Genesis 19

ויבאו שני המלאכים סדמה בערב ולוט ישב בשער סדם וירא לוט ויקם לקראתם וישתחו אפים ארצה׃
Dia nankany Sodoma ilay anjely roa nony hariva, raha Lota nipetraka teo am-bavahadin'i Sodoma; ary raha nahita azy Lota, dia nitsangana mba hitsena azy izy ka niankohoka tamin'ny tany.
ויאמר הנה נא אדני סורו נא אל בית עבדכם ולינו ורחצו רגליכם והשכמתם והלכתם לדרככם ויאמרו לא כי ברחוב נלין׃
Dia hoy izy: Mba mivilia ianareo, tompoko, ho ato an-tranon'ny mpanomponareo, ka mandria anio alina, ary sasao ny tongotrareo, ary hifoha maraina koa ianareo, dia handeha amin'izay lalan-kalehanareo. Fa hoy izy roa lahy: Tsia; fa hitoetra eto an-kianja ihany izahay anio alina.
ויפצר בם מאד ויסרו אליו ויבאו אל ביתו ויעש להם משתה ומצות אפה ויאכלו׃
Ary rehefa noteren'i Lota fatratra izy roa lahy, dia nivily tany aminy izy ka niditra tao an-tranony; dia nanaovany nahandro izy sy nanendasany mofo tsy misy masirasira, dia nihinana izy.
טרם ישכבו ואנשי העיר אנשי סדם נסבו על הבית מנער ועד זקן כל העם מקצה׃
Ary raha tsy mbola nandry izy, dia avy manodidina ny trano ny mponina tao an-tanàna Sodoma, hatramin'ny tanora ka hatramin'ny antitra, dia ny vahoaka rehetra tao an-tanàna;
ויקראו אל לוט ויאמרו לו איה האנשים אשר באו אליך הלילה הוציאם אלינו ונדעה אתם׃
dia niantso an'i Lota izy ireo ka nanao taminy hoe: Aiza ireo lehilahy vao tonga tato aminao izao alina izao? avoahy ho atỳ aminay izy hahalalanay azy.
ויצא אלהם לוט הפתחה והדלת סגר אחריו׃
Dia nivoaka teo am-baravarana Lota hankeo aminy, ka nakatony ny varavarana teo ivohony;
ויאמר אל נא אחי תרעו׃
ary hoy izy: Masìna ianareo, ry rahalahiko, aza manao ratsy.
הנה נא לי שתי בנות אשר לא ידעו איש אוציאה נא אתהן אליכם ועשו להן כטוב בעיניכם רק לאנשים האל אל תעשו דבר כי על כן באו בצל קרתי׃
Indro, manan-janaka roa vavy aho, izay tsy mbola nahalala lahy; masìna ianareo, aoka re ireo no havoakako ho eto aminareo, ka hataonareo aminy izay sitraponareo; fa ireo lehilahy ireo kosa dia aza anaovanareo na inona na inona; fa tonga hialoka eto ambanin'ny tafon-tranoko izy.
ויאמרו גש הלאה ויאמרו האחד בא לגור וישפט שפוט עתה נרע לך מהם ויפצרו באיש בלוט מאד ויגשו לשבר הדלת׃
Ary hoy izy ireo: Mialà eto ianao. Dia hoy izy ireo indray: Ilehity tonga etỳ hivahiny, kanefa matetika mila hiseho ho mpitsara; ankehitriny dia hanao ratsiratsy kokoa aminao noho ny amin'ireo lehilahy ireo izahay. Dia nanosika mafy an-dralehilahy izy ireo, dia an'i Lota, ka nisesika hamaky ny varavarana.
וישלחו האנשים את ידם ויביאו את לוט אליהם הביתה ואת הדלת סגרו׃
Fa naninjitra ny tànany izy roa lahy, dia nanintona an'i Lota hankao an-trano ho ao aminy, ka nakatony ny varavarana.
ואת האנשים אשר פתח הבית הכו בסנורים מקטן ועד גדול וילאו למצא הפתח׃
Dia nampanjambena ny mason'ny lehilahy izay teo am-baravaran'ny trano izy hatramin'ny kely ka hatramin'ny lehibe; ka dia sasa-poana nitady ny varavarana ireo.
ויאמרו האנשים אל לוט עד מי לך פה חתן ובניך ובנתיך וכל אשר לך בעיר הוצא מן המקום׃
Ary hoy izy roa lahy tamin'i Lota : Mbola manana ato koa va ianao? dia izay vinantonao-lahy sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, ary na zovy na zovy anananao ato an-tanàna, ento miala amin'ity tanàna ity;
כי משחתים אנחנו את המקום הזה כי גדלה צעקתם את פני יהוה וישלחנו יהוה לשחתה׃
fa horavanay ity tanàna ity, satria efa lehibe ny fitarainany eo anatrehan'i Jehovah; ka dia naniraka anay Jehovah handrava azy.
ויצא לוט וידבר אל חתניו לקחי בנתיו ויאמר קומו צאו מן המקום הזה כי משחית יהוה את העיר ויהי כמצחק בעיני חתניו׃
Dia nivoaka Lota ary niteny tamin'ny vinantony, izay efa hanambady ny zananivavy, ka nanao hoe : Miaingà, miala amin'ity tanàna ity; fa horavan'i Jehovah ity tanàna ity. Fa nataon'ny vinantony ho tahaka ny mpanao vazivazy izy.
וכמו השחר עלה ויאיצו המלאכים בלוט לאמר קום קח את אשתך ואת שתי בנתיך הנמצאת פן תספה בעון העיר׃
Ary nony maraina koa ny andro, dia nandodona an'i Lota ireo anjely ka nanao hoe: Miaingà, ento ny vadinao sy ny zanakao roa vavy izay eto, fandrao mba haringana ianao noho ny heloky ny tanàna.
ויתמהמה ויחזקו האנשים בידו וביד אשתו וביד שתי בנתיו בחמלת יהוה עליו ויצאהו וינחהו מחוץ לעיר׃
Ary nony nitaredretra izy, dia notantanan'izy roa lahy izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy noho ny famindram-pon'i Jehovah taminy; dia nitondra azy nivoaka izy roa lahy ka nandao azy tany ivelan'ny tanàna.
ויהי כהוציאם אתם החוצה ויאמר המלט על נפשך אל תביט אחריך ואל תעמד בכל הככר ההרה המלט פן תספה׃
Ary rehefa nitondra azy nivoaka tany ivelany izy, dia hoy ny anankiray: Mandosira hamonjy ny ainao; aza miherika ianao, na mijanona eny amin'ny tany lemaka rehetra; mandosira any an-tendrombohitra, fandrao haringana ianao.
ויאמר לוט אלהם אל נא אדני׃
Ary hoy Lota taminy: Aza an'izany, Tompo ô!
הנה נא מצא עבדך חן בעיניך ותגדל חסדך אשר עשית עמדי להחיות את נפשי ואנכי לא אוכל להמלט ההרה פן תדבקני הרעה ומתי׃
indro, fa efa nahita fitia teo imasonao ny mpanomponao, ary efa nahalehibe ny famindram-ponao ianao, izay nataonao tamiko hamonjenao ny aiko; ary tsy afa-mandositra any an-tendrombohitra aho, fandrao hahatratra ahy ny loza, ka ho faty aho;
הנה נא העיר הזאת קרבה לנוס שמה והיא מצער אמלטה נא שמה הלא מצער הוא ותחי נפשי׃
indro, io vohitra io dia akaiky handosirana sady kely; masìna ianao, aoka handositra ao aho (tsy kely va izy io?), dia ho velona ny aiko.
ויאמר אליו הנה נשאתי פניך גם לדבר הזה לבלתי הפכי את העיר אשר דברת׃
Ary hoy izy taminy: Indro, efa nekeko koa ianao tamin'izany zavatra izany, ka tsy horavako io vohitra nolazainao io.
מהר המלט שמה כי לא אוכל לעשות דבר עד באך שמה על כן קרא שם העיר צוער׃
Mandehana faingana, mandosira ho ao; fa tsy mahazo manao na inona na inona aho mandra-pahatonganao ao. Izany no nanaovana ny anaran'ny tanàna hoe Zoara.
השמש יצא על הארץ ולוט בא צערה׃
Ary ny masoandro efa niposaka tamin'ny tany, raha tonga tao Zoara Lota.
ויהוה המטיר על סדם ועל עמרה גפרית ואש מאת יהוה מן השמים׃
Ary Jehovah nandatsaka tamin'i Sodoma sy Gomora solifara sy afo, avy tamin'i Jehovah tany an-danitra,
ויהפך את הערים האל ואת כל הככר ואת כל ישבי הערים וצמח האדמה׃
ka nandrava ireny tanàna ireny sy ny tany lemaka rehetra sy ny mponina rehetra tao an-tanàna ary ny zava-maniry teo amin'ny tany.
ותבט אשתו מאחריו ותהי נציב מלח׃
Fa ny vadin'i Lota niherika teo ivohony, dia tonga vongan-tsira mitsangana izy.
וישכם אברהם בבקר אל המקום אשר עמד שם את פני יהוה׃
Dia nifoha maraina koa Abrahama ka nankany amin'ilay efa nijanonany teo anatrehan'i Jehovah;
וישקף על פני סדם ועמרה ועל כל פני ארץ הככר וירא והנה עלה קיטר הארץ כקיטר הכבשן׃
ary nitsinjo an'i Sodoma sy Gomora sy ny tany lemaka rehetra izy, dia nahita, ka, indro, niakatra ny setroky ny tany tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe.
ויהי בשחת אלהים את ערי הככר ויזכר אלהים את אברהם וישלח את לוט מתוך ההפכה בהפך את הערים אשר ישב בהן לוט׃
Ary raha noravan'Andriamanitra ny tanàna tany amin'ny tany lemaka, dia nahatsiaro an'i Abrahama Andriamanitra ka namoaka an'i Lota hiala teo afovoan'ny horavana, tamin'ny nandravany ny tanàna izay nonenan'i Lota.
ויעל לוט מצוער וישב בהר ושתי בנתיו עמו כי ירא לשבת בצוער וישב במערה הוא ושתי בנתיו׃
Dia niakatra Lota avy tao Zoara ka nitoetra tany an-tendrombohitra, dia izy sy ny zanany roa vavy; fa natahotra hitoetra tao Zoara izy; dia nitoetra tao an-johy izy sy ny zanany roa vavy.
ותאמר הבכירה אל הצעירה אבינו זקן ואיש אין בארץ לבוא עלינו כדרך כל הארץ׃
Ary hoy ny vavimatoa tamin'ny zandriny: Efa antitra izao raintsika, ary tsy misy lehilahy ambonin'ny tany hanambady antsika araka ny fanaon'ny tany rehetra;
לכה נשקה את אבינו יין ונשכבה עמו ונחיה מאבינו זרע׃
andeha hampisotrointsika divay ny raintsika dia handry aminy isika hananantsika fara avy amin'ny raintsika.
ותשקין את אביהן יין בלילה הוא ותבא הבכירה ותשכב את אביה ולא ידע בשכבה ובקומה׃
Dia nampisotroiny divay ny rainy tamin'iny alina iny dia niditra ny vavimatoa ka nandry tamin-drainy; ary izy tsy nahafantatra izay nandriany na izay nifohazany.
ויהי ממחרת ותאמר הבכירה אל הצעירה הן שכבתי אמש את אבי נשקנו יין גם הלילה ובאי שכבי עמו ונחיה מאבינו זרע׃
Ary nony ampitson'iny dia hoy ny vavimatoa tamin'ny zandriny: Indro, efa nandry tamin'ny raintsika aho halina; aoka hampisotrointsika divay indray izy anio alina, dia midìra ianao ka mandria aminy hananantsika fara avy amin'ny raintsika.
ותשקין גם בלילה ההוא את אביהן יין ותקם הצעירה ותשכב עמו ולא ידע בשכבה ובקמה׃
Dia nampisotroiny divay indray ny rainy tamin'iny alina iny; dia nitsangana ilay zandriny ka nandry taminy; ary izy tsy nahafantatra izay nandriany, na izay nifohazany.
ותהרין שתי בנות לוט מאביהן׃
Dia samy nanan'anaka tamin-drainao ny zanak'i Lota roa vavy.
ותלד הבכירה בן ותקרא שמו מואב הוא אבי מואב עד היום׃
Dia niteraka zazalahy ny vavimatoa, ka ny anarany nataony hoe Moaba; izy no rain'ny Moabita mandraka androany.
והצעירה גם הוא ילדה בן ותקרא שמו בן עמי הוא אבי בני עמון עד היום׃
Ary ny zandriny koa dia niteraka zazalahy ary ny anarany nataony hoe Benamy; izy kosa no rain'ny taranak'i Amona mandraka androany.