa maniraha hankany Jopa, ka ampanalao Simona, izay atao hoe koa Petera: mitoetra ao an-tranon'i Simona mpandon-koditra eo amoron-dranomasina izy.
所以我立时打发人去请你。你来了很好;现今我们都在 神面前,要听主所吩咐你的一切话。
Koa niaraka tamin'izay dia naniraka tany aminao aho; ary nanao soa ianao no avy. Koa ankehitriny izahay rehetra dia efa eto anatrehan'Andriamanitra hihaino izay rehetra nandidian'ny Tompo anao.
彼得就开口说:我真看出 神是不偏待人。
Ary Petera niloa-bava ka nanao hoe: Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan'olona Andriamanitra;
原来,各国中那敬畏主、行义的人都为主所悦纳。
fa amin'ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.
 神借著耶稣基督(他是万有的主)传和平的福音,将这道赐给以色列人。
Hianareo mahalala ny teny izay nampitondrainy ho amin'ny Zanak'isiraely, mitory teny soa milaza fiadanana amin'ny alalan'i Jesosy Kristy (Izy no Tompon'izao rehetra izao),
这话在约翰宣传洗礼以后,从加利利起,传遍了犹太。
dia ilay teny natomboka hatrany Galilia ka notorina tany Jodia rehetra teo aorian'ny batisa izay notorin'i Jaona, dia ny amin'i Jesosy avy any Nazareta,
 神怎样以圣灵和能力膏拿撒勒人耶稣,这都是你们知道的。他周流四方,行善事,医好凡被魔鬼压制的人,因为 神与他同在。
Izay nohosoran'Andriamanitra tamin'ny Fanahy Masina sy ny hery sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon'ny herin'ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy.
他在犹太人之地,并耶路撒冷所行的一切事,有我们作见证。他们竟把他挂在木头上杀了。
Ary izahay no vavolombelon'ny zavatra rehetra izay nataony tany amin'ny tanin'ny Jiosy sy tany Jerosalema; Izy dia novonoiny nahantony teo amin'ny hazo;
第三日, 神叫他复活,显现出来;
nefa natsangan'Andriamanitra kosa Izy tamin'ny andro fahatelo ka nasehony marimarina,
不是显现给众人看,乃是显现给 神预先所拣选为他作见证的人看,就是我们这些在他从死里复活以后和他同吃同喝的人。
tsy tamin'ny olona rehetra, fa tamin'ny vavolombelona izay notendren'Andriamanitra rahateo, dia taminay izay niara-nihinana sy nisotro taminy, rehefa nitsangana tamin'ny maty Izy.
他吩咐我们传道给众人,证明他是 神所立定的,要作审判活人、死人的主。
Ary Izy nandidy anay hitory amin'ny olona ka hanambara fa Izy no voatendrin'Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty.
众先知也为他作见证说:凡信他的人必因他的名得蒙赦罪。
Izy no ambaran'ny mpaminany rehetra, fa amin'ny anarany no hahazoan'izay rehetra mino Azy famelan-keloka.
彼得还说这话的时候,圣灵降在一切听道的人身上。
Raha mbola nilaza izany teny izany Petera, dia nilatsaka tamin'izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masina.
那些奉割礼、和彼得同来的信徒,见圣灵的恩赐也浇在外邦人身上,就都希奇;
Ary talanjona ny mino isan'ny voafora izay niaraka tamin'i Petera, satria nilatsaka tamin'ny jentilisa koa ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina.
因听见他们说方言,称讚 神为大。
Fa nandre azy niteny tamin'ny fiteny tsy fantatra sy nankalaza an'Andriamanitra izy. Dia namaly Petera ka nanao hoe:
于是彼得说:这些人既受了圣灵,与我们一样,谁能禁止用水给他们施洗呢?
Moa misy olona mahazo mandrara ny rano tsy hanaovana batisa ireo, izay efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika koa?
就吩咐奉耶稣基督的名给他们施洗。他们又请彼得住了几天。
Dia nasainy natao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy izy. Ary nangatahin'ireo mba hitoetra ao aminy andro vitsivitsy izy.