Genesis 29

雅各起行,到了东方人之地,
Dia niainga Jakoba ka nankany amin'ny tanin'ny zanaky ny atsinanana.
看见田间有一口井,有三群羊卧在井旁;因为人饮羊群都是用那井里的水。井口上的石头是大的。
Dia nijery izy, ka, indro, nisy lavaka fantsakana tany an-tsaha, ary, indro, nisy ondry aman'osy telo, dia nandry teo anilany; fa teo amin'izany lavaka fantsakana izany no fampisotroan'ny olona ny andian'ny ondry aman'osy; ary lehibe ny vato teo am-bavan'ny fantsakana.
常有羊群在那里聚集,牧人把石头转离井口饮羊,随后又把石头放在井口的原处。
Ary nangonina teo ny andian'ny ondry aman'osy rehetra, dia nakodian'ny olona ny vato hiala amin'ny vavan'ny lavaka fantsakana, ka nampisotroiny ny ondry aman'osy; ary dia naveriny indray ny Vato ho eo am-bavan'ny lavaka fantsakana ho amin'ny fitoerany.
雅各对牧人说:「弟兄们,你们是那里来的?」他们说:「我们是哈兰来的。」
Ary hoy Jakoba tamin'ny olona: Ry rahalahiko, avy aiza moa ianareo? Ary hoy ireo: Avy any Harana izahay.
他问他们说:「拿鹤的孙子拉班,你们认识吗?」他们说:「我们认识。」
Ary hoy izy taminy: Moa mba fantatrareo va Labana, zanakalahin'i Nahora? Dia hoy izy: Fantatray ihany.
雅各说:「他平安吗?」他们说:「平安。看哪,他女儿拉结领著羊来了。」
Ary hoy izy taminy: Tsara ihany va izy? Dia hoy izy: Tsara ihany izy; ary, indro, tamy Rahely zananivavy mitondra ny ondry aman'osy.
雅各说:「日头还高,不是羊群聚集的时候,你们不如饮羊,再去放一放。」
Ary hoy izy: Indro, mbola antoandrobe ny andro, ka tsy mbola mby amin'ny fotoana famoriana ny omby aman'ondry; ampisotroy ny ondry aman'osy, dia andeha, andraso.
他们说:「我们不能,必等羊群聚齐,人把石头转离井口才可饮羊。」
Dia hoy izy: Tsy azonay hatao izany, raha tsy efa tafangona avokoa ny andian'ny ondry aman'osy rehetra, ka hakodian'ny olona ny vato hiala amin'ny vavan'ny lavaka fantsakana; dia vao hampisotro ny ondry aman'osy izahay.
雅各正和他们说话的时候,拉结领著他父亲的羊来了,因为那些羊是她牧放的。
Raha mbola niteny taminy izy; dia, indro, tamy Rahely nitondra ny ondry aman'osin-drainy; fa mpiandry ondry izy.
雅各看见母舅拉班的女儿拉结和母舅拉班的羊群,就上前把石头转离井口,饮他母舅拉班的羊群。
Ary rehefa hitan'i Jakoba Rahely, zanakavavin'i Labana anadahin-dreniny, sy ny ondry aman'osin'i Labana anadahin-dreniny, dia nanatona izy ka nanakodia ny vato hiala tamin'ny vavan'ny lavaka fantsakana, dia nampisotro ny ondry aman'osin'i Labana anadahin-dreniny izy.
雅各与拉结亲嘴,就放声而哭。
Ary Jakoba nanoroka an-dRahely, dia nanandrata ny feony ka nitomany.
雅各告诉拉结,自己是她父亲的外甥,是利百加的儿子,拉结就跑去告诉她父亲。
Dia nambaran'i Jakoba tamin-dRahely fa havan-drainy sy zana-dRebeka izy; dia nihazakazaka Rahely nanambara izany tamin-drainy.
拉班听见外甥雅各的信息,就跑去迎接,抱著他,与他亲嘴,领他到自己的家。雅各将一切的情由告诉拉班。
Ary rehefa ren'i Labana ny filazany an'i Jakoba, zanak'anabaviny, dia nihazakazaka nitsena azy izy ka namihina azy sy nanoroka azy ary nitondra azy ho any an-tranony. Dia nambaran'i Jakoba tamin'i Labana izany rehetra izany.
拉班对他说:「你实在是我的骨肉。」雅各就和他同住了一个月。
Ary hoy Labana taminy: Taolako sy nofoko tokoa ianao. Ary rehefa nitoetra tao aminy andro iray volana Jakoba,
拉班对雅各说:「你虽是我的骨肉【原文作弟兄】,岂可白白地服事我?请告诉我,你要什么为工价?」
dia hoy Labana taminy: Moa na dia rahalahiko aza ianao, dia hano­mpo ahy maina va ? Lazao amiko izay ho karamanao.
拉班有两个女儿,大的名叫利亚,小的名叫拉结。
Ary Labana nanan-janaka roa vavy: Lea no anaran'ny zokiny, ary Rahely no anaran'ny zandriny.
利亚的眼睛没有神气,拉结却生得美貌俊秀。
Ary Lea nalemy maso; fa Rahely bikàna sady tsara tarehy.
雅各爱拉结,就说:「我愿为你小女儿拉结服事你七年。」
Ary Jakoba tia an-dRahely ka nanao hoe: Hanompo anao fito taona aho hahazoako an-dRahely, zanakao faravavy.
拉班说:「我把她给你,胜似给别人,你与我同住吧!」
Ary hoy Labana: Aleoko homena anao izy, toy izay homena lehilahy hafa; tomoera eto amiko.
雅各就为拉结服事了七年;他因为深爱拉结,就看这七年如同几天。
Dia nanompo an'i Labana fito taona Jakoba hahazoany an-dRahely; ary toa andro vitsy foana teo imasony izany noho ny fitiavany azy.
雅各对拉班说:「日期已经满了,求你把我的妻子给我,我好与她同房。」
Ary hoy Jakoba tamin'i Labana: Aiza ny vadiko, mba hanambadiako azy? fa efa tapitra ny fetr'androko.
拉班就摆设筵席,请齐了那地方的众人。
Ary nampamory ny tompon-tany rehetra Labana ka nanao fanasana.
到晚上,拉班将女儿利亚送来给雅各,雅各就与她同房。
Kanjo nony hariva dia naka an'i Lea zananivavy izy ka nitondra azy ho any amin'i Jakoba; dia nanambady azy Jakoba.
拉班又将婢女悉帕给女儿利亚作使女。
Ary nomen'i Labana an'i Lea zananivavy Zilpa ankizivaviny hanompo azy.
到了早晨,雅各一看是利亚,就对拉班说:「你向我做的是什么事呢?我服事你,不是为拉结么?你为什么欺哄我呢?」
Ary nony efa maraina ny andro, indro fa Lea izy; dia hoy Jakoba tamin'i Labana: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Moa tsy Rahely va no nanompoako anao? Ka nahoana no nofitahinao aho?
拉班说:「大女儿还没有给人,先把小女儿给人,在我们这地方没有这规矩。
Dia hoy Labana: Tsy fanao atỳ amin'ny taninay ny mamoaka ny zandriny alohan'ny zokiny.
你为这个满了七日,我就把那个也给你,你再为她服事我七年。」
Tanteraho ny herinandron'ity anankiray ity, dia homenay anao koa ny anankiray noho ny fanompoana izay mbola hanompoanao ahy fito taona indray.
雅各就如此行。满了利亚的七日,拉班便将女儿拉结给雅各为妻。
Dia nataon'i Jakoba izany, ka notanterahiny ny herinandrony; dia nomen'i Labana azy koa Rahely zananivavy ho vadiny.
拉班又将婢女辟拉给女儿拉结作使女。
Ary nomen'i Labana an-dRahely zananivavy kosa Bila ankizivaviny hanompo azy.
雅各也与拉结同房,并且爱拉结胜似爱利亚,于是又服事了拉班七年。
Dia novadin'i Jakoba koa Rahely; ary izy no tiany mihoatra noho Lea; dia nanompo an'i Labana fito taona indray izy.
耶和华见利亚失宠【原文作被恨;下同】,就使她生育,拉结却不生育。
Ary rehefa hitan'i Jehovah fa nankahalaina Lea, dia nampanan'anaka azy Izy; fa momba kosa Rahely.
利亚怀孕生子,就给他起名叫流便【就是有儿子的意思】,因而说:「耶和华看见我的苦情,如今我的丈夫必爱我。」
Dia nanan'anaka Lea ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia na­taony hoe Robena; fa hoy izy: Efa nitsinjo ny fahoriako Jehovah, fa ankehitriny dia ho tian'ny vadiko aho.
她又怀孕生子,就说:「耶和华因为听见我失宠,所以又赐给我这个儿子」,于是给他起名叫西缅【就是听见的意思】。
Dia nanan'anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Satria ren'i Jehovah fa efa nankalahaina aho, dia nomeny ahy koa ity; dia nataony hoe Simeona ny anarany.
她又怀孕生子,起名叫利未【就是联合的意思】,说:「我给丈夫生了三个儿子,他必与我联合。」
Dia nanan'anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny izao dia hikambana amiko ny vadiko, fa efa niteraka zazalahy telo ho azy aho; izany no nanaovana ny anarany hoe Levy.
她又怀孕生子,说:「这回我要讚美耶和华」,因此给他起名叫犹大【就是讚美的意思】。这才停了生育。
Dia nanan'anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny dia hidera an'i Jehovah aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Joda; dia nitsaha-jaza izy.