John 20

I te ra tuatahi o te wiki ka haere a Meri Makarini ki te urupa i te atatu, i te mea e pouri tonu ana, a ka kite i te kohatu kua tangohia atu i te urupa.
Ary tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro dia nandeha maraina koa mbola maizimaizina hankany amin'ny fasana Maria Magdalena ka nahita ny vato voaisotra tamin'ny fasana.
Na ka oma ia, ka haere ki a Haimona Pita raua ko tera akonga i arohia ai a Ihu, ka mea ki a raua, Kua tangohia e ratou te Ariki i te urupa, a kahore matou e mohio ki te wahi i waiho ai ia e ratou.
Dia nihazakazaka nankany amin'i Simona Petera sy ilay mpianatra tian'i Jesosy izy ka nanao taminy hoe: Nalain'olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany Azy.
Na ka puta atu a Pita, me taua akonga, ka haere ki te urupa.
Dia nandeha Petera sy ilay mpianatra anankiray ka nankany amin'ny fasana.
A oma ngatahi ana raua: otiia i hohoro tera akonga i a Pita, ko ia ano kua tae wawe ki te urupa.
Ary niara-nihazakazaka izy roa lahy; ary ilay mpianatra anankiray nihazakazaka nihoatra an'i Petera ka tonga taloha tao amin'ny fasana.
Na piko iho ana ia, ka kite i nga takai rinena e takoto ana; heoi kaihai i tomo ki roto.
Ary nony niondrika nitsirika izy, dia nahita ny lambam-paty nipetraka teo, nefa tsy niditra tao izy.
Na ka haere ano a Haimona Pita i muri i a ia, a, ko tona tomokanga ki te urupa, ka kite i nga takai rinena e takoto ana.
Ary avy koa Simona Petera nanaraka azy, dia niditra tao am-pasana ka nijery ny lambam-paty nipetraka teo,
Me te tauera i takaia ai tona matenga, kihai i takoto tahi me nga takai rinena, he mea whakakopa ia ki tetahi wahi i tahaki.
ary ny mosara izay nafehy ny lohany tsy mba nipetraka teo amin'ny lambam-paty, fa voavalona mitokana.
Katahi ka tomo tera akonga, i tae wawe nei ki te urupa, kite ana, whakapono ana.
Ary tamin'izay dia niditra koa ny mpianatra anankiray izay tonga taloha teo amin'ny fasana, ary nahita ka nino.
Kiano hoki ratou i mohio noa ki te karaipiture, kua takoto te tikanga kia ara ake ia i te hunga mate.
Fa tsy mbola fantany ny Soratra Masina fa tsy maintsy hitsangana amin'ny maty Jesosy.
Na hoki ana ano nga akonga ki to raua kainga.
Dia lasa indray ny mpianatra nody tany aminy.
Ko Meri ia tu tonu i waho o te urupa tangi ai: a i a ia e tangi ana, ka piko iho ki te urupa.
Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan'ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana
Ka kite i nga anahera tokorua, he ma nga kakahu, e noho ana, ko tetahi kite matenga, ko tetahi ki nga waewae, i te wahi i takoto ai te tinana o Ihu.
ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin'ilay nandrian'ny fatin'i Jesosy, ary ny anankiray teo an-tongotra.
Ka mea raua ki a ia, E tai, he aha tau e tangi? Ka mea ia ki a raua, Kua tangohia e ratou toku Ariki, e kore hoki ahau e matau ki te wahi i whakatakotoria ai ia.
Ary hoy ireo taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? Dia hoy izy taminy: Satria nalain'olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy.
Ka penei ana korero, ka tahuri whakamuri, ka kite i a Ihu e tu ana, otiia kihai i mohio ko Ihu ia.
Rehefa nilaza izany izy, dia nitodika ka nahita an'i Jesosy nitsangana teo, nefa tsy fantany ho Jesosy.
Ka mea a Ihu ki a ia, E tai, he aha tau e tangi? ko wai tau e rapu? Hua noa ia ko te kaingaki kari, na ko tana meatanga ki a ia, E mara, ki te mea kua mauria atu ia e koe, korerotia ki ahau te wahi i whakatakotoria ai ia, a maku ia e tango atu.
Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? iza no tadiavinao? Nataony fa mpiandry saha Izy, ka hoy izy taminy: Tompoko, raha Hianao no naka Azy teto, lazao amiko izay nametrahanao Azy, ary izaho dia haka Azy.
Ka mea a Ihu ki a ia, E Meri. Ka tahuri atu tera, ka mea ki a ia, E Raponi; ko te tikanga tenei, E te Kaiwhakaako.
Hoy Jesosy taminy: Ry Maria! Dia nitodika izy ka niteny taminy nanao teny Hebreo hoe: Rabôny! izany hoe: Mpampianatra ô.
Ka mea a Ihu ki a ia, Kei pa ki ahau; kiano hoki ahau i kake noa ki toku Matua: engari haere ki oku teina, ka mea atu ki a ratou, ka kake ahau ki toku Matua, ki to koutou Matua: ki toku Atua, ki to koutou Atua.
Hoy Jesosy taminy: Aza manendry Ahy; fa tsy mbola niakatra tany amin'ny Ray Aho; fa mandehana mankany amin'ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin'ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin'Andriamanitro sy Andriamanitrareo.
Haere ana a Meri Makarini, korero ana ki nga akonga, kua kite ia i te Ariki, kua korerotia hoki e ia enei mea ki a ia.
Dia tonga Maria Magdalena ka nilaza tamin'ny mpianatra hoe: Efa nahita ny Tompo aho, sady izany teny izany no nolazainy taminy.
I taua ra tuatahi ano o te wiki, i te ahiahi, i nga tatau e kati ana o te wahi i huihui ai nga akonga i te wehi i nga Hurai, ka haere mai a Ihu, ka tu i waenganui, ka mea ki a ratou, Kia tau te rangimarie ki a koutou.
Ary rehefa harivan'ilay andro voalohany amin'ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran'izay niangonan'ny mpianatra, noho ny fahatahorany ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany, dia nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo.
A ka puaki tenei kupu ana, ka whakakitea e ia ona ringa me tona kaokao ki a ratou. Na hari tonu nga akonga, i to ratou kitenga i te Ariki.
Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo.
Ka mea ano a Ihu ki a ratou, Kia tau te rangimarie ki a koutou: i tonoa mai ahau e te Matua, ka pera ano taku tono i a koutou.
Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa.
Ka korerotia tenei e ia, ka whakaha ia, ka mea ki a ratou, Kia riro te Wairua Tapu i a koutou:
Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy; Raiso ny Fanahy Masina;
Ki te whakarerea noatia e koutou nga hara o etahi, ka whakarerea o ratou; ki te whakamaua ano o etahi e koutou, ka mau ano.
na helok'iza na helok'iza no avelanareo, dia voavela izany; ary na an'iza na an'iza kosa no tsy avelanareo, dia tsy voavela izany.
Ko Tamati ia, ko tetahi o te tekau ma rua, tetahi o ona ingoa ko Ririmu, kahore i a ratou i te taenga mai o Ihu.
Fa Tomasy, anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy, ilay atao hoe Didymo, dia tsy mba teo aminy raha tonga Jesosy.
A, ko te meatanga a era akonga ki a ia, Kua kite matou i te Ariki; ka mea ia ki a ratou, Ki te kahore ahau e kite i te ngaunga o nga waho i ona ringa, e kuhu i toku matihao ki te ngaunga a nga whao, e kuhi hoki i toku ringa ki tona kaokao, e kor e ahau e whakapono.
Dia hoy ny mpianatra sasany taminy: Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy kosa izy taminy: Raha tsy hitako eo amin'ny tànany ny holatry ny nohomboana, ka ataoko eo amin'ny holatry ny nohomboana ny rantsan-tanako, ary ataoko eo amin'ny lanivoany koa ny tanako, dia tsy mba hino aho.
A ka pahemo nga ra e waru, a kei roto ano ana akonga, ratou ko Tamati: ka haere mai a Ihu i te mea e kati ana nga tatau, ka tu ki waenganui, ka mea, Kia tau te rangimarie ki a koutou.
Ary nony afaka havaloana, dia tafangona teo indray ny mpianany, ary teo koa Tomasy. Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany, dia nanao hoe: Fiadanana ho anareo.
Katahi ia ka mea ki a Tamati, Totoro mai tou matihao, kia kite hoki koe i oku ringa; totoro mai hoki tou ringa, ka kuhu ki toku kaokao: aua e whakateka, engari me whakapono.
Ary hoy Izy tamin'i Tomasy: Atehefo eto ny rantsan'tananao, ka jereo ny tanako; ary atehefo eto koa ny tananao, ka ataovy amin'ny lanivoako; ary aza ho isan'izay tsy mino, fa minoa.
Na ka whakahoki a Tamati, ka mea ki a ia, E toku Ariki, e toku Atua.
Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro!
Ka mea a Ihu ki a ia, No tou kitenga i ahau, i whakapono ai koe, e Tamati: ka koa te hunga kahore i kite, a kua whakapono.
Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy ianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.
He maha ano era atu tohu i toi i a Ihu, i te aroaro o ana akonga, kahore nei i tuhituhia ki tenei pukapuka:
Ary nisy famantarana maro hafa koa nataon'i Jesosy teo imason'ny mpianatra, izay tsy voasoratra amin'ity boky ity;
Otiia kua tuhituhia enei, kia whakapono ai koutou ko te Karaiti a Ihu, ko te Tama a te Atua; kia whiwhi ai hoki ki te ora i runga i tona ingoa, ina whakapono.
fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak'Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin'ny anarany, raha mino ianareo.