I Corinthians 12

Now concerning spiritual gifts, brethren, I would not have you ignorant.
Ary ny amin'ny zava-panahy, ry rahalahy, dia tsy tiako tsy ho fantatrareo.
Ye know that ye were Gentiles, carried away unto these dumb idols, even as ye were led.
Fantatrareo fa fony jentilisa ianareo, dia nentina tany amin'ny sampy moana araka izay nitaomana anareo.
Wherefore I give you to understand, that no man speaking by the Spirit of God calleth Jesus accursed: and that no man can say that Jesus is the Lord, but by the Holy Ghost.
Koa mampahafantatra anareo aho fa tsy misy olona ampitenenin'ny Fanahin'Andriamanitra ka manao hoe: Voaozona Jesosy; ary tsy misy mahay manaiky hoe: Jesosy no Tompo, raha tsy amin'ny Fanahy Masina.
Now there are diversities of gifts, but the same Spirit.
Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany.
And there are differences of administrations, but the same Lord.
Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany.
And there are diversities of operations, but it is the same God which worketh all in all.
Ary zarazaraina ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, Izay miasa ny zavatra rehetra amin'ny olona rehetra.
But the manifestation of the Spirit is given to every man to profit withal.
Ary izy rehetra dia samy nomena ny fampisehoana ny Fanahy hahasoa.
For to one is given by the Spirit the word of wisdom; to another the word of knowledge by the same Spirit;
Fa ny anankiray nomen'ny Fanahy teny fahendrena, ary ny anankiray teny fahalalana, araka izany Fanahy izany ihany,
To another faith by the same Spirit; to another the gifts of healing by the same Spirit;
ary ny anankiray finoana, amin'izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, amin'izany Fanahy iray izany ihany,
To another the working of miracles; to another prophecy; to another discerning of spirits; to another divers kinds of tongues; to another the interpretation of tongues:
ary ny anankiray ny manao fahagagana, ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa, ary ny anankiray ny miteny amin'ny fiteny samy hafa tsy fantatra, ary ny anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra.
But all these worketh that one and the selfsame Spirit, dividing to every man severally as he will.
Ireo rehetra ireo dia asan'ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony.
For as the body is one, and hath many members, and all the members of that one body, being many, are one body: so also is Christ.
Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy.
For by one Spirit are we all baptized into one body, whether we be Jews or Gentiles, whether we be bond or free; and have been all made to drink into one Spirit.
Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy an jentilisa, na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray.
For the body is not one member, but many.
Nefa ny momba ny tena tsy iray, fa maro.
If the foot shall say, Because I am not the hand, I am not of the body; is it therefore not of the body?
Raha ny tongotra hanao hoe: Satria tsy tanana aho, dia tsy mba momba ny tena, amin'izany dia tsy momba ny tena va izy?
And if the ear shall say, Because I am not the eye, I am not of the body; is it therefore not of the body?
Ary raha ny sofina hanao hoe: Satria tsy maso aho, dia tsy mba momba ny tena,- koa amin'izany dia tsy momba ny tena va izy?
If the whole body were an eye, where were the hearing? If the whole were hearing, where were the smelling?
Raha maso avokoa ny tena rehetra, aiza ary izay fandrenesana? Raha fandrenesana avokoa, aiza ary izay fanimboloana?
But now hath God set the members every one of them in the body, as it hath pleased him.
Fa Andriamanitra efa nametraka izay rehetra momba ny tena, samy ho eo amin'ny tena araka ny sitrapony.
And if they were all one member, where were the body?
Ary raha izay rehetra momba ny tena no tonga iray monja, aiza intsony izay tena?
But now are they many members, yet but one body.
Fa maro ny momba ny tena, nefa ny tena dia iray ihany.
And the eye cannot say unto the hand, I have no need of thee: nor again the head to the feet, I have no need of you.
Ary ny maso tsy mahazo manao amin'ny tanana hoe: Tsy mila anao aho; ary indray, ny loha tsy mahazo manao amin'ny tongotra hoe: Tsy mila anareo aho.
Nay, much more those members of the body, which seem to be more feeble, are necessary:
Fa mainka ilaintsika aza ny momba ny tena izay atao ho malemilemy kokoa noho ny sasany.
And those members of the body, which we think to be less honourable, upon these we bestow more abundant honour; and our uncomely parts have more abundant comeliness.
Ary ny momba ny tena izay ataontsika ho kely voninahitra kokoa dia tafiantsika voninahitra bebe kokoa; ary izay tsy misy haja amin'ny momba ny tenantsika no hajaintsika kokoa;
For our comely parts have no need: but God hath tempered the body together, having given more abundant honour to that part which lacked:
fa tsy mila izany ny efa misy haja rahateo amin'ny momba ny tenantsika. Fa tamin'ny nanamboaran'Andriamanitra ny tena, dia izay kely voninahitra no nomeny voninahitra bebe kokoa,
That there should be no schism in the body; but that the members should have the same care one for another.
mba tsy hisy fisarahana eo amin'ny tena, fa mba hifampiahy ny momba ny tena rehetra.
And whether one member suffer, all the members suffer with it; or one member be honoured, all the members rejoice with it.
Ary raha mijaly ny anankiray amin'ny momba ny tena, dia miara-mijaly avokoa izay rehetra momba ny tena; fa raha omem-boninahitra kosa ny anankiray amin'ny momba ny tena, dia miara-mifaly avokoa izay rehetra momba ny tena.
Now ye are the body of Christ, and members in particular.
Ary ianareo no tenan'i Kristy, ka samy momba ny tenany avokoa araka ny anjaranareo avy.
And God hath set some in the church, first apostles, secondarily prophets, thirdly teachers, after that miracles, then gifts of healings, helps, governments, diversities of tongues.
Ary Andriamanitra efa nanendry ny sasany teo amin'ny fiangonana, voalohany Apostoly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra, manaraka izany dia fahagagana, dia fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, dia fanampiana, dia fitondrana, dia fiteny samy hafa tsy fantatra.
Are all apostles? are all prophets? are all teachers? are all workers of miracles?
Apostoly va izy rehetra? Mpaminany va izy rehetra? Mpampianatra va izy rehetra? Manao fahagagana va izy rehetra?
Have all the gifts of healing? do all speak with tongues? do all interpret?
Manana fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana va izy rehetra? Miteny amin'ny fiteny tsy fantatra va izy rehetra? Mandika teny va izy rehetra?
But covet earnestly the best gifts: and yet shew I unto you a more excellent way.
Nefa maniria fatratra ny fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra; ary, indro, izay lalana tsara indrindra no atoroko anareo: