John 16

את אלה דברתי אליכם למען לא תכשלו׃
Izany teny izany dia efa nolazaiko taminareo, mba tsy hahatafintohina anareo.
הנה ינדו אתכם ואף באה השעה אשר כל הרג אתכם ידמה להקריב עבודה לאלהים׃
Handroaka anareo hiala amin'ny synagoga izy; eny, ho avy ny andro, ka hataon'izay rehetra mamono anareo fa manatitra fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitra izy.
וכזאת יעשו לכם יען גם את אבי וגם אתי לא ידעו׃
Ary izany no hataony, satria tsy fantany ny Ray na Izaho.
אבל הגדתי לכם את אלה למען אשר בבא השעה תזכרום כי אנכי אמרתי אליכם וכאלה לא אמרתי אליכם מראש כי הייתי עמכם׃
Fa izany teny izany efa nolazaiko taminareo, mba hotsaroanareo, raha tonga ny fotoan'androny, fa Izaho efa nilaza izany taminareo. Ary tsy mba nolazaiko taminareo hatramin'ny voalohany izany, satria mbola tatỳ aminareo ihany Aho.
ועתה הלך אנכי אל שלחי ולא ישאלני איש מכם אנה תלך׃
Fa ankehitriny mankany amin'izay naniraka Ahy Aho, ary tsy misy aminareo manontany Ahy hoe: Hankaiza Hianao?
אך על דברי את אלה אליכם מלא לבבכם עצבת׃
Fa satria nilaza izany taminareo Aho, dia vonton'alahelo ny fonareo.
אולם האמת אגיד לכם כי לכתי אך טוב לכם כי אם לא אלך לא יבא אליכם הפרקליט ואם אלך אשלחהו אליכם׃
Fa Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko hoy aminareo Izy.
והיה בבאו יוכיח את העולם על דבר החטא והצדק והמשפט׃
Ary raha tonga Izy, dia hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana:
על החטא כי לא האמינו בי׃
ny fahotana, satria tsy mino Ahy izy;
ועל הצדק כי אלך אל אבי ולא תוסיפו לראות אתי׃
ny fahamarinana, satria mankany amin'ny Ray Aho, ka tsy mahita Ahy intsony ianareo;
ועל המשפט כי נדון שר העולם הזה׃
ny fitsarana, satria ny andrianan'izao tontolo izao dia efa voatsara.
עוד רבות לי להגיד לכם אך לא תוכלון שאת עתה׃
Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny.
ורוח האמת בבאו הוא ידריך אתכם אל כל האמת כי לא ידבר מעצמו כי אם אשר ישמע ידבר והאתיות יגיד לכם׃
Fa raha tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin'ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.
הוא יפארני כי משלי יקח ויגיד לכם׃
Izy hankalaza Ahy; fa handray avy amin'ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.
כל אשר לאבי לי הוא על כן אמרתי כי משלי יקח ויגיד לכם׃
Izay rehetra ananan'ny Ray dia Ahy avokoa, koa izany no nilazako fa mandray avy amin'ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.
הן מעט ולא תראוני ועוד מעט ותחזוני כי אני הלך אל אבי׃
Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony ianareo; ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo.
ומקצת תלמידיו נדברו איש אל אחיו לאמר מה זה אמר אלינו הן מעט ולא תראוני ועוד מעט ותחזוני ואמרו אני הלך אל אבי׃
Ary ny mpianany sasany niresaka hoe: Inona izany nolazainy tamintsika hoe: Vetivety foana dia tsy hahita Ahy ianareo; ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo, ary, satria mankany amin'ny Ray Aho?
ויאמרו מה זה אשר אמר מעט לא ידענו מה דבר׃
Ary hoy koa ireo: Inona izany lazainy hoe vetivety foana izany? Tsy fantatsika izay lazainy.
וידע ישוע כי עם לבבם לשאל אתו ויאמר אליהם העל זאת אתם דרשים ביניכם כי אמרתי הן מעט ולא תראוני ועוד מעט ותחזוני׃
Ary Jesosy nahalala fa ta-hanontany Azy ireo, dia hoy Izy taminy: Mifanontany va ianareo, satria hoy Izaho: Vetivety foana dia tsy hahita Ahy ianareo, ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo?
אמן אמן אני אמר לכם כי אתם תבכו ותילילו והעולם ישמח הן אתם תעצבו אכן עצבכם יהפך לששון׃
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Hitomany sy hisaona ianareo, fa izao tontolo izao kosa hifaly; ary ianareo halahelo, nefa ny alahelonareo hody fifaliana.
האשה בלדתה עצב לה כי באה עתה ואחרי ילדה את הילד לא תזכר עוד את עצבונה משמחתה כי אדם נולד לעולם׃
Manam-pahoriana ny vehivavy raha miteraka, satria tonga ny fotoany; fa rehefa velon-jaza izy, dia tsy tsaroany intsony ilay fahoriany, noho ny fifaliany fa misy zaza nateraka ho ambonin'ny tany.
וגם אתם כעת תתעצבו אך אשוב אראה אתכם ושש לבכם ואין לקח שמחתכם מכם׃
Ary ianareo dia manana alahelo ankehitriny; fa hahita anareo indray Aho, dia ho faly ny fonareo, ary tsy misy olona manaisotra ny fifalianareo aminareo.
וביום ההוא לא תשאלוני דבר אמן אמן אני אמר לכם כי כל אשר תשאלו מאת אבי בשמי יתננו לכם׃
Ary amin'izany andro izany dia tsy hanontany Ahy na inona na inona ianareo; lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa na inona na inona hangatahinareo amin'ny Ray dia homeny anareo amin'ny anarako izany.
עד עתה לא שאלתם דבר בשמי שאלו ותקחו למען תמלא שמחתכם׃
Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin'ny anarako ianareo; mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo.
את אלה דברתי אליכם במשלים אכן שעה באה ולא אדבר עוד אליכם במשלים כי אם ברור אמלל לכם על אבי׃
Fanoharana no nilazako izany zavatra izany taminareo; fa ho avy ny andro izay tsy hilazako fanoharana aminareo intsony, fa hambarako tsotra aminareo ny amin'ny Ray.
ביום ההוא תשאלו בשמי ואינני אמר לכם כי אני אעתיר לאבי בעדכם׃
Amin'izany andro izany dia hangataka amin'ny anarako ianareo; ary tsy milaza aminareo Aho fa Izaho no hangataka amin'ny Ray ho anareo;
כי אבי גם הוא אהב אתכם עקב אשר אהבתוני והאמנתם כי מאת אלהים יצאתי׃
fa ny Ray dia tia anareo satria ianareo efa tia Ahy, ary efa nino fa nivoaka avy tamin'ny Ray Aho.
מאת האב יצאתי ואבא לעולם אשובה אעזב את העולם ואלך אל אבי׃
Eny, nivoaka avy tamin'ny Ray Aho ka tonga amin'izao tontolo izao; ary hiala amin'izao tontolo izao indray Aho ka hankany amin'ny Ray.
ויאמרו אליו תלמידיו הנה כעת ברור תמלל ולא תמשל משל׃
Hoy ny mpianany: Indro, milaza tsotra Hianao ankehitriny, fa tsy manao fanoharana akory.
עתה ידענו כי כל ידעת ולא תצטרך כי ישאלך איש בזאת נאמין כי מאת אלהים יצאת׃
Ankehitriny dia fantatray fa mahalala ny zavatra rehetra Hianao ka tsy mitady olona hanontany Anao; izany no inoanay fa nivoaka avy tamin'Andriamanitra Hianao.
ויען אתם ישוע עתה תאמינו׃
Jesosy namaly azy hoe: Mino va ianareo ankehitriny?
הנה שעה באה ועתה זה הגיעה ונפצותם איש איש לביתו ואתי תעזבו לבדי ואינני לבדי כי אבי עמדי׃
Indro, avy ny andro, eny, efa tonga, izay hielezanareo samy ho any amin'ny azy avy, ary hilaozanareo ho irery Aho; kanefa tsy irery Aho, fa ny Ray no ato amiko.
את אלה דברתי אליכם למען בי יהיה לכם שלום בעולם יהיה לכם עני אך יאמץ לבבכם אני נצחתי את העולם׃
Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Atỳ amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.