Psalms 108

Tonon-kira. Salamo nataon'i Davida. Andriamanitra ô, tafatoetra ny foko; Ny fanahiko no hihira sy hankalaza.
Mifohaza, ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa aho.
Hidera Anao eny amin'ny firenena maro aho, Jehovah ô, Ary hankalaza Anao eny amin'ny jentilisa.
Fa lehibe mihoatra ny lanitra ny famindram-ponao; Ary mipaka eny amin'ny rahona ny fahamarinanao.
Misandrata any ambonin'ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; Ary aoka ho etỳ ambonin'ny tany rehetra ny voninahitrao.
Mba hahafaka ny malalanao, Dia vonjeo amin'ny tananao ankavanana aho, ka valio.
Andriamanitra niteny tamin'ny fahamasinany hoe: Hifaly Aho ka hizara an'i Sekema, Ary ny lohasahan'i Sokota horefesiko;
Ahy Gileada, Ahy Manase; Ary aron'ny lohako Efraima; Tehim-panjakako Joda;
Tavindranoko fanasana Moaba; Edoma no hanipazako ny kapako; noho ny amin'i Filistia ho hihobiako.
Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy? Iza no hitarika ahy ho any Edoma?
Tsy Hianao va no efa nanary anay, Andriamanitra ô, Sady tsy mivoaka miaraka amin'ny miaramilanay, Andriamanitra ô?
Vonjeo amin'ny fahavalo izahay; Fa zava-poana ny famonjena ataon'ny olona.
Andriamanitra no haharezan-tsika; Fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.