Psalms 8

למנצח על הגתית מזמור לדוד יהוה אדנינו מה אדיר שמך בכל הארץ אשר תנה הודך על השמים׃
Ho an'ny mpiventy hira Al-hagitith. Salamo nataon'i Davida. Jehovah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin'ny tany rehetra! nataonao eny amin'ny lanitra ny voninahitrao.
מפי עוללים וינקים יסדת עז למען צורריך להשבית אויב ומתנקם׃
Avy amin'ny vavan'ny ankizy madinika sy ny minono no nanorenanao hery noho ny mpandrafy Anao, mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta-hamaly ratsy.
כי אראה שמיך מעשי אצבעתיך ירח וכוכבים אשר כוננתה׃
Raha jereko ny lanitrao, izay asan'ny rantsan-tananao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao,
מה אנוש כי תזכרנו ובן אדם כי תפקדנו׃
Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy?
ותחסרהו מעט מאלהים וכבוד והדר תעטרהו׃
Fa efa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, ary efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana.
תמשילהו במעשי ידיך כל שתה תחת רגליו׃
Efa nampanjakainao amin'ny asan'ny tananao izy; ny zavatra rehetra dia efa nataonao eo ambanin'ny tongony,
צנה ואלפים כלם וגם בהמות שדי׃
Dia ny ondry aman'osy sy ny omby rehetra, ary ny bibidia koa,
צפור שמים ודגי הים עבר ארחות ימים׃
Mbamin'ny voro-manidina sy ny hazandrano any an-dranomasina,izay mandeha amin'ny lalan-dranomasina.
יהוה אדנינו מה אדיר שמך בכל הארץ׃
Jehovah Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin'ny tany rehetra!