Luke 11

ויהי הוא מתפלל במקום אחד ויאמר אליו אחד מתלמידיו אחרי כלותו אדני למדנו להתפלל כאשר למד גם יוחנן את תלמידיו׃
Ary Jesosy nivavaka tao amin'ny fitoerana iray, ka rehefa nitsahatra Izy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Tompoko, mampianara anay hivavaka, tahaka ny nampianaran'i Jaona ny mpianany.
ויאמר אליהם כי תתפללו אמרו אבינו שבשמים יתקדש שמך תבוא מלכותך יעשה רצונך כמו בשמים כן בארץ׃
Ary hoy Izy taminy: Raha mivavaka ianareo, dia ataovy hoe: Ray ô hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao.
את לחם חקנו תן לנו יום יום׃
Omeo anay isan'andro izay hanina sahaza ho anay.
וסלח לנו את חובתנו כי סלחים גם אנחנו לכל החיב לנו ואל תביאנו לידי נסיון כי אם הצילנו מן הרע׃
Ary mamelà ny helokay; fa izahay koa mamela izay rehetra meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy.
ויאמר אליהם מי בכם אשר יהיה לו אהב והלך ובא אליו בחצות הלילה ואמר אליו ידידי הלוני שלשת ככרות לחם׃
Ary hoy Jesosy taminy: Iza moa aminareo no manana sakaiza, izay hankeo aminy mamatonalina ka hanao aminy hoe: Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho;
כי אהבי בא אלי מן הדרך ואין לי דבר לשום לפניו׃
fa ny sakaizako nandeha tamin'ny nalehany, dia tonga atsy amiko, ka tsy misy izay hafahako azy;
והוא מלפנים יענה ויאמר אל תוגיעני כי כבר נסגרה הדלת וילדי שוכבים עמדי במטה לא אוכל לקום ולתת לך׃
ary ilay ao an-trano kosa hamaly ka hanao hoe: Aza manahirana ahy; fa efa mihidy ny varavarana izao, ary ny zanako mandry eto am-pandriana eto amiko; tsy afaka hifoha hanome anao aho?
אני אמר לכם גם כי לא יקום לתת לו על היותו אהבו יקום בעבור עזות פניו ויתן לו ככל צרכו׃
Hoy Izaho aminareo: Na dia tsy hiainga hanome azy noho ny fisakaizana aza izy, dia hifoha ihany izy noho ny fitarainany fatratra ka hanome azy izay ilainy.
וגם אני אמר לכם שאלו וינתן לכם דרשו ותמצאו דפקו ויפתח לכם׃
Ary hoy izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo.
כי כל השאל יקבל והדרש ימצא ולדפק יפתח׃
Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana.
ומי בכם האב אשר ישאל ממנו בנו לחם ונתן לו אבן ואם דג היתן לו נחש תחת הדג׃
Fa iza moa aminareo izay ray, raha angatahan'ny zanany mofo, no hanome azy vato? ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana ho solon'ny hazandrano?
או כי ישאלנו ביצה היתן לו עקרב׃
ary raha angatahany atody, no hanome azy maingoka?
הן אתם הרעים ידעים לתת מתנות טבות לבניכם אף כי האב מן השמים יתן את רוח הקדש לשאלים מאתו׃
Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy?
ויהי היום ויגרש שד והוא אלם ויהי אחרי צאת השד וידבר האלם ויתמהו העם׃
Ary Jesosy namoaka demonia moana. Ary rehefa nivoaka ny demonia, dia niteny ilay moana; ka dia gaga ny vahoaka.
ויש אשר אמרו בבעל זבוב שר השדים הוא מגרש את השדים׃
Fa hoy ny sasany; Belzeboba, lohan'ny demonia, no amoahany ny demonia.
ויש אשר נסוהו וישאלו ממנו אות מן השמים׃
Fa ny sasany kosa naka fanahy Azy ka nangataka famantarana taminy avy any an-danitra.
והוא ידע את מחשבותם ויאמר אליהם כל ממלכה הנחלקה על עצמה תחרב ובית יפל על בית׃
Fa Izy nahalala ny heviny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary ho rava ny ankohonana izay miady an-trano.
וגם השטן אם נחלק על עצמו איככה תכון ממלכתו כי אמרתם שבבעל זבוב מגרש אני את השדים׃
Ary raha Satana koa aza no miady an-trano, ahoana no haharetan'ny fanjakany? Fa hoy ianareo: Belzeboba no amoahako ny demonia.
ואם אני מגרש את השדים בבעל זבוב בניכם במי הם מגרשים אתם על כן המה יהיו שפטיכם׃
Fa raha Izaho mamoaka demonia amin'ny herin'i Belzeboba, dia amin'ny herin'iza kosa no amoahan'ny zanakareo azy? koa amin'izany dia ho mpitsara anareo ireo.
ואם באצבע אלהים מגרש אני את השדים הנה הגיעה אליכם מלכות האלהים׃
Fa raha ny rantsan-tànan'Andriamanitra no amoahako ny demonia, dia tonga aminareo tokoa ny fanjakan'Andriamanitra.
בהיות הגבור שמר את חצרו והוא מזין והיה רכושו שלום׃
Raha ny mahery mivonona amin'ny fiadiany no miaro ny tranony, dia tsy haninona ny fananany.
ואם יבוא עליו חזק ממנו ותקפו ישא ממנו את נשקו אשר בטח בו ואת מלקחו יחלק׃
Fa raha avy kosa izay mahery noho izy ka mandresy azy, dia alainy ny fiadiany rehetra izay nitokiany, ary izay azony ho babo dia zarainy.
כל אשר איננו אתי הוא לנגדי ואשר איננו מאסף אתי הוא מפזר׃
Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.
הרוח הטמאה אחרי צאתה מן האדם תשוטט במקמות ציה לבקש לה מנוחה ולא תמצא אז תאמר אשובה נא אל ביתי אשר יצאתי משם׃
Raha mivoaka amin'ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana; ary rehefa tsy mahita, dia hoy izy: Hody any an-tranoko izay nivoahako aho.
ובבואה תמצא אתו מטאטא ומהדר׃
Ary nony tonga izy, dia hitany fa voafafa sy voavoatra ny trano.
ואחר תלך ולקחה שבע רוחות אחרות רעות ממנה ובאו ושכנו שם והיתה אחרית האדם ההוא רעה מראשיתו׃
Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran'izany olona izany dia ratsy noho ny voalohany.
ויהי כדברו את הדברים האלה ואשה אחת מן העם נשאה את קולה ותאמר אליו אשרי הבטן אשר נשאתך והשדים אשר ינקת׃
Ary raha nilaza izany Jesosy, dia nisy vehivavy anankiray teo amin'ny vahoaka niantso ka nanao taminy hoe: Sambatra ny kibo izay nitondra Anao sy ny nono izay ninonoanao.
והוא אמר ואף כי אשרי השמעים והשמרים את דבר האלהים׃
Fa Izy nanao hoe: Eny tokoa, kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin'Andriamanitra ka mitandrina izany.
ויקבצו עם רב ויחל לדבר הדור הזה דור רע הוא אות הוא מבקש ואות לא ינתן לו בלתי אם אות יונה הנביא׃
Ary raha mbola niangona ny vahoaka betsaka, dia nilaza hoe Izy: Ity taranaka ity dia taranaka ratsy. Mitady famantarana izy; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin'i Jona;
כי כאשר היה יונה לאנשי נינוה לאות כן יהיה גם בן האדם לדור הזה׃
Fa tahaka an'i Jona izay famantarana tamin'ny Ninivita, dia ho toy izany koa ny Zanak'olona amin'ity taranaka ity.
מלכת תימן תקום במשפט עם אנשי הדור הזה והרשיעה אותם כי באה מקצות הארץ לשמע את חכמת שלמה והנה יש פה גדול משלמה׃
Ny mpanjakavavy avy tany atsimo dia hiara-mitsangana amin'ny lehilahy amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin'ny faran'ny tany izy hihaino ny fahendren'i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto.
אנשי נינוה יקומו במשפט עם הדור הזה והרשיעהו כי הם שבו בקריאת יונה והנה יש פה גדול מיונה׃
Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy, fa izy nibebaka tamin'ny nitorian'i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe noho Jona eto.
אין מדליק נר אשר ישימהו בסתר או תחת האיפה כי אם על המנורה למען יראו באי הבית את אורו׃
Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao an-davaka, na ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro izy, mba ho hitan'izay miditra ny mazava.
נר הגוף הוא העין לכן בהיות עינך תמימה גם כל גופך יאור ובהיותה רעה וחשך גם גופך׃
Ny masonao no jiron'ny tena; koa raha tsara ny masonao, dia mazava ny tenanao rehetra; fa raha ratsy izy, dia maizina koa ny tenanao.
על כן השמר לך פן יחשך האור אשר בקרבך׃
Koa tandremo, fandrao maizina ny mazava izay ao anatinao.
והנה אם גופך כלו אור ואין בו כל דבר חשך אז יאור כלו והיה כהאיר לך הנר בברק נגהו׃
Ary amin'izany, raha mazava ny tenanao rehetra, ka tsy misy maizina, dia hazava avokoa izy rehetra, tahaka ny jiro raha mirehitra tsara ka manazava anao.
ויהי בדברו ויבקש ממנו פרוש אחד לאכל אתו לחם ויבא הביתה ויסב׃
Ary raha mbola niteny Jesosy, dia nisy Fariseo nampiantrano Azy hisakafo ao aminy; dia niditra Izy ka nipetraka nihinana.
ויתמה הפרוש בראתו אשר לא נטל ידיו בראשונה לפני הסעודה׃
Fa gaga ilay Fariseo, raha nahita fa tsy nisasa Izy vao nihinana.
ויאמר אליו האדון כעת אתם הפרושים מטהרים את הכום והקערה מחוץ והפנימי אשר בכם הוא מלא גזל ורשע׃
Fa hoy ny Tompo taminy: Ankehitriny ianareo Fariseo dia manadio ny vohon'ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatinareo kosa dia feno rombaka sy faharatsiana.
הכסילים הלא עשה החיצון גם עשה את הפנימי׃
Ry adala! Tsy izay nanao ny vohony va no nanao ny atiny koa?
אבל תנו לצדקה את אשר בם והנה הכל טהור לכם׃
Fa ny zavatra eo anatiny no aoka homenareo ho fiantrana, dia, indro, madio ho anareo ny zavatra rehetra.
אך אוי לכם הפרושים כי תעשרו את המנתא ואת הפיגם ואת כל הירק ותעברו את המשפט ואת אהבת אלהים והיה לכם לעשות את אלה ולא להניח גם את אלה׃
Fa lozanareo, Fariseo! fa mandoa ny fahafolon'ny solila sy ny rota ary izay anana famboly rehetra ianareo, nefa lalovanareo ny fitsarana sy ny fitiavana an'Andriamanitra; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.
אוי לכם הפרושים כי תאהבו את מושב הראש בבתי הכנסיות ואת שאלות שלומכם בשוקים׃
Lozanareo, Fariseo! fa tia ny fipetrahana aloha ao amin'ny synagoga sy ny fiarahabana any an-tsena ianareo.
אוי לכם הסופרים והפרושים החנפים כי אתם כקברים הנסתרים ובני האדם מתהלכים עליהם ולא ידעו׃
Lozanareo, fa ianareo dia tahaka ny fasana tsy hita, ka tsy fantatry ny olona izay manitsaka azy.
ויען אחד מבעלי התורה ויאמר אליו רבי בדבריך אלה תחרף גם אתנו׃
Ary ny anankiray tamin'ny mpahay lalàna namaly ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, raha miteny izany Hianao, dia manala baraka anay koa.
ויאמר אוי גם לכם בעלי התורה כי עמסים אתם על בני האדם משאות כבדים מסבל ואתם בעצמכם אינכם נגעים במשאות גם באחת מאצבעותיכם׃
Fa hoy Jesosy: Lozanareo, mpahay lalàna koa! fa mampitondra ny olona entana sarotra entina ianareo, nefa tsy manendry izany entana izany akory ianareo, na dia amin'ny rantsan-tananareo iray aza.
אוי לכם כי בונים אתם את קברות הנביאים ואבותיכם הרגו אותם׃
Lozanareo! fa manao ny rarivatom-pasan'ny mpaminany ianareo, nefa ny razanareo ihany no namono azy.
וכן אתם מעידים ורוצים במעשי אבותיכם כי המה הרגו אותם ואתם בונים את קבריהם׃
Dia vavolombelona ianareo ka manaiky ny asan'ny razanareo; fa izy no namono azy, ary ianareo kosa manao ny rarivatom-pasany.
בעבור זאת גם אמרה חכמת האלהים אשלח אליהם נביאים ושליחים ומהם יהרגו וירדפו׃
Koa izany no nanambaran'ny fahendren'Andriamanitra hoe: Haniraka mpaminany sy apostoly ho any aminy Aho, ka ny sasany hovonoiny, ary ny sasany henjehiny,
למען ידרש מן הדור הזה דם כל הנביאים אשר נשפך למן הוסד הארץ׃
mba hadinina amin'ity taranaka ity ny ran'ny mpaminany rehetra izay nalatsaka hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao,
מדם הבל עד דם זכריהו אשר נהרג בין המזבח ולבית הן אמר אני לכם דרוש ידרש מן הדור הזה׃
dia hatramin'ny ran'i Abela ka hatramin'ny ran'i Zakaria, izay novonoina teo anelanelan'ny alitara sy ny tempoly. Eny, lazaiko aminareo marina tokoa fa hadinina amin'ity taranaka ity izany.
אוי לכם בעלי התורה כי הסירתם את מפתח הדעת אתם לא באתם ואת הבאים מנעתם׃
Lozanareo, mpahay lalàna! satria nalainareo ny fanalahidin'ny fahalalana; ianareo tsy niditra, ary izay te-hiditra dia nosakananareo.
ויהי כדברו להם את אלה ויחלו הסופרים והפרושים לשטם אותו מאד ולהקשות לו בדברים רבים׃
Ary raha niala teo Izy, dia noteren'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo fatratra sady nadinadininy zavatra maro.
ויארבו לו ויבקשו לצודד דבר מפיהו למען ימצאו עליו שטנה׃
Dia nihendry Azy izy ireo hamandrihany Azy tamin'ny teny naloaky ny vavany.