ka nanao taminy hoe: Ry tompokolahy ô, hitako fa izao fandehanana izao dia hisy fahasimbana sy fatiantoka be ihany, ka tsy amin'ny entana sy ny sambo ihany, fa ny aintsika koa aza.
Ary satria ny fitodian-tsambo teo dia tsy tsara hitoerana amin'ny ririnina, dia nataon'ny maro fa tsara raha miala, fandrao mba ho tonga any Foiniksa ahay handany ny ririnina any; fitodian-tsambo any Kreta izany ka manatrika mianatsimo-andrefana sy mianavaratra-andrefana.
ary rehefa nakarina izany, dia novahorany manodidina ny sambo; ary natahotra izy, fandrao hihatra any amin'ilay fasika mandrevo, dia nampidina ny lay, ka navelany handeha ho azy ny sambo.
fa rehefa tsy hita ny masoandro na ny kintana hatramin'ny andro maro, ary tsy kely ny rivotra izay namely, dia tsy nanantena ho voavonjy intsony izahay.
Ary rehefa tsy nihinan-kanina ela izy ireo, Paoly dia nitsangana teo afovoany ka nanao hoe: Ry tompokolahy ô, tsara raha ho nihaino ahy ianareo ka tsy niala tany Kreta, mba tsy ho nahitana izao fahasimbana sy fatiantoka izao.
dia nanaka-drano izy ka hitany fa faharoa-polo refy; ary nony nandrosoroso kokoa izy, dia nanaka-drano indray ka hitany fa fahadimy ambin'ny folo refy.
Fa raha nitady handositra hiala tamin'ny sambo ny matilo ka efa nampidina ny salopy teo amin'ny ranomasina izy, nody handatsaka vatofantsika eo an-doha-sambo,
Ary raha mbola tsy nazava ny andro, dia niangavy tamin'ny olona rehetra Paoly mba hihinan-kanina ka nanao hoe: Anio no fahefatra ambin'ny folo andro niandrasanareo, sady nahari-noana ianareo ka tsy nihinana.
Koa mananatra anareo aho hihinan-kanina, fa izany no isan'ny hamonjena anareo; ary tsy hisy ho very aminareo rehetra na dia singam-bolo iray akory aza.
Ary rehefa nazava ny andro, dia tsy nahalala ny tany izy, fa nahita helodrano anankiray tsara morona, ka teo no nokasainy hampidonana ny sambo, raha azony atao.
Ary rehefa nesoriny avokoa ny vatofantsika, dia navelany ho any an-dranomasina, ary novahany koa ny kofehin'ny familian-tsambo dia namelatra ny lay anoloana izy ho azon'ny rivotra ka nanatona ny tany.
Ary raha tonga tamin'izay nisy fihaonan-dranomasina izy, dia navelany hidona tamin'ny tany ny sambo; ary ny loha-sambo nihizina ka nitoetra tsy nihetsika, fa ny vodi-sambo kosa dia vakivaky azon'ny herin'ny onja.
Fa ny kapiteny ta-hamonjy an'i Paoly, dia nisakana azy tsy hanao izay nokasainy; fa izay nahay nilomano no nasainy hirotsaka aloha ka hilomano ho any amin'ny tany,
ary ny sisa dia samy hanao izay hahafaka azy, na amin'ny hazo fisaka, na amin'ny zavatra avy amin'ny sambo. Dia tonga soa aman-tsara teny an-tanety avokoa izy rehetra.