Ary tsy kely ny soa nasehon'ny tompon-tany taminay; fa namelona afo izy ka nandray tsara anay rehetra, satria nilatsaka tamin'izay ny ranonorana, sady nangatsiaka ny andro.
Ary raha hitan'ny tompon-tany ny biby niraikitra tamin'ny tànany, dia niresaka hoe izy: Mpamono olona tokoa io lehilahy io, ka na dia voavonjy tamin'ny ranomasina aza izy, tsy avelan'ny todin'aina ho velona.
Ary ny olona kosa nanampo azy hivonto, na hikarapoka ho faty tampoka; fa rehefa niandry ela izy ka nahita fa tsy nisy na inona na inona nanjo an'i Paoly, dia niova saina izy ka nanao hoe: andriamanitra io.
Ary nony niala teo izahay, dia nisompirana nankany Regioma; ary rehefa afaka indray andro, dia nifofofofo avy any atsimo ny rivotra, koa nony ampitso dia tonga tao Potioly izahay;
Ary nony nahare ny dianay ny rahalahy tany, dia tonga izy nitsena anay hatrany amin'ny Tsenan'Apio sy ny Tranombahiny Telo; raha nahita azy Paoly, dia nisaotra an'Andriamanitra izy ka nahazo toky.
Fa raha notoherin'ny Jiosy izany, dia tery aho ka nilaza fa handahatra amin'i Kaisara, nefa tsy mba toy ny manana teny hiampangako ny fireneko tsy akory.
Ary izany zavatra izany no nampanalako anareo, hahitako anareo sy hiresahako aminareo; fa noho ny fanantenan'ny Isiraely no ifatorako amin'ity gadra ity.
Ary rehefa nanao fotoana taminy ireo, dia maro no nankeo aminy tao an-trano nitoerany; ary izy nilaza sy nanambara taminy ny fanjakan'Andriamanitra hatramin'ny maraina ka hatramin'ny hariva, ary ny teny eo amin'ny lalàn'i Mosesy sy ny mpaminany no nitaomany azy hino an'i Jesosy.
manao hoe: Mandehana any amin'ity firenena ity ianao, ka lazao hoe: Mba hahare mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahalala; Ary mba hijery mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahita;
Fa efa adala ny fon'ireo olona ireo, ary efa lalodalovana ny sofiny, ary efa nakimpiny ny masony, Fandrao hahita ny masony, sy handre ny sofiny, ary hahalala ny fony, dia hibebaka izy, ka hahasitrana azy Aho. (Isa. 6. 9, 10).