Romans 12

ועתה הנני מזהיר אתכם אחי ברחמי אלהים אשר תשימו את גויותיכם קרבן חי וקדוש ונרצה לאלהים והיתה זאת עבודתכם השכלית׃
Koa amin'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon'Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany.
ואל תשתוו לעולם הזה כי אם התחלפו בהתחדש דעתכם למען תבחנו לדעת מה הוא רצון האלהים הטוב והחמד והשלם׃
Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.
כי על פי החסד הנתן לי אמר אני לכל איש ואיש מכם לבלתי רום לבבו למעלה מן הראוי כי אם יהי צנוע במחשבותיו כפי מדת האמונה אשר חלק לו האלהים׃
Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin'ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain'Andriamanitra ho anareo avy.
כי כאשר בגוף אחד יש לנו אברים הרבה ואין פעלה אחת לכל האברים׃
Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena,
כן אנחנו הברים גוף אחד במשיח וכל אחד ואחד ממנו אבר לחברו הוא׃
dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin'i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra.
ויש לנו מתנות שנות כפי החסד הנתן לנו אם נבואה תהי כפי מדת האמונה׃
Ary satria samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika: raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana;
ואם לאיש שמוש יעמל בשמוש ואם מורה בהוראה׃
raha fanompoana amin'ny fiangonana, dia aoka ho amin'ny fanompoana; raha mampianatra, dia aoka ho amin'ny fampianarana;
ואם מוכיח בתוכחה הנותן יעשה בתם לבב והמנהיג בשקידה והגמל חסד בסבר פנים יפות׃
raha mananatra, dia aoka ho amin'ny fananarana; izay manome, dia aoka ho amin'ny fahatsoram-po; izay manapaka, dia aoka ho amin'ny fahazotoana; izay mamindra fo, dia aoka ho amin'ny fifaliana.
האהבה תהיה בלי חנפה שנאו את הרע ודבקו בטוב׃
Aoka ny fitiavana ho amin'ny tsi-fihatsaram-belatsihy; mankahalà ny ratsy; mifikira amin'ny tsara.
באהבת אחים הראו חבה יתרה ובכבוד הקדימו איש את רעהו׃
Mifankatiava araka ny fifankatiavan'ny mpirahalahy; mitariha lalana amin'ny fifanomezam-boninahitra.
שקדו ואל תעצלו התלהבו ברוח עבדו את האדון׃
Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo.
שמחו בתוחלת סבלו בצרה שקדו על התפלה׃
Mifalia amin'ny fanantenana; miareta amin'ny fahoriana; mahareta amin'ny fivavahana.
השתתפו בצרכי הקדושים רדפו הכנסת ארחים׃
Miantrà ny olona masina araka izay ilainy; mazotoa mampiantrano vahiny.
ברכו את רדפיכם ברכו ואל תקללו׃
Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona.
שמחו עם השמחים ובכו עם הבכים׃
Miaraha mifaly amin'izay mifaly, ary miaraha mitomany amin'izay mitomany.
לב אחד יהי לכלכם אל תהלכו בגדלות כי אם התנהגו עם השפלים אל תהיו חכמים בעיניכם׃
Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin'ny fietrena ianareo. Aza manao ny tenanareo ho hendry.
אל תשלמו לאיש רעה תחת רעה דרשו הטוב בעיני כל אדם׃
Aza mamaly ratsy na amin'iza na amin'iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason'ny olona rehetra.
אם תוכלו ככל אשר תמצא ידכם היו בשלום עם כל אדם׃
Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra.
אל תנקמו נקם ידידי כי אם תנו מקום לרגז כי כתוב לי נקם ושלם אמר יהוה׃
Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah (Deo. 32. 35).
לכן אם רעב שנאך האכילהו לחם ואם צמא השקהו מים כי גחלים אתה חתה על ראשו׃
Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany (Oha. 25. 21, 22).
אל נא יכבשך הרע כבוש אתה את הרע בטוב׃
Aza mety ho resin'ny ratsy ianao, fa reseo amin'ny soa ny ratsy.