Psalms 9

למנצח עלמות לבן מזמור לדוד אודה יהוה בכל לבי אספרה כל נפלאותיך׃
Ho an'ny mpiventy hira, Almoth-laben. Salamo nataon'i Davida. Hidera an'i Jehovah amin'ny foko rehetra aho; hanambara ny fahagaganao rehetra aho.
אשמחה ואעלצה בך אזמרה שמך עליון׃
Ho faly sy ho ravoravo aminao aho; hankalaza ny anaranao aho ry Avo Indrindra ô,
בשוב אויבי אחור יכשלו ויאבדו מפניך׃
Satria lasa nihodina ny fahavaloko, nirepirepy izy ka ringana tsy ho eo anatrehanao.
כי עשית משפטי ודיני ישבת לכסא שופט צדק׃
Fa efa nitsara ahy Hianao ka nanome ahy ny rariny; mipetraka eo amin'ny seza fitsaranao Hianao ho Mpitsara marina.
גערת גוים אבדת רשע שמם מחית לעולם ועד׃
Efa nanarinao mafy ny jentilisa, efa naringanao ny ratsy fanahy, ny anarany efa nokosehinao ho faty mandrakizay doria.
האויב תמו חרבות לנצח וערים נתשת אבד זכרם המה׃
Ny amin'ny fahavalo, dia tanteraka ho mandrakizay ny fandravàna azy; ary izay tanàna efa noravanao, dia very na dia ny fahatsiarovana azy aza.
ויהוה לעולם ישב כונן למשפט כסאו׃
Kanefa Jehovah mitoetra mandrakizay, efa nametraka ny sezany hitsarany Izy,
והוא ישפט תבל בצדק ידין לאמים במישרים׃
Ary Izy hitsara izao tontolo izao amin'ny fahamarinana, eny hitsara ny firenena amin'ny fahitsiana Izy.
ויהי יהוה משגב לדך משגב לעתות בצרה׃
Ka dia Jehovah no ho fiarovana avo ho an'ny mahantra, ho fiarovana avo amin'ny andro fahoriana Izy.
ויבטחו בך יודעי שמך כי לא עזבת דרשיך יהוה׃
Ary hatoky Anao izay mahalala ny anaranao; fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah ô.
זמרו ליהוה ישב ציון הגידו בעמים עלילותיו׃
Mankalazà an'i Jehovah,Izay mitoetra any Ziona; ambarao any amin'ny firenena ny asany.
כי דרש דמים אותם זכר לא שכח צעקת עניים׃
Fa izay manadin-drà dia mahatsiaro ny ory; tsy manadino ny fitarainany Izy.
חננני יהוה ראה עניי משנאי מרוממי משערי מות׃
Mamindrà fo amiko, Jehovah ô; mitsinjova ny fahoriako avy amin'izay mankahala ahy, Ry Mpanandratra ahy ho afaka amin'ny vavahadin'ny fahafatesana,
למען אספרה כל תהלתיך בשערי בת ציון אגילה בישועתך׃
Mba holazaiko avokoa ny fideràna Anao rehetra; eo am-bavahadin'i Ziona zanakavavy no hifaliako amin'ny famonjenao.
טבעו גוים בשחת עשו ברשת זו טמנו נלכדה רגלם׃
Ny jentilisa efa latsaka tamin'ny lavaka izay nohadiny, ny fandrika harato izay nafeniny efa nahazo ny tongony,
נודע יהוה משפט עשה בפעל כפיו נוקש רשע הגיון סלה׃
Jehovah efa nanao izay mampiseho ny tenany ho Mpitsara; namandrika ny ratsy fanahy tamin'ny asan'ny tànany Izy.
ישובו רשעים לשאולה כל גוים שכחי אלהים׃
Hiverina ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ny ratsy fanahy, dia ny jentilisa rehetra izay manadino an'Andriamanitra.
כי לא לנצח ישכח אביון תקות ענוים תאבד לעד׃
Fa tsy ho mandrakizay no hanadinoana ny malahelo; ary tsy ho very mandrakizay ny fanantenan'ny mahantra.
קומה יהוה אל יעז אנוש ישפטו גוים על פניך׃
Mitsangàna, Jehovah ô, aoka tsy hahery ny olona; aoka hotsaraina eo anatrehanao ny jentilisa.
שיתה יהוה מורה להם ידעו גוים אנוש המה סלה׃
Asio fampahatahorana izy, Jehovah ô; aoka ho fantatry ny jentilisa fa olona ihany izy.