Matthew 12

I taua wa i haere a Ihu i te hapati ra waenga witi; a e hiakai ana ana akonga, na ka anga ratou ka kato i nga witi, ka kai.
Tamin'izany andro izany Jesosy nandeha namaky ny tanimbary tamin'ny Sabata; ary noana ny mpianany ka nanoty salohim-bary, dia nihinana.
A, no te kitenga o nga Parihi, ka mea ki a ia, Na, au akonga e mea na i te mea e kore e tika kia meinga i te hapati.
Fa nony nahita izany ny Fariseo, dia hoy izy taminy: Indro, ny mpianatrao manao izay tsy mety hatao amin'ny Sabata.
Ka mea ia ki a ratou, Kahore koutou i kite i ta Rawiri i mea ai, i a ia e hiakai ana, ratou ko ona hoa:
Ary hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon'i Davida, raha noana izy mbamin'izay nanaraka azy,
I tona tomokanga ki te whare o te Atua, i tana kainga i nga taro aroaro, i nga mea kihai nei i tika kia kainga e ia, e ona hoa ranei, engari ma nga tohunga anake?
Fa niditra tao amin'ny tranon'Andriamanitra izy ka nihinana ny mofo aseho, izay nahadiso raha haniny, na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany?
Kahore ano koutou i kite i roto i te ture, e whakanoatia ana te hapati e nga tohunga i roto i te temepara i nga hapati, a kahore he he?
Ary tsy mbola novakinareo ao amin'ny lalàna va fa amin'ny Sabata ny mpisorona ao amin'ny tempoly manota ny Sabata, nefa tsy manan-tsiny?
Ko taku kupu ia tenei ki a koutou, Kei konei tetahi, he rahi ke i te temepara.
Ary dia lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly.
Otiia me i matau koutou ki tenei, Ko taku e pai ai ko te tohu tangata, haunga te patunga tapu, kahore koutou i whakahe i te hunga harakore.
Fa raha fantatrareo izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà (Hos. 6. 6), dia tsy mba nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo.
Ko te Tama nei hoki a te tangata te Ariki o te hapati.
Fa Tompon'ny Sabata ny Zanak'olona.
Na ka haere atu ia i reira, ka tomo ki to ratou whare karakia:
Ary nony niala teo Jesosy, dia niditra tao amin'ny synagoga;
Na he tangata tera kua memenge te ringa. A ka ui ratou ki a ia, He tika ranei te whakaora i te hapati? he mea hoki kia whakapangia ai e ratou he he ki a ia.
ary, indro, nisy lehilahy maty tanana teo. Ary ny olona nanontany Azy hoe: Mety va ny mahasitrana amin'ny Sabata? mba hiampangany Azy.
Na ka mea ia ki a ratou, Ko tehea tangata o koutou, ki te mea kotahi ana hipi, a ka taka ki roto ki te poka i te hapati, e kore ranei ia e mau ki taua hipi, e hapai ake?
Ary hoy Izy taminy: Iza moa no olona ao aminareo, raha manana ondry anankiray, ka latsaka any an-kady amin'ny Sabata, no tsy handray azy sy hampakatra azy?
Na tera noa atu to te tangata pai i to te hipi. Ina, he tika ano te mahi pai i nga hapati.
Ary tsy mihoatra lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin'izany dia mety ny manao soa amin'ny Sabata.
Me i reira ka mea ia ki taua tangata, Totoro mai tou ringa. A, no te toronga, kua ora ano, kua pera me tetahi.
Dia hoy Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tananao. Dia nahinjiny ka sitrana ho tahaka ny anankiray.
Na ka haere nga Parihi ki waho, ka runanga mona me pehea e ngaro ai ia i a ratou.
Ary ny Fariseo dia lasa nivoaka ka niara-nisaina mba hahafaty Azy.
Otira i matau a Ihu, a haere atu ana i reira: a he rahi te hui i aru i a ia, a whakaorangia ana ratou katoa e ia;
Fa Jesosy nahalala izany, ka dia niala teo. Ary nisy olona betsaka nanaraka Azy, ka dia nositraniny avokoa izy rehetra;
A i whakatupato ano ia i a ratou kei whakakitea ia.
ary nandrara azy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy,
Na ka rite ta Ihaia poropiti i korero ai, i mea ai,
mba hahatanteraka izay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe:
Na, taku pononga, taku i whiriwhiri ai: taku i aroha ai, ta toku Wairua i ahuareka ai: ka waiho e ahau toku Wairua ki runga ki a ia, a mana e whakapuaki te whakawa ki nga tauiwi.
Indro ny Mpanompoko, Izay nofidiko, Ny Malalako, Izay sitraky ny foko indrindra; Hapetrako ao aminy ny Fanahiko, Ary hitory ny rariny amin'ny jentilisa Izy;
E kore ia e totohe, e kore ia e hamama; e kore ano e rangona tona reo i nga ara;
Tsy hifanditra, na hiantso mafy Izy; Ary tsy hisy handre ny feony any an-dalana;
E kore e whatiia porokeretia e ia te kakaho i mangungu, e kore e tineia te muka e whakapaoa ana; kia puta ra ano i a ia te whakawa ki te wikitoria.
Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, Ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona, Ambara-pamoakany ny rariny ho mpandresy;
Ka tumanako hoki nga tauiwi ki tona ingoa.
Ary ny anarany no hitokian'ny jentilisa (Isa. 42:1-4).
Me i reira ka kawea mai ki a ia he tangata e nohoia ana e te rewera, he matapo, he wahangu; a whakaorangia ana e ia, no ka korero, ka kite taua matapo, taua wahangu.
Dia nentina tany amin'i Jesosy ny lehilahy anankiray izay demoniaka, sady jamba no moana; dia nositraniny, ka dia niteny sy nahita ilay moana.
A ka ohomauri te mano katoa, ka mea, Ehara ianei tenei i te Tama a Rawiri?
Dia talanjona ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Moa Ity va Ilay Zanak'i Davida?
A, no te rongonga o nga Parihi, ka mea, Ehara i a ia nana i pei nga rewera nei, engari na Perehepura, na te rangatira o nga rewera.
Fa nony ren'ny Fariseo izany, dia hoy izy: Tsy misy amoahan'ilehiny ny demonia, afa-tsy Belzeboba, lohan'ny demonia.
A i matau a Ihu ki o ratou whakaaro, ka mea ki a ratou, Ki te tahuri iho tetahi rangatiratanga ki a ia ano, ka kore; ki te tahuri iho hoki ki a ia ano tetahi pa, tetahi whare ranei, e kore e tu:
Ary Jesosy nahalala ny eritreriny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary tsy haharitra ny tanàna rehetra, na ny trano, izay miady an-trano.
Na, ki te pei a Hatana i a Hatana ano, e tahuri iho ana ki a ia ano; me pehea e tu ai tona rangatiratanga?
Ary raha Satana no mamoaka an'i Satana, dia miady an-trano izy; ka ahoana no haharetan'ny fanjakany?
A, ki te mea na Perehepura taku peinga rewera, na wai te peinga a a koutou tamariki? na ko ratou hei kaiwhakawa mo koutou.
Ary raha Belzeboba no amoahako ny demonia, iza kosa no mba amoahan'ny zanakareo azy? ary noho izany dia izy ihany no ho mpitsara anareo.
Tena, ki te mea na te Wairua o te Atua taku peinga rewera, ina, kua tae noa mai te rangatiratanga o te Atua ki a koutou.
Fa raha ny Fanahin'Andriamanitra kosa no amoahako ny demonia, dia efa tonga aminareo sahady ny fanjakan'Andriamanitra.
Me pehea oti ka tomo ai te tangata ki te whare o te tangata kaha, ka pahua ai i ona taonga, ki te kore ia e matua here i taua tangata kaha? ko reira pahua ai i tona whare.
Fa hataon'ny olona ahoana no fiditra ao an-tranon'ny mahery handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ny mahery? dia vao handroba ny ao an-tranony izy.
Ko te tangata ehara i te hoa noku, he hoariri ia ki ahau; ko te tangata kahore e kohikohi tahi maua, e titaritari ana.
Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.
Koia ahau ka mea nei ki a koutou, Ko nga hara katoa me nga kohukohu, a te tangata e murua: tena ko te kohukohu ki te Wairau Tapu e kore e murua.
Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny ota sy fitenenan-dratsy samy hafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina.
Ki te korero whakahe hoki tetahi mo te Tama a te tangata, e murua tana: tena ki te korero whakahe tetahi mo te Wairua Tapu, e kore e murua tana i tenei ao, e kore ano i tera atu.
Ary na iza na iza no manao teny hanohitra ny Zanak'olona, dia hahazo famelan-keloka ihany; fa na iza na iza no miteny hanohitra ny Fanahy Masina, dia tsy mba hahazo famelan-keloka, na amin'izao fiainana izao, na amin'ny ho avy.
Meinga ranei te rakau kia pai, a pai iho ona hua; meinga ranei te rakau kia kino, a kino iho ona hua; ma nga hua hoki ka mohiotia ai te rakau.
Koa ataovy tsara ny hazo mbamin'ny voany, na ataovy ratsy ny hazo mbamin'ny voany; fa ny voany no ahafantarana ny hazo.
E te uri nakahi, me pehea ka korero pai ai koutou, te hunga kino? he purenatanga hoki no te ngakau nga kupu a te mangai.
Ry taranaky ny menarana! hataonareo, izay ratsy fanahy, ahoana no fahay miteny zavatra tsara? fa avy amin'ny haben'ny ao am-po no itenenan'ny vava.
Ko te tangata pai he pai ana e whakaputa ai i roto i nga taonga pai o te ngakau: ko te tangata kino hoki he kino ana e whakaputa ai i roto i nga taonga kino.
Ny rakitra tsara no amoahan'ny olona tsara fanahy zavatra tsara; ary ny rakitra ratsy kosa no amoahan'ny olona ratsy fanahy zavatra ratsy.
Na ko taku kupu tenei ki a koutou, Me korero e nga tangata, i te ra whakawa, te tikanga o nga kupu pokanoa katoa e puaki i a ratou.
Ary lazaiko aminareo fa hampamoahina ny olona amin'ny andro fitsarana noho ny amin'ny teny foana rehetra izay ataony.
Ma au kupu hoki koe ka whakatikaia ai, ma au kupu ano ka tau ai te he ki a koe.
Fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao.
Me i reira ka ki etahi o nga karaipi, o nga Parihi, ka mea, E te Kaiwhakaako, e mea ana matou kia kite i tetahi tohu i a koe.
Ary tamin'izany ny sasany tamin'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo namaly Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, ta-hahita famantarana avy aminao izahay.
Na ka whakahoki ia, ka mea ki a ratou, E rapu ana te whakatupuranga kino, puremu, i tetahi tohu; a e kore tetahi tohu e hoatu, ko te tohu anake o Hona poropiti:
Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy famantarana ny amin'i Jona mpaminany;
E toru hoki nga ra o Hona, e toru nga po i roto i te kopu o te tohora; waihoki ka toru nga ra, ka toru nga po o te Tama a te tangata ki te manawa o te whenua.
fa tahaka ny nitoeran'i Jona hateloan'andro sy hateloan'alina tao an-kibon'ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran'ny Zanak'olona hateloan'Andro sy hateloan'alina ao anatin'ny tany.
E ara nga tangata o Ninewe me tenei whakatupuranga i te whakawakanga, e whakatau i te he ki a ratou: i ripeneta hoki ratou i te kauwhau a Hona; a tenei tetahi he nui ki i a Hona.
Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa nibebaka izy tamin'ny nitorian'i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe noho Jona eto.
E ara te kuini o te tonga me tenei whakatupuranga i te whakawakanga, e whakatau i te he ki a ratou: i haere mai hoki ia i nga pito o te whenua ki te whakarongo ki nga whakaaro nui o Horomona; a tenei tetahi he nui ke i a Horomona.
Ny mpanjakavavy avy tany atsimo hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin'ny faran'ny tany izy hihaino ny fahendren'i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto.
Ka puta mai te wairua poke i roto i te tangata, ka haereere ra nga wahi maroke rapu okiokinga ai, a te kitea.
Raha mivoaka amin'ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana, fa tsy mahita.
Ka mea ia, Ka hoki ahau ki toku whare i puta mai ia ahau; a, no te taenga atu, rokohanga atu e takoto kau ana, oti rawa te tahi, te whakapai.
Dia hoy izy: Hody any amin'ny tranoko izay nivoahako aho; ary nony tonga izy, dia hitany fa foana ny trano sady voafafa no voavoatra.
Na ka haere ia, ka tango i etahi atu wairua tokowhitu hei hoa mona, he kino noa atu i a ia, ka tomo ratou, ka noho ki reira; a kino atu i te timatanga te whakamutunga ki taua tangata. Tera ano e pera tenei whakatupuranga kino.
Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa miaraka aminy izay ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran'izany olona izany dia tonga ratsy noho ny voalohany. Ary dia tahaka izany koa no ho amin'ity taranaka ratsy fanahy ity.
I a ia ano e korero ana ki te mano, na, ko tona whaea ratou ko ona teina e tu ana i waho, e whai ana kia korero ki a ia.
Ary raha mbola niteny tamin'ny vahoaka Jesosy, indreo, ny reniny mbamin'ny rahalahiny nijanona teo ala-trano nitady hiteny aminy.
A ka mea tetahi ki a ia, Na, tou whaea me ou teina te tu mai nei i waho, e whai ana kia korero ki a koe.
Ary nisy anankiray nanao taminy hoe: Indreo, ny reninao mbamin'ny rahalahinao mijanona ato ala-trano mitady hiteny aminao.
Na ka whakahoki ia, ka mea ki te tangata i korero ki a ia, Ko wai toku whaea? ko wai hoki oku teina?
Fa namaly Izy ka nanao tamin'ilay nilaza taminy hoe: Iza moa no reniko, ary iza no rahalahiko?
Na ka totoro tona ringa ki ana akonga, ka mea, Na, toku whaea, oku teina!
Ary naninjitra ny tànany nanondro ny mpianany Izy ka nanao hoe: Indreo ny reniko sy ny rahalahiko;
Ki te meatia hoki e tetahi ta toku Matua i te rangi e pai ai, hei teina ia ki ahau, hei tuahine, hei whaea.
Fa na iza na iza no hanao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.