Exodus 28

「你要从以色列人中,使你的哥哥亚伦和他的儿子拿答、亚比户、以利亚撒、以他玛一同就近你,给我供祭司的职分。
Ary asaovy manatona anao Arona rahalahinao mbamin'ny zanany, avy amin'ny Zanak'Isiraely, mba ho mpisorona ho Ahy izy, dia Arona mbamin'i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara, zanak'i Arona.
你要给你哥哥亚伦做圣衣为荣耀,为华美。
Ary manaova fitafiana masina ho an'i Arona rahalahinao ho voninahitra sy ho fahatsaran-tarehy.
又要吩咐一切心中有智慧的,就是我用智慧的灵所充满的,给亚伦做衣服,使他分别为圣,可以给我供祭司的职分。
Ary mitenena amin'izay hendry fo, izay nofenoiko fanahim-pahendrena, mba hanao ny fitafian'i Arona hanamasinana azy ho mpisorona ho Ahy.
所要做的就是胸牌、以弗得、外袍、杂色的内袍、冠冕、腰带,使你哥哥亚伦和他儿子穿这圣服,可以给我供祭司的职分。
Ary izao no fitafiana izay hataony: saron-tratra sy efoda sy akanjo ivelany sy akanjo lava tenom-boaroy sy hamama ary fehin-kibo; dia hanao fitafiana masina ho an'i Arona rahalahinao izy, sy ho an'ny zanany, mba ho mpisorona ho Ahy izy.
要用金线和蓝色、紫色、朱红色线,并细麻去做。
Ary aoka haka ny volamena sy ny manga sy ny volomparasy sy ny mena ary ny rongony fotsy madinika izy.
「他们要拿金线和蓝色、紫色、朱红色线,并撚的细麻,用巧匠的手工做以弗得。
Dia aoka izy hanao ny efoda amin'ny volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny mpanenona mahay.
以弗得当有两条肩带,接上两头,使它相连。
Aoka hisy soroka roa avy amin'ny sisiny roa hampikambana azy.
其上巧工织的带子,要和以弗得一样的做法,用以束上,与以弗得接连一块,要用金线和蓝色、紫色、朱红色线,并撚的细麻做成。
Ary ny fehin-kibo momba ny efoda, izay eo amboniny ka hiray aminy sady hitovy tarehy aminy, dia hatao volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina.
要取两块红玛瑙,在上面刻以色列儿子的名字:
Ary makà vato beryla roa, ka soraty eo aminy ny anaran'ny Zanak'Isiraely:
六个名字在这块宝石上,六个名字在那块宝石上,都照他们生来的次序。
ny anarany enina amin'ny vato iray, ary ny anarany enina kosa amin'ny vato iray, araka ny fizokiany;
要用刻宝石的手工,彷彿刻图书,按著以色列儿子的名字,刻这两块宝石,要镶在金槽上。
amin'ny asan'ny mpanora-bato, tahaka ny fanoratana fanombohan-kase, no hanoratanao ny vato roa, araka ny anaran'ny Zanak'Isiraely; ary asio randram-bolamena manodidina izy,
要将这两块宝石安在以弗得的两条肩带上,为以色列人做纪念石。亚伦要在两肩上担他们的名字,在耶和华面前作为纪念。
Ary ataovy eo amin'ny soroky ny efoda ny vato roa, ho vato fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely; ary Arona hitondra ireo anarany ireo eo anatrehan'i Jehovah amin'ny sorony roa ho fahatsiarovana.
要用金子做二槽,
Ary manaova randram-bolamena
又拿精金,用拧工彷彿拧绳子,做两条鍊子,把这拧成的鍊子搭在二槽上。
sy olam-bolamena tsara roa; mifanolana toy ny tady no hanaovanao ireo, ary hataonao eo amin'ny randram-bolamena ireo alom-bolamena toy ny tady ireo.
「你要用巧匠的手工做一个决断的胸牌。要和以弗得一样的做法:用金线和蓝色、紫色、朱红色线,并撚的细麻做成。
Ary manaova saron-tratra fitsarana, ka asan'ny mpanenona mahay, toy ny nanaovana ny efoda, no hanaovanao azy; volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina no hanaovanao azy.
这胸牌要四方的,叠为两层,长一虎口,宽一虎口。
Ho efa-joro miforitra roa izy, ary ho irain-jehy avy ny lafiny efatra.
要在上面镶宝石四行:第一行是红宝石、红璧玺、红玉;
Ary asio vato alatsaka an-tranontranony izy, dia vato efatra an-dalana: ny andalana voalohany dia karnelia sy topaza ary emeralda;
第二行是绿宝石、蓝宝石、金钢石;
ary ny andalana faharoa dia robina sy safira ary onyksa;
第三行是紫玛瑙、白玛瑙、紫晶;
ary ny andalana fahatelo dia opala sy agata ary ametysta;
第四行是水苍玉、红玛瑙、碧玉。这都要镶在金槽中。
ary ny andalana fahefatra dia krysolita sy beryla ary jaspy; ary asio randram-bolamena ny fitoerany avy.
这些宝石都要按著以色列十二个儿子的名字,彷彿刻图书,刻十二个支派的名字。
Ary ny vato dia alaharo araka ny anaran'ny Zanak'Isiraely, dia roa ambin'ny folo araka ny anarany; ary hisy soratra toy ny amin'ny fanombohan-kase, ho amin'ny firenena roa ambin'ny folo araka ny anarany avy.
要在胸牌上用精金拧成如绳的鍊子。
Ary eo amin'ny saron-tratra asio olam-bolamena tsara mifanolana toy ny tady.
在胸牌上也要做两个金环,安在胸牌的两头。
Ary manaova vava volamena roa ho eo amin'ny saron-tratra; ary ny vava vola roa dia ataovy eo amin'ny zorony roa ambony amin'ny saron-tratra.
要把那两条拧成的金鍊子,穿过胸牌两头的环子。
Ary ny tady volamena roa dia ataovy eo amin'ny vava vola roa, izay amin'ny zorony roa ambony amin'ny saron-tratra.
又要把鍊子的那两头接在两槽上,安在以弗得前面肩带上。
Ary ny lanin'ny tady roa dia ataovy eo amin'ny soroky ny efoda anoloana.
要做两个金环,安在胸牌的两头,在以弗得里面的边上。
Ary manaova vava volamena roa, ka ataovy amin'ny zorony roa ambany amin'ny saron-tratra, dia amin'ny sisiny anatiny, izay manolotra ny efoda.
又要做两个金环,安在以弗得前面两条肩带的下边,挨近相接之处,在以弗得巧工织的带子以上。
Ary manaova vava volamena roa koa, ka ataovy eo amin'ny soroko roa amin'ny efoda, dia ao ambaniny, eo anoloany, akaikin'ny fikambanany, eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda.
要用蓝细带子把胸牌的环子与以弗得的环子系住,使胸牌贴在以弗得巧工织的带子上,不可与以弗得离缝。
Ary kofehy manga no hamehezana ny vava volan'ny saron-tratra amin'ny vava volan'ny efoda, mba ho eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra, ka tsy ho afaka eo.
亚伦进圣所的时候,要将决断胸牌,就是刻著以色列儿子名字的,带在胸前,在耶和华面前常作纪念。
Ary Arona hitondra ny anaran'ny Zanak'Isiraely eo amin'ny saron-tratra fitsarana manolotra ny fony, raha miditra amin'ny fitoerana masina izy, mba ho fahatsiarovana mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah.
又要将乌陵和土明放在决断的胸牌里;亚伦进到耶和华面前的时候,要带在胸前,在耶和华面前常将以色列人的决断牌带在胸前。」
Ary ataovy eo amin'ny saron-tratra fitsarana ny Orima sy Tomima; ary hanolotra ny fon'i Arona izany, raha miditra eo anatrehan'i Jehovah izy; ka dia ho entin'i Arona manolotra ny fony mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah ny fitsarana ny Zanak'Isiraely.
「你要做以弗得的外袍,颜色全是蓝的。
Ary ny akanjo ivelany misy ny efoda dia ataovy manga avokoa.
袍上要为头留一领口,口的周围织出领边来,彷彿铠甲的领口,免得破裂。
Ary asio vozony eo afovoany, ary aoka hisy sisiny voatenona manodidina ny vozony, tahaka ny vozon'ny akanjo fiarovan-tratra, mba tsy hahatriatra azy.
袍子周围底边上要用蓝色、紫色、朱红色线做石榴。在袍子周围的石榴中间要有金铃铛:
Ary asio sarin'ampongaben-danitra manga sy volomparasy sy mena manodidina eny amin'ny moron-tongony, ary famohamandry volamena kosa eo anelanelany manodidina:
一个金铃铛一个石榴,一个金铃铛一个石榴,在袍子周围的底边上。
dia famohamandry sy sarin'ampongaben-danitra mifanelanelana manodidina eny amin'ny moron-tongotry ny akanjo ivelany.
亚伦供职的时候要穿这袍子。他进圣所到耶和华面前,以及出来的时候,袍上的响声必被听见,使他不至于死亡。
Ary hiakanjoan'i Arona izany, raha manao ny fanompoam-pivavahany izy, mba ho re ny fanenony, raha miditra amin'ny fitoerana masina eo anatrehan'i Jehovah sy raha mivoaka izy, mba tsy hahafaty azy.
「你要用精金做一面牌,在上面按刻图书之法刻著『归耶和华为圣』。
Ary manaova takela-bolamena tsara, ka asio soratra eo aminy, araka ny fanoratana fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN'I JEHOVAH.
要用一条蓝细带子将牌系在冠冕的前面。
Ary asio kofehy manga izy, ka ataovy eo amin'ny hamama: dia eo anoloan'ny hamama no hasiana azy.
这牌必在亚伦的额上,亚伦要担当干犯圣物条例的罪孽;这圣物是以色列人在一切的圣礼物上所分别为圣的。这牌要常在他的额上,使他们可以在耶和华面前蒙悦纳。
Ary ho eo ambonin'ny handrin'i Arona izy, mba ho entin'i Arona ny heloky ny zava-masina, izay hohamasinin'ny Zanak'Isiraely amin'ny fanomezany masina rehetra; ary ho eo amin'ny handriny mandrakariva izany, mba hankasitrahana eo anatrehan'i Jehovah ny olona.
要用杂色细麻线织内袍,用细麻布做冠冕,又用绣花的手工做腰带。
Ary ny akanjo lava dia ataovy hariry madinika tenom-boaroy; ary manaova hamama rongony fotsy madinika sy fehin-kibo, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra.
「你要为亚伦的儿子做内袍、腰带、裹头巾,为荣耀,为华美。
Ary manaova akanjo lava ho an'ny zanak'i Arona, ary manaova fehin-kibo ho azy; ary manaova satroka boribory ho azy ho voninahitra sy ho fahatsaran-tarehy.
要把这些给你的哥哥亚伦和他的儿子穿戴,又要膏他们,将他们分别为圣,好给我供祭司的职分。
Ary ataovy amin'i Arona rahalahinao sy ny zanany koa ireo; dia manosora azy sy manokana azy ary manamasina azy, mba ho mpisorona ho Ahy izy.
要给他们做细麻布裤子,遮掩下体;裤子当从腰达到大腿。
Ary manaova kalisaona fohy rongony fotsy ho azy hanarona ny fitanjahany; hatramin'ny valahany ka hatramin'ny feny no hisy azy.
亚伦和他儿子进入会幕,或就近坛,在圣所供职的时候必穿上,免得担罪而死。这要为亚伦和他的后裔作永远的定例。」
Ary hiakanjoan'i Arona sy ny zanany ireo, raha miditra amin'ny trano-lay fihaonana izy, na manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, mba tsy hahazoany heloka hahafaty azy; ho lalàna mandrakizay aminy sy amin'ny taranany mandimby azy izany.