Ezra 2

ואלה בני המדינה העלים משבי הגולה אשר הגלה נבוכדנצור מלך בבל לבבל וישובו לירושלם ויהודה איש לעירו׃
Ary izao no olona amin'izany tany izany izay niakatra avy amin'ny fahababoana, izay nobaboin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ka nentiny ho any Babylona, ary niverina ho any Jerosalema sy Joda, samy ho any an-tanànany avy,
אשר באו עם זרבבל ישוע נחמיה שריה רעליה מרדכי בלשן מספר בגוי רחום בענה מספר אנשי עם ישראל׃
dia ny olona izay niaraka tamin'i Zerobabela sy Jesoa sy Nehemia sy Seraia sy Relaia sy Mordekay sy Bilsana sy Mispara sy Bigvay sy Rehoma ary Bana. Ary ny isan'ny lehilahy tamin'ny Isiraely dia izao:
בני פרעש אלפים מאה שבעים ושנים׃
Ny taranak'i Parosy dia roa amby fito-polo amby zato sy roa arivo;
בני שפטיה שלש מאות שבעים ושנים׃
ny taranak'i Sefatia dia roa amby fito-polo amby telon-jato;
בני ארח שבע מאות חמשה ושבעים׃
ny taranak'i Ara dia dimy amby fito-polo amby fiton-jato;
בני פחת מואב לבני ישוע יואב אלפים שמנה מאות ושנים עשר׃
ny taranak'i Pahatamoaba, avy tamin'ny zanak'i Jesoa sy Joaba, dia roa ambin'ny folo amby valon-jato sy roa arivo;
בני עילם אלף מאתים חמשים וארבעה׃
ny taranak'i Eliama dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;
בני זתוא תשע מאות וארבעים וחמשה׃
ny taranak'i Zato dia dimy amby efa-polo amby sivin-jato;
בני זכי שבע מאות וששים׃
ny taranak'i Zakay dia enim-polo amby fiton-jato;
בני בני שש מאות ארבעים ושנים׃
ny taranak'i Bany dia roa amby efa-polo amby enin-jato;
בני בבי שש מאות עשרים ושלשה׃
ny taranak'i Bebay dia telo amby roa-polo amby enin-jato;
בני עזגד אלף מאתים עשרים ושנים׃
ny taranak'i Azgada dia roa amby roa-polo amby roan-jato sy arivo;
בני אדניקם שש מאות ששים וששה׃
ny taranak'i Adonikama dia enina amby enim-polo amby enin-jato;
בני בגוי אלפים חמשים וששה׃
ny taranak'i Bigvay dia enina amby dimam-polo sy roa arivo;
בני עדין ארבע מאות חמשים וארבעה׃
ny taranak'i Adina dia efatra amby dimam-polo amby efa-jato;
בני אטר ליחזקיה תשעים ושמנה׃
ny taranak'i Atera, avy tamin'i Hezekia, dia valo amby sivi-folo;
בני בצי שלש מאות עשרים ושלשה׃
ny taranak'i Bezay dia telo amby roa-polo amby telon-jato;
בני יורה מאה ושנים עשר׃
ny taranak'i Jora dia roa ambin'ny folo amby zato;
בני חשם מאתים עשרים ושלשה׃
ny taranak'i Hasoma dia telo amby roa-polo amby roan-jato;
בני גבר תשעים וחמשה׃
ny zanak'i Gibara dia dimy amby sivi-folo;
בני בית לחם מאה עשרים ושלשה׃
ny zanak'i Betlehema dia telo amby roa-polo amby zato;
אנשי נטפה חמשים וששה׃
ny mponina tany Netofa dia enina amby dimam-polo;
אנשי ענתות מאה עשרים ושמנה׃
ny mponina tany Anatota dia valo amby roa-polo amby zato;
בני עזמות ארבעים ושנים׃
ny zanak'i Azmaveta dia roa amby efa-polo;
בני קרית ערים כפירה ובארות שבע מאות וארבעים ושלשה׃
ny zanak'i Kiriat-arima sy Kefira ary Berota dia telo amby efa-polo amby fiton-jato;
בני הרמה וגבע שש מאות עשרים ואחד׃
ny zanak'i Rama sy Gaba dia iraika amby roa-polo amby enin-jato;
אנשי מכמס מאה עשרים ושנים׃
ny mponina tany Mikmasy dia roa amby roa-polo amby zato;
אנשי בית אל והעי מאתים עשרים ושלשה׃
ny mponina tany Betela sy Ay dia telo amby roa-polo amby roan-jato;
בני נבו חמשים ושנים׃
ny zanak'i Nebo dia roa amby dimam-polo;
בני מגביש מאה חמשים וששה׃
ny taranak i Magbisy dia enina amby dimam-polo amby zato;
בני עילם אחר אלף מאתים חמשים וארבעה׃
ny zanak'ilay Elama anankiray dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;
בני חרם שלש מאות ועשרים׃
ny taranak'i Harima dia roa-polo amby telon-jato;
בני לד חדיד ואונו שבע מאות עשרים וחמשה׃
ny zanak'i Loda sy Hadida ary Ono dia dimy amby roa-polo amby fiton-jato;
בני ירחו שלש מאות ארבעים וחמשה׃
ny zanak'i Jeriko dia dimy amby efa-polo amby telon-jato;
בני סנאה שלשת אלפים ושש מאות ושלשים׃
ny zanak'i Sena dia telo-polo amby enin-jato sy telo arivo.
הכהנים בני ידעיה לבית ישוע תשע מאות שבעים ושלשה׃
Ary ny mpisorona koa dia izao: Ny taranak'i Jedaia, avy tamin'ny mpianakavin'i Jesoa, dia telo amby fito-polo amby sivin-jato;
בני אמר אלף חמשים ושנים׃
ny taranak'Imera dia roa amby dimam-polo sy arivo;
בני פשחור אלף מאתים ארבעים ושבעה׃
ny taranak'i Pasora dia fito amby efa-polo amby roan-jato sy arivo;
בני חרם אלף ושבעה עשר׃
ny taranak'i Harima dia fito ambin'ny folo sy arivo.
הלוים בני ישוע וקדמיאל לבני הודויה שבעים וארבעה׃
Ary ny Levita koa dia izao: Ny taranak'i Jesoa sy Kadmiela, avy tamin'ny taranak'i Hodavia, dia efatra amby fito-polo.
המשררים בני אסף מאה עשרים ושמנה׃
Ary ny mpihira koa dia izao; Ny taranak'i Asafa dia valo amby roa-polo amby zato.
בני השערים בני שלום בני אטר בני טלמון בני עקוב בני חטיטא בני שבי הכל מאה שלשים ותשעה׃
Ary ny taranaky ny mpiandry varavarana koa dia izao: Ny taranak'i Saloma, ny taranak'i Atera, ny taranak'i Talmona, ny taranak'i Akoba, ny taranak'i Hatita, ny taranak'i Sobay, dia sivy amby telo-polo amby zato izy rehetra.
הנתינים בני ציחא בני חשופא בני טבעות׃
Ary ny Netinima koa dia izao: Ny taranak'i Ziha, ny taranak'i Hasofa, ny taranak'i Tabaota,
בני קרס בני סיעהא בני פדון׃
ny taranak'i Kerosa, ny taranak'i Siaha, ny taranak'i Padona,
בני לבנה בני חגבה בני עקוב׃
ny taranak'i Lebana, ny taranak'i Hagabaha, ny taranak'i Akoba,
בני חגב בני שמלי בני חנן׃
ny taranak'i Hagaba, ny taranak'i Salmay, ny taranak'i Hanana,
בני גדל בני גחר בני ראיה׃
ny taranak'i Gidela, ny taranak'i Gahara, ny taranak'i Reaia,
בני רצין בני נקודא בני גזם׃
ny taranak'i Rezina, ny taranak'i Nekoda, ny taranak'i Gazama,
בני עזא בני פסח בני בסי׃
ny taranak'i Oza, ny taranak'i Pasea, ny taranak'i Besay,
בני אסנה בני מעונים בני נפיסים׃
ny taranak'i Asna, ny taranaky ny Meonita, ny taranaky ny Nefisita,
בני בקבוק בני חקופא בני חרחור׃
ny taranak'i Bakboka, ny taranak'i Hakofa, ny taranak'i Harora,
בני בצלות בני מחידא בני חרשא׃
ny taranak'i Bazlota, ny taranak'i Mehida, ny taranak'i Harsa,
בני ברקוס בני סיסרא בני תמח׃
ny taranak'i Barkosa, ny taranak'i Sisera, ny taranak'i Tema,
בני נציח בני חטיפא׃
ny taranak'i Nezia, ny taranak'i Hatifa.
בני עבדי שלמה בני סטי בני הספרת בני פרודא׃
Ary ny taranaky ny mpanompon'i Solomona koa dia izao: Ny taranak'i Sotahy, ny taranak'i Sofereta, ny taranak'i Peroda,
בני יעלה בני דרקון בני גדל׃
ny taranak'i Jala, ny taranak'i Darkona, ny taranak'i Gidela,
בני שפטיה בני חטיל בני פכרת הצביים בני אמי׃
ny taranak'i Sefatia, ny taranak'i Hatila, ny taranak'i Pokereta-hazebaima, ny taranak'i Amy.
כל הנתינים ובני עבדי שלמה שלש מאות תשעים ושנים׃
Ny Netinima rehetra sy ny taranaky ny mpanompon'i Solomona dia roa amby sivi-folo amby telon-jato.
ואלה העלים מתל מלח תל חרשא כרוב אדן אמר ולא יכלו להגיד בית אבותם וזרעם אם מישראל הם׃
Ary izao no niakatra avy tany Tela-mela sy Tela-harsa sy Keroba sy Adana ary Imera (fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany izy, na avy tamin'ny Isiraely, na tsia):
בני דליה בני טוביה בני נקודא שש מאות חמשים ושנים׃
ny taranak'i Delaia, ny taranak'i Tobia, ny taranak'i Nekoda, dia roa amby dimam-polo amby enin-jato.
ומבני הכהנים בני חביה בני הקוץ בני ברזלי אשר לקח מבנות ברזלי הגלעדי אשה ויקרא על שמם׃
Ary ny avy tamin'ny taranaky ny mpisorona dia izao: Ny taranak'i Habaia, ny taranak'i Hakoza, ny taranak'i Barzilay; nampaka-bady avy tamin'ny zanakavavin'i Barzilay Gileadita io, ka dia notononina araka ny anarany.
אלה בקשו כתבם המתיחשים ולא נמצאו ויגאלו מן הכהנה׃
Ireo no nitady ny soratra filazana ny razany, fa tsy hita izany; dia natao ho tsy madio izy ka nesorina tamin'ny fisoronana.
ויאמר התרשתא להם אשר לא יאכלו מקדש הקדשים עד עמד כהן לאורים ולתמים׃
Ary ny governora nilaza taminy fa tsy mahazo mihinana ny zavatra masina indrindra izy mandra-pitsangan'izay mpisorona anankiray mitondra ny Orima sy Tomima.
כל הקהל כאחד ארבע רבוא אלפים שלש מאות ששים׃
Ny tontalin'ny olona rehetra dia enim-polo amby telon-jato amby roa arivo sy efatra alina,
מלבד עבדיהם ואמהתיהם אלה שבעת אלפים שלש מאות שלשים ושבעה ולהם משררים ומשררות מאתים׃
afa-tsy ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny fito amby telo-polo amby telon-jato sy fito arivo; ary nisy mpihiralahy sy mpihiravavy roan-jato teo aminy;
סוסיהם שבע מאות שלשים וששה פרדיהם מאתים ארבעים וחמשה׃
ny soavaliny dia enina amby telo-polo amby fiton-jato; ny ampondrany dia dimy amby efa-polo amby roan-jato;
גמליהם ארבע מאות שלשים וחמשה חמרים ששת אלפים שבע מאות ועשרים׃
ny ramevany dia dimy amby telo -polo amby efa-jato; ny borikiny dia roa-polo amby fiton-jato sy enina arivo.
ומראשי האבות בבואם לבית יהוה אשר בירושלם התנדבו לבית האלהים להעמידו על מכונו׃
Ary ny sasany tamin'ny lohan'ny fianakaviana, rehefa tonga tao an-tranon'i Jehovah tany Jerosalema, dia nanatitra tamin'ny sitrapo hananganana ny tranon'Andriamanitra eo amin'ilay efa niorenany.
ככחם נתנו לאוצר המלאכה זהב דרכמונים שש רבאות ואלף וכסף מנים חמשת אלפים וכתנת כהנים מאה׃
Nanome araka izay nananany avy izy hanampy ny vola voavory hanaovana ny asa, dia darika volamena arivo sy enina alina ary mane volafotsy dimy arivo ary akanjo-mpisorona zato.
וישבו הכהנים והלוים ומן העם והמשררים והשוערים והנתינים בעריהם וכל ישראל בעריהם׃
Ary samy tafapetraka teny an-tanànany avy ny mpisorona sy ny Levita sy ny sasany tamin'ny vahoaka sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana ary ny Netinima, dia ny Isiraely rehetra samy tao an-tanànany avy.