Isaiah 32

Indro, fa araka ny fahamarinana no hanjakan'ny mpanjaka, ary ny lehibe hanaraka araka ny rariny.
看哪,必有一王凭公义行政;必有首领借公平掌权。
Ary hisy lehilahy ho fierena amin'ny rivotra sy ho fialofana amin'ny ranonoram-baratra; Ho ranovelona ao amin'ny tany karankaina izy, ho alo-batolampy lehibe amin'ny tany mahana.
必有一人像避风所和避暴雨的隐密处,又像河流在干旱之地,像大磐石的影子在疲乏之地。
Ary tsy hikimpy ny mason'izay mahita, ary ny sofin'izay mandre dia hihaino.
那能看的人,眼不再昏迷;能听的人,耳必得听闻。
Ny fon'izay maimaika hahazo fahalalana, ary ny lelan'izay mikodedidedy hahay miteny mahitsy.
冒失人的心必明白知识;结巴人的舌必说话通快。
Ny adala tsy holazaina intsony hoe mitoetr'andriana, ary ny mpifetsy tsy holazaina hoe mahafoy be.
愚顽人不再称为高明,吝啬人不再称为大方。
Fa ny adala mbola miteny fahadalana ihany, ary ny fony mamoron-keloka, mba hanaovany fihatsaram-belatsihy sy hitenenany hevi-diso ny amin'i Jehovah ary hanaovany izay tsy hahazoan'ny noana hanina sy izay tsy hahazoan'ny mangetaheta rano hosotroina.
因为愚顽人必说愚顽话,心里想作罪孽,惯行亵渎的事,说错谬的话攻击耶和华,使饥饿的人无食可吃,使口渴的人无水可喝。
Ary ratsy ny hafetsen'ny mpifetsy; Mamoron-tsain-dratsy izy hanimbany ny ory amin'ny teny lainga, na dia miteny manan-drariny aza ny malahelo;
吝啬人所用的法子是恶的;他图谋恶计,用谎言毁灭谦卑人;穷乏人讲公理的时候,他也是这样行。
Fa ny mitoetr'andriana kosa dia mamoron-tsaina araka izay mahamendrika andriana, ary izay mahamendrika andriana no ifikirany.
高明人却谋高明事,在高明事上也必永存。
Mitsangàna, ry vehivavy miadana, ka mandrenesa ny feoko; Ry zazavavy matokitoky foana, mihainoa ny teniko.
安逸的妇女啊,起来听我的声音!无虑的女子啊,侧耳听我的言语!
Raha afaka herintaona mahery dia ho raiki-tahotra ianareo, ry vehivavy matokitoky foana; Fa hanjahitra ny taom-piotazam-boaloboka, ary tsy hisy ny fanangonam-boankazo
无虑的女子啊,再过一年多,必受骚扰;因为无葡萄可摘,无果子(或译:禾稼)可收。
Mangovita, ry vehivavy miadana, mangorohoroa, ry vehivavy matokitoky foana; Endaho ny akanjonao, ka mitanjaha, ary misikìna lamba fisaonana.
安逸的妇女啊,要战兢;无虑的女子啊,要受骚扰。脱去衣服,赤著身体,腰束麻布。
Miteha-tratra izy, fa malahelo ny saha nahafinaritra sy ny voaloboka vokatra.
她们必为美好的田地和多结果的葡萄树,搥胸哀哭。
Ho rakotry ny tsilo sy ny hery ny tanin'ny oloko, eny, na dia ny ao amin'ny trano mahafaly rehetra ao an-tanàna ravoravo aza;
荆棘蒺藜必长在我百姓的地上,又长在欢乐的城中和一切快乐的房屋上。
Fa ho foana ny lapan'ny mpanjaka; Hitsahatra ny fihorikoriky ny tanàna; Ofela sy ny tilikambo fitazanana ho tonga naman'ny zohy ho mandrakizay, dia fikarenjen'ny boriki-dia sy fiandrasana ny andian'ny ondry aman'osy,
因为宫殿必被撇下,多民的城必被离弃;山冈望楼永为洞穴,作野驴所喜乐的,为羊群的草场。
Mandra-pandatsaka ny fanahy avy amin'ny avo ho amintsika, ka ny efitra ho tonga saha mahavokatra, ary ny saha mahavokatra hoheverina ho ala.
等到圣灵从上浇灌我们,旷野就变为肥田,肥田看如树林。
Ary hitoetra any an-efitra ny rariny, Ary ny fahamarinana honina ao amin'ny saha mahavokatra.
那时,公平要居在旷野;公义要居在肥田。
Ny asan'ny fahamarinana ho fiadanana; Ary ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay;
公义的果效必是平安;公义的效验必是平稳,直到永远。
Ary ny oloko hitoetra ao amin'ny fonenana mandry fahizay sy ao amin'ny fitoerana mahatoky ary ao amin'ny fialan-tsasatra feno fiadanam-po;
我的百姓必住在平安的居所,安稳的住处,平静的安歇所。
Nefa hilatsaka ny havandra, rehefa aripaka ny ala, ary halamaka dia halamaka ny tanàna.
(但要降冰雹打倒树林;城必全然拆平。)
Sambatra izay mamafy eny amoron'ny rano rehetra sady mampiriaria ny omby sy ny boriky.
你们在各水边撒种、牧放牛驴的有福了!